Filtrer les éléments par date : jeudi, 11 juillet 2019

Fandraisana anjaran'ny Gasy Jiaby amin'ny firaisankina entina hanohanana ny ekipan'ny Barea amin'ny hiatrehany ny lalao ampahefadalana amin'ny CAN.

Fanentanana maro samihafa niarahana tamin'ny mpanao gazety, mpanankanto, mpiasan'ny ministera samihafa, fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra, ireo vondron'ny olona samihafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Hatrany Espaina ny mpankafy sy mpanohana Barea

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Namoaka tweet niarahaba manokana an'ny Barea an'i Madagasikara ny filohan’i Kaomôro, Azali Assoumani, amin'ny naha tafakatra ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra ho amin'ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika.

"Reharehan'ny aty amin'ny Ranomasimbe Indianina ianareo" hoy izy ka mirary soa amin'izay rehetra ho tohiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nametraka « Ecran géant » eo amin’ny « Parvis » ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo hahafahan’ny besinimaro manaraka mivantana ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, hifandonan’i Madagasikara amin’i Tonizia anio alina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Ny ambasadaoro Michaël Peter Pelletier mihitsy no mitarika ny mpiara-miasa ao amin’ny Masoivoho Amerikanina manao « Alefa Barea », ho fiaraha-mientana amin’ny fanohanana ny Barea an’i Madagasikara, hiatrika ny lalao ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra.

Hikatroka ao amin’ny Kianja Al Salam ao Le Caire-Egypta, anio amin’ny 10 ora alina, ora eto Madagasikara, i Madagasikara sy Tonizia. Hifandona amin’i Sénégal amin’ny manasa-dalana izay tafavoaka mpandresy eo amin'ny 14 jolay ho avy izao.

(Sary nalaina tamin'ny horonantsary amerikanina)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanomboka izao tolakandro izao ao Moramanga ny « Rallye Mangoro » andiany faha-2. Dingana faha-4 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny fanamoriana fiarakodiana izy ity.

30 ny ekipazy nandray anjara, amin’ny halaviran-dalana 404,83 km, ka sedra manokana na « épreuve spéciale » miisa folo ny 141,72 km amin’io.

Atao izao tolakandro izao ny sedra manokana roa amin’ireo. Haharitra telo andro ity « Rallye Mangoro 2» ity.

(Sary: Na Soanaivo)

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport
jeudi, 11 juillet 2019 15:15

No comment

No comment

 

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 11 juillet 2019 15:13

Masoivoho Koreana Tatsimo: Ambiansy Barea

Andro miavaka ao amin’ny Masoivoho Koreana Tatsimo amin’ity anio ity. Miara mirona amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra, hiatrika lalao ampahefa-dalana anio alina ny mpiasa tarihin’ny ambasadaoro Lim Sang-Woo. Manako ny « Alefa Barea ».

(Sary: Masoivoho Koreana Tatsimo)

Publié dans Tselatra

Nolavin'ny « Conseil d'Etat » nandritra ny fandinihina nataony ny 10 jolay 2019 ny fangatahan'ny tompon'ny asa fanorenana tsy nahazoana alalana, amin'ny tanin'ny Ministeran’ny Asa Vaventy eo Alarobia-Antananarivo, mba hanafoanana ny didy manidy izany toerana izany.

Didy laharana 11 251/2019 navoakan'ny ministeran’ny fanajariana ny tany, trano fonenana ary ny Asa vaventy, ny 3 jona 2019 mandidy ny hanidiana tanteraka io toerana io. Fanorenana tsy nahazoana alalana no antony namoahana io didy io, ary tany tsy ananana taratasy maha tompony azy no antony tsy nahazoana izany alalana izany.

(Loharanom-baovao: MAHTP)
(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Hatao eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’ny alahady 11 aogositra izao, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Andriantsoavina Jean Pascal. Vao notendren'ny Papa Fransoa ho Eveka mpanampy eto amin'ny Diosezin'Antananarivo ity farany.

Pretra diosezanina eto Antananarivo izy, efa « Recteur » ny seminera zokiny fandalinana filozofia tao Antsirabe teo aloha, ary efa « Curé » ao amin’ny Fiangonana “ Notre Dame de l’Assomption ” Imerinafovoany Antananarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture
Page 1 sur 3