Filtrer les éléments par date : mercredi, 05 juin 2019
mercredi, 05 juin 2019 13:09

Filière vanille: Veut-on la tuer ?

Il y a 1 mois de cela le Ministère du Commerce a imposé un « taxe » de 5 pour 1000 sur la valeur FOB aux exportateurs de vanille pour la délivrance du Certificat de Contrôle, de Conditionnement et d’Origine (CCCO) sur toute opération d’exportation de vanille. Pour les opérateurs, cette taxation surprise aura des conséquences graves sur la filière.

Selon bon nombre d’entre eux des contrats ont été annulés et plus d’une centaine de tonnes de vanille prêtes à l’exportation sont bloquées dans les entrepôts des opérateurs. Car les contrats signés dans la 2ème moitié de 2018 n’incluaient nullement pas cette taxation qui se chiffre par milliards de MGA, donc elle ampute considérablement la trésorerie des exportateurs déjà affaiblis par la petite marge bénéficiaire qu’ils pratiquent.

Par conséquent les centaines de tonnes (environ 300) encore aux mains des producteurs de la SAVA risquent de ne plus trouver d’acheteurs car les opérateurs ne savent plus où se donner de la tête !

Publié dans Editorial
mercredi, 05 juin 2019 12:58

Ambatoboeny: Mankalaza ny Ide ul FILTR

de ul fitr masdjid dawattol Islam Ambatoboeny (sunnit kumbar jamat)

Ampitsikina no nanokafana ny ramadan teto Ambatoboeny, ary ampiravona ihany koa no nentina nanakatonana azy tamin'ny fanaovana ide ul FILTR.

Maro sy feno ny mosquée teto an-toerana satria fotoana lehibe ny andro anio faha 05 jona 2019.

Ny Masdjid dawattol Islam eto Ambatoboeny dia faly miarahaba feno hoan'ny mpino rehetra tratran'ny IDE androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Andohatapenaka: Fankalazana ny fety Silamo

 

Publié dans Tselatra

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook i Rakotondrasoa Justin, fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpanakanto azy hoe : Justin Vali, miantso ireo kandida tsy miankina rehetra manerana an’i Madagasikara, tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019.

“Andao atambatra ny hery hanangana fikambanana handray andraikitra hampandroso ny tanintsika”, hoy izy, satria “maro ireo olona tia antsika ary miandry antsika ka tokony hotohizana ny fifandraisana sy ny fanaovantsoa ny mpiarabelona”.

Kandida solombavambahoaka, faha-4 tamin’ny biletà tokana, nirotsaka tamin’ny lisitra tsy miankina tao amin’ny Distrika Andramasina, Faritra Analamanga i Justin Vali. Toerana solombavambahoaka tokana no ifaninanana ao Andramasina. Faha-4 vonjimaika i Justin Vali amin’ny isam-bato azony, araka ny fironana ao amin’ny tranokalan’ny CENI. Fanindroany nirotsahany hofidiana ny tamin’ity. Efa kandida izy tamin’ny 2007.

Publié dans Politique

Raha nisy fidinany ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tamin’ny fifidianana solombavambahoaka natao ny 27 mey 2019, araka ireo tatitra savaranonandro nataon’ireo fiarahamonim-pirenena sy mpanaramaso ny fifidianana, eny hatramin-dry zareo eo anivon’ny CENI dia nisy Distrika efatra nahitana taham-pahavitrihan’ny mpifidy mihoatra ny 60%.

Lohalaharana vonjimaika amin’izany ny Distrika Ampanihy Ouest, Faritra Atsimo-Andrefana. 62.84% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy. Toerana solombavambahoaka roa no ifaninanana ao amin’ity Distrika ity. Lisitra enina no nifaninana tao.

Publié dans Politique

Nankalaza ny fetin'ny fotoam-pamaranana ny ramadan ireo mpino Silamo.

Maro ireo hetsika atao amin'izany, anisan'izany ny fanehoana sy fizarana ny firarian-tsoa amin'ny mpiara-belona, natao tamin'ny alalan'ny Carnaval raha ny teto Antananarivo.

Marihina moa fa andro tsy fiasana nefa andraisana karama ho an'ny rehetra androany 05 jona 2019, noho io andro Aïd el-FILTR io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Horaketin’ny tantaram-pifidianana eto Madagasikara, indrindra ny eto Ampanihy Ouest, ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ity 2019 in-dray mitoraka ity.

Publié dans A la Une

Nigadona vao mangiran-dratsy tao amin'ny Fokontany Ambolimadinika, Kaominina Nosiarina, Distrikan’i Sambava, omaly talata 4 jona 2019, ny Zandary niaraka tamin'ny mpandraharaha iray nitondra azy ireo handeha hisambotra tanora iray izay voalaza fa mipetraka ao amina Katekista amin’ny Fiangonana iray tao an-tanàna, noho izy io nisy nitory amin'ny raharaha ady tany.

Rehefa tsy hita tao ny notadiavina, ary tsy nilaza izay toerana misy io tovolahy io ilay Katekista dia nentina haingana ho any amin'ny biraon’ny Zandarimaria Sambava.

Vao naheno izany ny Fokonolona dia nirohotra nankany amin'ny Sefo Fokontany ao an-toerana izay tondroin'ny vahoaka fa izy no ao ambadika miara-miasa amin'ity mpandraharaha mitondra ireo mpitandro filaminana hisambotra olona ireo, ary ny Katekista izay “tsy manan-tsiny”, hoy ny Fokonolona, lasa nentina any amin'ny birao.

Publié dans Vaovao

Ny Alatsinainy 03 Jona 2019 no nanatanterahan’izy ireo ny fianianana teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy – Antananarivo rehefa nahavita ny fiofanana mahakasika ny fomba famokarana masomboly sy ny lalàna mifehy ny masomboly.

Hiasa eny anivon’ny Faritra 22 eto Madagasikara izy ireo, ary hiantoka feno ny fanaraha-maso ny famokarana masomboly sy ny fampanarahan-dalàna izany.

Afaka manampy ara-teknika ireo mpamokatra masomboly ihany koa izy 106 Mpitsirika sy Mpanaramaso ireto ho fampanarahana fenitra ny masomboly eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mercredi, 05 juin 2019 09:19

5 juin: Course à pieds

Journée mondiale de la course à pieds.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2