Filtrer les éléments par date : vendredi, 14 juin 2019

Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny halatra kisoa monina ao Ampasy, miampy roalahy mpividy kisoa halatra, ka ny iray avy ao Ambalan'omby, ny faharoa avy ao Betela no voasambotry ny Polisy eto Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe.

Atao famotorana izy ireo, ary hatolotra ny Fitsarana rahampitso. Mitohy ny fikarohana ny roa lahy naman’ireo mpangalatra nandositra.

 

 

Publié dans Tselatra

Narahina fanentanana eny amin’ny Bar sy toeram-pisotroana momba ny ora fihidiana amin’ny alina ihany koa ny hetsika ataon'ny Polisy eto Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe, indrindra amin'izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga eto Antsiranana ary iaretan-tory ato amin’ny Gymnase Couvert Antsiranana ny nofo mangatsiakan’i Gara Jean Robert.

Publié dans A la Une

Tapaka fotoana naharitra ny lalam-pirenena vokatr’io lozam-pifamoivoizana nitranga teto Antsampanana amin’ny lalam-pirenena faha-2 io ny alakamisy 13 jona 2019 tokony ho tamin’ny 10ora alina.

Araka ny voalazan’ny nanatri-maso ny loza dia kamiao semi-remorque mitondra kaontenera no nandona kamiao “citerne” roa mijanona amin’ny sisin-dalana. Soa fa tsy mbola misy akora tao anatin’ireo “Citerne”, nefa na izany aza may kila ihany ny iray, fa ny iray mba avotra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Niondrika an’isa 3 noho 1 nanoloana an’i Maoritania androany i Madagasikara, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana natao tany Marrakech Maroc, tafiditra amin’ny fanomanan-tenan’ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra hiatrehany ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika hatao any Egypta.

Lalao ara-pirahalahiana telo no natrehin’ny Barea nanomboka tamin’ny 2 jona 2019. Ady sahala iray (3-3) nanoloana an’i Luxembourg, faharesena in-droa nisesy 0-1 nanoloana an’i Kenya ary 1-3 tamin’i Maoritania.

Amin'ny 22 jona 2019 ny lalao voalohany amin'ny CAN hatrehin'ny Barea, lalao ifandonany amin'i Guinée.

 

Publié dans Sport

Zandary miasa ao Maevatanana izy ireo, ary teo amin'ny RN4 Ambalanjanakomby no tratra ny 7 jona lasa teo.

Ny ampitson'ny nahatrarana azy ireo ihany dia nosoniavin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny fanomezan-dalana hanenjehana azy telo lahy (ordres de poursuite).

Tsy natolotra ny Fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany Maevatanana izy ireo ho fiarovana azy ireo manoloana ireo olona nataon'izy ireo famotorana ka gadra, ka sao mamaly faty ao am-ponja.

Nentina any Mahajanga izy ireo kanefa tsy mbola voaray fa misy paikady arahana ao amin'ny Fampanoavana.

Tazomina ao amin'ny "cellule" ao Mahajanga izy ireo amin'izao mandra-piandry izany.

Publié dans Vaovao

Nijanona ity taxibe iray, ka nisongona azy ity fiara iray, samy afaka nandeha na ilay fiara nisongona, na ilay scooter nifanena taminy, fa dia nibahana teo ampovoan-dalana ilay moto. Samy afaka anefa ary tsy nisy nifampikasoka, fa samy lasa.

Nijanona noho ny fitohanana ity fiara, ka nidina nandeha tongotra ity mpitondra moto, navelany teo ampovoan'ny arabe ny moto, izay niteraka fitohanana, avy hatrany dia ompa variraraka no nataon'ity mpitondra moto, sady maimbo toaka.

Noraisiny ny vozon'akanjon'ny mpamila, ary dia narahany hatrany ny fiara niaraka tamin'ny moto teny aminy, miaraka amin'ny ompa rehetra, sy fandrahonana ho faty.

Nipetraka ny fitoriana an'ity mpitondra moto ity.

 

 

Publié dans Tselatra

Namoahana filazana fikarohana i Ravelohanitra Nirina, solombavambahoaka teo aloha voafidy tao Antsirabe II.

Fivadiham-pitokisana miaro fisolokiana no anenjehana azy.

Kandida tsy miankina, tao Antsirabe II tamin'ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey 2019 teo i Ravelohanitra Nirina.

 

Publié dans Tselatra

Nirongatra ny halatra moto teto Antsirabe tato ho ato. Maro ny fitarainana voarain'ny Polisy mikasika izany. Noho ny ezak'ireto farany dia mpividy moto halatra miisa 5 no voasambotra ary dia hatolotra ny Fampanoavana.

Miainga eto Antsirabe ny halatra, hoy ny Kaomisera Patrick, ary any Bemaha sy Manapa ary Andremebesoa no tena ivarotana ireo moto Cross halatra, satria lavitra any ka tsy atahorana ny hahitan’ny tompony azy. Tsy misy fanovana firy rahateo ireo moto tratra ireo.

Publié dans Vaovao

Nivoaka omaly 13 jona ny didim-pitsarana mikasika ny rotaka nitarika fahapotehana fitaovana sy fandorana foto-drafitrasan’ny orinasa « BASE TOLIARA » tamin’ny 17 aprily 2019.

Sivy mianaka, mponina ao Benetse, Ampototse ary Tsiafanoke no nosamborina tao Toliara, ny 2 mey 2019 noho io raharaha io, ary nampidirina am-ponja vojimaika tao Ankazondrano Fianarantsoa ny 9 mey 2019.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2