Filtrer les éléments par date : vendredi, 21 juin 2019

Efa “vérité des prix” io, ary “tsy hihetsika intsony fa mijanona amin'io ny vidin-tsolika hatramin’ny volana desambra faran’ny taona”, hoy ny fanamafisana nataon’i Lalatiana Andriatongarivo Rakotondrazafy, minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta, manodidina ny namaritan’ny fanjakana notarihin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ireo mpandraharaha avy amin’ny VIVO Energy Madagascar, Total, Jovenna, GRT, GPM ary LPSA ny vidin-tsolika taorian’ny fifampidinihana nandritra ny telo andro, ny 17, 18 ary 19 jona 2019, tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra.

Nihatra nanomboka ny 20 jona 2019 ny vidin-tsolika vaovao, 4100 Ariary ny litatra ho an’ny lasantsy, 3400 Ariary ny gazoala, ary 2130 Ariary ny solika fandrehitra.

Tamin’ny 4 desambra 2018 ny fiovana vidin-tsolika farany, 4200 Ariary ny litatra ho an’ny lasantsy, 3550 Ariary ny gazoala, ary 2630 Ariary ny solika fandrehitra.

 

Publié dans Economie

Ry zareo Japoney no namatsy vola nanamboarana ny trano vaovao ho an’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco, miorina eny Ambohibao-Ambohidratrimo misy ny foiben-toerany.

Vita ny trano ary hotokanana anio zoma 21 jona. Hamantana an’ity fotodrafitrasa vaovao ity ny Tale jeneralin’ny Bianco vaovao, hisolo toerana an’i Andriamifidy Jean Louis.

Dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoana iasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco.

 

Publié dans Tselatra

Avy nirava nianatra, ny harivan’ny alatsinainy 17 jona 2019, ity tovolahy iray 16 taona, mpianatra amin’ny lisea tsy miankina eny Sabotsy Namehana – Antananarivo Avaradrano no nanjavona tampoka.

Nanaovan’ny fianakaviana filazana ombay mitady, niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera avy hatrany ny tsy fahitana azy.

Araka loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, dia nialohan'ny hodiany any an-trano dia mbola nandeha hametaka jiro tany am-piangonana teny Belanitra ilay tovolahy ; teny an-dalana izy no nisy roalahy nibata an-keriny azy, ary nampiditra azy tao anaty fiara. Tsy nifarana ny dian’izy ireo raha tsy tany Mahajanga.

Araka ny loharanom-baovao hatrany dia voakarakara, nihinan-kanina, tsy dia niharan’ny fampijaliana ilay tovolahy. Tsy fantany kosa ny toerana nitondrana azy.

Publié dans Vaovao
vendredi, 21 juin 2019 09:26

21 juin: Lenteur

21 juin: Journée internationale de la lenteur.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 21 juin 2019 09:24

21 juin: Yoga

21 juin: Journée Mondiale du yoga.

 

Publié dans Fil info
vendredi, 21 juin 2019 09:24

21 juin : Fête de la Musique

21 juin : Fête de la Musique.

 

Publié dans Fil info
Page 3 sur 3