Filtrer les éléments par date : dimanche, 23 juin 2019

Nizara arendrina isaky ny boriborintany dimy teto Toamasina Ramatoa Naharimamy Irmah Lucien omaly sabotsy.

Izao no natao hoy Ramatoa Irmah Naharimamy, mba miara-paly avokoa ny ankizy amin'izao fahatongavan'ny Asaramanitra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga nitsidika ny kermesin'ny Foloalindahy teo amin'ny Kianjan'i Betongolo - Antananarivo ny filoham-pirenena sady filoha faratampon'ny Foloalindahy, Andry Rajoelina. Nandritra izany no nilazana fa dia ho avo folo heny ny hatsaran'ny kermesin'ny Foloalindahy amin'ny taona ho avy, hankalazana ny faha-60 taonan'ny fahaleovantena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Nirava ady sahala 2 noho 2 ny Barea Madagascar sy Guinée tamin'ny lalao voalohany natrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny Vondrona B amin'ny CAN 2019.

Nanokatra ny isa i Guinée, avy eo nosahalain'ny Barea. Nitarika 2 noho 1 i Madagasikara. Penalty no nahazoan'i Guinée ny baolina faharoa sy nampitovy ny isa.

Abel Anicet, mpilalao malagasy, no voahosotra ho mpilalao mendrika tamin'io lalao alina tao amin'ny Kianjan'i Alexandrie io.

Amin'ny alakamisy 27 jona ny lalao faharoa anaty Vondrona B hatrehin'i Madagasikara hifandonana amin'i Burundi.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport