Filtrer les éléments par date : dimanche, 02 juin 2019

Voahosotra ho tompon'ny amboaran'i Madagasikara tamin'ity taom-pilalaovana 2019 ity ny Fosa Juniors FC Boeny rehefa nandavo ny CNaPS Sport Football Itasy, tamin'ny isa 1 no ho 0 tamin'ny lalao famaranana notanterahina androany teo amin'ny Kianja Monisipaly Mahamasina Antananarivo.

Baolina tokana matin'i Sambatra, tany amin'ny fanalavam-potoana, no nitondra an'ny Fosa Junior FC nankany amin'ny fandresena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Notanterahina tao amin'ny Campus Lazaré ny zoma 31 mey 2019 ny lanona fanomezam-pahefana azy, notarihin'ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Profesora Rejo Fienena Félicitée.

Hatao vaindohan-draharaha, hoy ny filoha vaovao ny fametrahana ny fitantanana marina sy mangarahara, ny fanatsarana ny fepetran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ary ny torolalana tsara indrindra ao anatin'ny fampiharana ny rafitra LMD.

Nanambara ny minisitra Rejo Fienena Félicitée fa efa misy ny famerenana an-daharana ireo mpampianatra mpikaroka na ny "reclassement", izay efa nandrasana hatramin'ny taona 2006.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Nanao fanamby nanoloana ireo teratany Malagasy monina ivelan'i Madagasikara any Eoropa ny filoha Andry Rajoelina fa "afaka mandray anjara amin'ny fifidianana Filoham-pirenena manaraka" izy ireo ary "azo heverina ny hisian'ny solotenan'izy ireo ao amin'ny Antenimieram-pirenena amin'ny fifidianana manaraka!".

Nandritra ny fihaonan'ny filohan'ny Repoblika tamin'ny solotenan'ireo Diaspora an'arivony tao Paris, omaly no nanambarany izany. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Politique
dimanche, 02 juin 2019 15:06

Sambava: Lafo ny legioma

Ny salady kely roa no 4 000 ariary, ny tongolo 1000 ariary ny tokony.

Tsy mahasarika ny mpamboly ve ny mamboly azy io, sa variana amin'ny lavanila, ka dia avy any Antananarivo no manafatra.

 

Publié dans Tselatra

Nampahatarin'ny Prefen'i Toamasina Benandrasana Cyrille ny sabotsy 1 jona 2019 ny didim-pitondrana laharana 11.132 navoakan'ny minisiteran'ny Ati-tany ny 31 mey 2019 mampiato amin'ny asany an'i Ratsiraka Elisée tsy ho Ben'ny Tanàna intsony.

Delegasionina manokana no hitondra ny tanàna manomboka eto ka filohan'izany na PDS, Razafimanana Christain. Filohan'ny mpanolontsain'ny Kaominina ity farany. Dr Celestine Marie Razafiarisoa sy Toto Jean kosa no lefitra voalohany sy ny lefitra faharoa.

Fantatra fa nandefa iraka manokana hanao ny fanadihadiana ara-pitantanana eo anivon'ny Kaominin'i Toamasina ny prezidansa manomboka rahampitso alatsinainy 3 jona, na efa nahavita ny azy aza ny IGE (Inspection Générale de l'État) sy ny ministeran'ny Ati-tany ny volana aprily.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 02 juin 2019 14:13

Kitra: Tompondakan'i Eoropa i Liverpool

Ny fandresen'i Liverpool an'isa 2 noho 0 nanoloana an'i Tottenham tamin'ny lalao famaranana natao tao Madrid ny alin'ny 1 jona 2019 no nahavoahosotra an'i Liverpool ho Tompondakan'i Eoropa amin'ny baolina kitra ho an'ny taom-pilalaovana 2018-2019.

Fanin'enina izao no naha tompondaka an'i Liverpool.

 

Publié dans Sport

Tapitra ny dimy andro, nifarana ny sabotsy 1 jona misasakalina ny dimy andro feran'ny lalàna iandrasan'ny vaomiera mpanisa vato ireo voka-pifidianana avy eny amin'ireo biraom-pifidianana miisa 25 388 manerana ny Nosy.

Anaovana fitanana an-tsoratra milaza tsy fisiana latsabato (procès-verbal de carences) izay tsy voaray tao anatin'io fe-potoana io.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 02 juin 2019 14:02

2 juin: Communications sociales

2 juin: Journée mondiale des communications sociales.

Publié dans Fil info
dimanche, 02 juin 2019 12:46

2 juin: Tourisme respectueux

2 juin: Journée mondiale pour un tourisme responsable et respectueux.

 
 
Publié dans Fil info

Andro lehibe ho an'ny fianakaviam-ben’ny Seminera Zandriny Ampahateza-Ambohipo  sy ny Diosezy Antananarivo ity Alahady 2 jona ity.

Fetim-bokatra ao an-toerana anio handraisana ireo tolotra avy amin’ny Kristianina, ny fianakaviana, ny faritra, ny isam-paroasy, ny fileovana, ny distrika, ny fikambanan-drelijiozy, ny sekoly katolika, ny fikambanana masina, ny vaomieran’asa, ny hery velona rehetra mandrafitra ny  Fiangonana, hanampiana sy hanohanana feno ny taninketsan’ny fiantsoan’Andriamanitra ho pretra.

Misy ny Sorona Masina tarihin’ny Arseveka, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.

Aorian'ny izay ny lalao samihafa, arahin'ny sakafom-pianakaviana ary hira gasy ataon’ny seminarista no hanakatona ny andro anio.

 
 
 
Publié dans Art et Culture