Filtrer les éléments par date : lundi, 01 juillet 2019

Ny lalao manasa-dalana voalohany amin’ny alarobia 3 jolay izao dia hihaonan’i Brezila amin’i Arzantina, ao amin’ny kianja “Estádio Governador Magalhães Pinto” ao Belo Horizonte, ao amin’ny fanjakan’i Minas Gerais any Brezila.

Ny lalao manasa-dalana faharoa hatao amin’ny alakamisy 4 jolay kosa dia hifanandrinan’i Perou amin’i Chili. Lalao tanterahina ao amin’ny “Arena do Grêmio” any Porto Alegre, Brezila.

Ny kianjan’i Maracanã ao Rio de Janeiro no hampiantrano ny lalao famaranana eo amin’ireo ekipa roa tonta tafavoaka mpandresy amin’ny manasa-dalana ; hatao amin’ny alahady 7 jolay 2019.

 

Publié dans Sport

Ho tapaka ny fifamoivoizan’ny fiara amin’ny lalana Wast Ravelomoria (Comoris), ny fidinana Restaurant La Varangue, ny lalana Rabobalahy, ary ny fiakarana manomboka eo amin’ny Faritany, ny talata 2 jolay 2019 amin’ny 2 ora tolakandro, mandra-pahavitan’ny lanonana ara-pitsarana hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana etsy Ambohidahy – Antananarivo, ny vokatra ofisialy ny fifidianana solombavambahoaka natao tamin’ny 27 mey 2019.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihana mitam-basy teo Ankatafahely – Ambanja ny alahady 30 jona tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Vehivavy iray, efa loa-jafy, mitazona toeram-pisotroana, no nisy nanafika tao an-trano fonenany.

Teo ampanasana ireo zafikeliny telo, tao amin’ny trano fidiovana izy, no niditra ankeriny ireo jiolahy, sady nanery azy hiditra tao an-trano, raha nambaran’ireo zafikeliny.

Efa nitsirara sady nihoson-dra tao an-trano i Marie, no hitan’ny olona, izay taitra tamin’ny feom-basy nipoaka in-dray mandeha. Niditra tao amin’ny lamosiny ny bala ary nivoaka taty anoloana.

Nikorontana ambony ambany ny entana tao an-trano. Tsy mbola voafaritra mazava ny zavatra nalain’ireo jiolahy.

Marie, sy zafikeliny telo, izay mbola kely no tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana.

Eo ampelan-tanan’ny Polisy ny raharaha, izay nanokatra fanadihadiana.

 

Publié dans Tselatra

Nifampitaona nanao ny fanambaram-pananana teny amin’Ivotoeran’ny Bianco Ambohibao ireo Tale Jeneraly sy Tale ary tomponandraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 28 jona 2019 teo.

Lalàna velona no manery ny tsy maintsy anaovan’ny mpiasam-panjakana ambony sy olom-boafidy hanao fanambaram-pananana, ka nanatanteraka ny adidin’ireo tomponandraikitra ny teo amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, sy ho fijoroana amin’ny fahamarinana sy ny mangarahara eo amin’ny fitantanana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Lalao efatra no tanterahina anio ka amin’ny ora mitovy isaky ny mandeha no anatontosaina ny lalao roa.

Amin’ny 7ora alina: Afrika Atsimo # Maroc /Namibia # Côte d’Ivoire

Amin’ny 10 ora alina: Tanzania # Alzeria / Kenya # Sénégal

 

Publié dans Sport

Ikarohana « hangar » hametrahana azy eny Ivato ireo fiaramanidina sy helikopetera vao tonga ampiasain’ny Foloalindahy.

Ny « hangar » an’ny Tiko Air, ipetrahan’ny fiaramanidina ATR 42 an’ny orinasa Tiko, sy ny an’ny orinasam-pitanterana anabakabaka Madagasikara Airways no nisy iraka nijery teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alahady 30 jona 2019.

 

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina manomboka androany Alatsinainy 1 Jolay 2019 ao amin'ny Lapan'ny Faritra Atsinanana Toamasina ny fakankevitra momba ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera ho an’ny Faritra Atsinanana, Alaotra-Mangoro ary Analanjirofo.

Ny tanànan'Antsirabe kosa no hampiantrano ny fakankevitra ny ho an’ireo solontena avy any amin’ny Faritra Vakinankaratra, Analamanga, Itasy, Bongolava, Menabe ary Melaky ny Alarobia 3 Jolay 2019 izao.

 

Publié dans Tselatra

Saron’ny sampana mpanao «ratissage» ao anatin’ny foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano na ny DPRO eo anivon’ny orinasa JIRAMA, io maraina io ny halatra rano eny amin’ny fokontany Miandrarivo Ambanidia, Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra.

Niaiky ny halatra nataony ilay tokantrano, ary mbola nilaza ilay renim-pianakaviana, fa efa ho roa taona izao no nanaovany io fisintonan-drano tsy miankina amin’ny «compteur» io. Tato anatin’ny valo volana kosa, hoy izy no nivarotany izany rano halatra izany amin’ny mponina manodidina, ka 50 Ariary ny iray «jericane» mavo, ary adiny dimy isan’andro, eo anelanelan’ny amin’ny 5ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora maraina, sy amin’ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 8 ora alina no misokatra ny fivarotana rano eo am-bavahady.

Publié dans Vaovao
lundi, 01 juillet 2019 11:50

L'incivisme tue

Le résultat provisoire de la bousculade de Mahamasina est de 17 morts, dont 11 enfants, et 120 blessés, certains sont encore dans un état grave. L'émotion passée, nous devons passer au bilan et faire l’inventaire des responsables.

A chaque fois qu’il ait des spectacles à Mahamasina, cela se termine par des bousculades et morts d’homme, le stade a été même interdit de matches internationaux lors d’une rencontre de football (Sénégal-Madagascar).

Est-ce qu’on n'a pas les compétences nécessaires en matière de maintien de l'ordre et d'organisation événementielle de grande envergure? A l’image par exemple de la TVM dont la transmission des événements pour la célébration du 59 ème anniversaire du retour de l’indépendance a été défaillante pour ne pas dire nulle.

Où sont passés les militaires qui agrémentent par leur propos professionnel le défilé, au lieu d'entendre les âneries des journalistes qui ne sont pas fait pour ce genre de couverture. Qui les (journalistes) ont nommé là, car quelque part, les responsabilités sont partagées, surtout pour ceux qui ont décidé d'envoyer des nuls au front.

Publié dans Editorial

Taitra ny mpiantsena teto Antaimby, omaly tolakandro, raha nahita zaza vavikely tokony ho roa taona mitsirara matory amin ny tany. Tsy tapitapitr’izay dia vory ny olona nijery, ary tao anatin’izany no nisy nahafantatra ny anaran’ny Ray aman-drenin’io zaza nisy nanary io.

Noho ny fahitana fa toa zaza marary ity mitsirara ity, dia nentin’ireo olona tsara sitrapo teny amin’ny hopitalibe Besopaka ilay zaza, saingy tsy nahitana soritr’aretina izy hoy ny mpitsabo ka nasaina niverina.

Nampahafantarina ny zava-misy ny Polisy tao amin’ny Commissariat de Police Sambava Centre, efa nisy nahafantatra rahateo ny adiresin’ny ray aman’drenin’ilay zaza.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2