Filtrer les éléments par date : samedi, 15 juin 2019

Nisy ny fifampizarana traik'efa teo amin'ny mpamonjy voina Kanadianina sy Afrika, ka tafiditra ao anatin'izany i Madagasikara.

Izany moa no natao mba ho fampandrosoana ny asan'ny mpamonjy voina aty Afrika.

Efa firenena maro no notsidihin'ireto mpamojy voina Kanadianina ireto ary mbola hitety firenena maro izy ireo.

Tetsy amin'ny tobin'ny mpamonjy voina tetsy Anosipatrana moa no nanatanterahina izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
samedi, 15 juin 2019 15:11

Isandra: Namerina basy ny dahalo

Basy miisa folo no naverin'ny dahalo avy ao amin'ny Kaominina Ambalamidera-II sy Mahazoarivo, Distrika Isandra, Faritra Matsiatra Ambony-Fianarantsoa, ny 12 jona 2019.

Mitohy ny fanentanana ataon'ny ZRPS (Zone Rurale Prioritaire de Sécurité) Alpha sy ny CIRGN Fianarantsoa hanaterana ireo basy tsy ara-dalana rehetra alohan'ny 20 jona 2019.

 

 

Publié dans Tselatra

Nihemotra, very laharana iray i Madagasikara araka ny fandaharana sy fikilasiana nataon'ny Federasiona iraisam-pirenena momba ny baolina kitra (FIFA) ny 14 jona 2019.

 

Publié dans Sport

Miisa 824 ireo fitarainana zaza very voarain'ny Polisy nanomboka ny volana janoary 2019, ka ny 725 amin’ireo dia efa nahazoana fampandrenesana fa hita ilay zaza, ary ny 623 amin’ireo dia zaza nitsoaka ny tokantranony avokoa.

Misy ny vanim-potoana mampirongatra ny fahaverezan-jaza, indrindra rehefa vita fety tahaka izao, ary voamarin’ny sampan-draharaha ny Polisy miandraikitra ny zaza tsy ampy taona fa isan’ny mahatonga izany ny fitondrana zaza mijery fety, indrindra ireo zaza latsaky ny 10 taona. Ao ihany koa ireo zaza mitsoaka ny tokantranony noho ny vono sy ny tahotry ny ho bedy mahazo azy ireo.

Ny laharana 147 dia azon’ny rehetra antsoina maimaimpoana raha toa ka mahita tranga mahakasika ny zaza, ary efa misy ny Polisy miandraikitra izany.

 

Publié dans Tselatra

Ce panneau des passages à niveau des chemins de fer sied bien à cette affaire, ou plus exactement à ces affaires de corruption qui se sont déroulées dans le sud de Madagascar. Celle qui est au centre de ces affaires dépasse de très loin Claudine Razaimamonjy qui, à côté d’elle, n’est que du menu fretin. Pas loin d’une vingtaine de dossiers la concernant sont transmis devant la justice.

Le mode opérationnel de cette femme-entrepreneur est simple: elle rencontre directement les édiles des communes pour leur annoncer une « bonne nouvelle » que sa commune va recevoir une subvention exceptionnelle mais…il y a toujours un MAIS, le marché issu de cette subvention lui sera attribué de facto sans appel d’offre aucune. Et elle déclare au maire qu’elle « fera tout son effort » pour que la dite commune obtienne la subvention !!

Publié dans Editorial

15 juin: Journée mondiale de lutte contre la maltraitance des personnes âgées.

 

Publié dans Fil info
samedi, 15 juin 2019 10:46

15 juin: Contre la Faim

15 juin: Journée Mondiale contre la Faim.

 

Publié dans Fil info

"Tsy maintsy midina ny vidin-tsolika ary toy izany koa ny saram-panofana ireo milina mpihary herinaratra hofain'ny JIRAMA", hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nitafa fohy tamin'ny mpanao gazety teo ampitsidihana hetsika ara-pizahantany teny amin'ny CCI Ivato omaly izy.

Hamory ireo mpandraharaha sy ireo tomponandraikitra voakasik'izany izy amin'ny alatsinainy 17 jona izao.

 

Publié dans Tselatra

Anio sabotsy 15 jona no hamoaka ny voka-pifidianana feno vonjimaika eo ampelan-tanany ny CENI, momba ny fifidianana solombavambahoaka notanterahina tamin'ny 27 mey 2019.

Ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana avy eo no mamoaka ny didy raikitra.

 

Publié dans Tselatra