Filtrer les éléments par date : mercredi, 12 juin 2019

Nanambara ny teo anivon'ny ministeran'ny serasera ny hanaovan'ny Haino aman-jery rehetra, manerana ny nosy, fanambarana an-tsitrapo, miaraka amin'ireo antota-taratasy nananganana sy ny fahazoan-dalana hisehatra eo anivon'ny haino aman-jery.

Izany dia atao alohan'ny 10 jolay, ary azo alefa paositra.
Dila izay fe-potoana izay, dia andray ny fepetra ny eo anivon'ny ministera ampitsahatra ireo Haino aman-jery tsy manaja lalàna.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Notontosaina androany tetsy amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina ny hetsika fampirantiana, mandritry ny telo andro izay manomboka androany, ny mahakasika ny sampan-draharaha fandrefesan-tany.

Hetsika andihany voalohany ity hetsika ity, izay ahitana valan-dresaka, akoatran'ny fampirantiana izay atao eny an-toerana.

Misokatra hoan'ny daholobe ary tsy misy vidim-pidirana.
Marihina fa ity hetsika ity dia eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nivoitra io androany, nandritra ny fivoriambe nataon’ny Comité de Normalisation tao amin'ny Carlton Anosy – Antananarivo, niaraka tamin’ireo filohan’ny ligim-paritry baolina kitra miisa 21.

Misokatra ny 12 jona ka hatramin'ny 12 jolay 2019 ny fametrahana firotsahan-kofidiana ho filohan'ny FMF (Federasiona Malagasy ny Baolina kitra). Hotanterahina amin’ny 24 Aogositra 2019 ny fifidianana.

Tamin’ny fiandohan’ny volana novambra 2018 no efa nokasaina natao ny fifidianana filohan’ny FMF saingy tsy tanteraka noho ny tsy fahatrarana ny fetr’isa sy ny disadisa tamin’ny mpifidy sy ny mpikarakara fifidianana, talohan’ny nanendren’ny FIFA ny Comité de Normalisation. Sivy ny kandida tamin’izay, saingy nisy niala an-daharana.

 

Publié dans Sport

Tratra ny Zandary mpanao fikarohana heloka bevava eto Toamasina i Ruffin Ramaromisa, 34 taona, isan'ireo telo lahy nisoloky mpandraharaha lavanila tao Sambava ny 05 mars 2019 teo. Vola 800 tapitrisa Ariary no lasan'izy ireo nandritra izany tamin'ny fampiasana taratasim-bola efa tsy miasa eo anivon'ny banky voatondro tamin'izay.

Ny roa lahy efa voasambotra tao Soanierana Ivongo sy teto Toamasina, fa i Ruffin kosa nitsoaka tamin'izay fotoana izay. Niazo an'i Mandritsara izy ary namonjy an'Antananarivo avy eo, ary tao Antananarivo izy no tratra.

Nahitana vola sandoka 20 000 Ariary maromaro koa tao aminy tamin'ny fotoana nahatrarana azy. Teo koa ny taratasy mitovy habe amin'ny vola 20 000 Ariary izay entin'izy ireo misoloky mpanangom-bokatra fanondrana.

Publié dans Vaovao

Fiara Sprinter iray no nandravarava ka niditra an-trano teo amin'ny tsena Ambodisatrana ny alin'ny talata 11 jona 2019.

Nitsoaka ny mpamily taorian'ny loza ary mbola tsy hita hatramin'izao. Tsy mbola fantatra ihany koa firy ny isan'ireo olona tao anaty fiara tamin'ny nitrangan'ny loza fa samy tsy nisy hita avokoa.

Ny tena nanaitra ny mponina dia ity toerana izay vao telo volana lasa no nidiran'ny fiara tahaka izao, izay nahafaty tsy tra-drano tovolahy iray, dia izao nidiran-doza izao sahady.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tontosa ny maraina teo ny famindram-pitantana teo amin'ny sampan-draharaham-paritry ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankaratra.

Ankehitriny dia i Andriampeno Harinavalona Georges no voatendry hisolo an'i Raherinandrasana Tarcisus, Talem-paritra teo aloha.

Olom-baovao eo amin'ny tontolon'ny serasera ny Tale vaovao raha notarafina tamin'ny fandraisam-pitenenana fohy nataony, saingy filoham-paritry ny Freedom, antokon-dRtoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina kosa no nahafataran'ny maro azy, ary mpandraharaha ihany koa.

Nanambara ny fahavononany hampandroso an'i Vakinankaratra i Andriampeno Harinavalona Georges, eo amin'ny tontolon'ny fifandraisana sy ny kolontsaina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Foano any Bianco, Samifin, CENI, ONE sy ireny rafitra appendice na notovatovanana misalovana asana ministera ireny.

Rohay any izany CITES izany.

Ny rafi-pitsarana no avaozina, tsy tokony io HCC io no andrim-panjakana fa tena fahefana fitsarana mahaleo tena, toy ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalàna.

Atao concours avokoa ny DG midina, fa tsy atao nomination politique.

Soloy carte bleue io vola maloto voretra feno kolikoly io, hiakatra 75% ny mpandoa hetra fa tsy 15% ohatr'izao fotsiny. Hiakatra avo 5 heny ny teti-bolam-panjakana. ka raha 8 000 miliara ariary izy ankehitriny dia ho lasa 40 000 miliara ariary.
Hiditra amin'ny ara-dalàna avokoa ny rehetra hatramin'ny mpivarotra amoron-dalana.

Publié dans Economie
mercredi, 12 juin 2019 08:40

Banky KGB

Amin'izao dia izay mpanao politika rehetra, fonctionnaires ambony, DG na directeur na cadre ambony orinasa dia antsoin'ny banky hoe "Client sensible", ka dia arahi-maso avokoa ny kaontiny amin'ny banky, na ny miditra na ny mivoaka.

Misy kaomisionina manokana mihitsy ao amin'ny banky mijery izany ary mandefa ny momba ny mouvement bancaire rehetra any amin'ny fanjakana.

Na vola kely aza dia mety hitakiana justificatif.

Publié dans Editorial