Filtrer les éléments par date : mardi, 28 mai 2019
mardi, 28 mai 2019 21:01

Fikajiana ny isan'ny seza

Raha seza tokana no iadiana, dia izay mahazo vato ambony no tonga dia lany.

Raha seza 2 no iadiana dia:
Calcul proportionnel au plus forte moyenne

Ohatra: Fianarantsoa I
Suffrage exprimé na vato manankery (totalin'ny vato rehetra azon'ny kandida rehetra):15254
Ird:6104
Tim: 2254

Publié dans Politique

Nisy androany ny andian'olona nidina andalambe sady nilanja sorabaventy naneho tsy fahafaliany manoloana ny hosoka sy fanodinkodinana voka-pifidianana.

 

Publié dans Tselatra

Nisokatra avokoa ireo birao fandatsaham-bato rehetra miisa 25 388 ny andron’ny fifidianana. Nisy, hoy ny teo anivon’ny CENI, ny fahatarana teo amin’ny fisokafan’ny birao fandatsaham-bato maromaro.

Tao amin’ny Kaominin’i Beraketa, ao amin’ny Distrikan’ny Maintirano, no tara indrindra tamin’izany, satria tamin’ny 10 ora sy sasany maraina vao nisokatra ny biraom-pifidianana. Izany dia noho ny fakana ireo entana nampiasaina nandritra ny latsa-bato.

 

Publié dans Vaovao

Ny voka-pifidianana solombavambahoaka tao amin’ny Distrikan’Ambohimahasoa no voaray voalohany teo anivon’ny CENI foibe, nanaraka azy ny tao amin’ny Distrika Antananarivo faha-6, Toliara I, Antananarivo Avaradrano …

Araka ny fanazavan’ny CENI dia hatramin’ny 1 jona 2019 no fara-fanaterana ireo voka-pifidianana rehetra avy amin’ny biraom-pifidianana rehetra eny anivon’ny SRMV eny amin’ny Distrika. Manana hatramin’ny 2 jona kosa ny SRMV handefa ny voka-pifidianana rehetra mankany amin’ny CENI.

Ny 15 jona 2019 no vinavinain’ny CENI hamoahana ny voka-pifidianana feno vonjimaika tamin’iny fifidianana Solombavambahoaka iny.

 

Publié dans Tselatra

Miaiky ny CENI fa naharay fitarainana maro ny mikasika ireo mpifidy tsy voasoratra tao amin’ny lisi-pifidianana. Antony telo no azo anazavana izany, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Rakotonarivo Thierry.

Namafa avy hatrany ireo fisoratana anarana miverimberina ny « opération de dédoublonnage » izay nataon’ny CENI nefa kosa mitazona ny fisoratana anarana any amin’izay adiresy nisoratan’ilay mpifidy farany. Marobe amin’ireo mpifidy, hoy Rakotonarivo Thierry, no misoratra anaty lisi-pifidianana any amin’izay adiresy hafa ankoatra ny fonenany amin’izao fotoana.

Publié dans Tselatra

Araka ny antontanisa voarain’ny CENI dia 31% ny taham-pahavitrihana ankapobeny vonjimaika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka notanterahina ny alatsinainy 27 mey 2019, nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Ny Distrikan’Ankazobe sy Ambovombe no ambany indrindra : 10% raha toa ka ny Distrikan’Ambositra no manana mpifidy nandatsabato be indrindra : 56%.

 

Publié dans Tselatra

Nivory ireo kandida depiote miisa 13 eto Mahajanga I androany maraina. Nifanaraka izy ireo taorian’ny fandinihana ny zava-misy fa tsy hanaiky ny voka-pifidianana ka hangataka ny fanafoanana iny fifidianana iny noho ny antony : "hosoka tamin’ny lisi-pifidianana".

Hametraka fitoriana izy ireo rahampitso ary samy hiantso ny mpomba azy avy ireo kandida amin’izany.

 

Publié dans Tselatra

Teo am-piaingàna hihazo an’i Istanbul no nirehitra tampoka ny « réacteur » iray tamin’ilay fiaramanidina mpitondra entana. Efa nisahotaka ny olona teo an-toerana, omaly alahady maraina nahita sy nandre feon-javatra nirefotra.

Tafajanona ara-potoana ilay fiaramanidina ary nieren-doza.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 28 mai 2019 10:27

Iza no tonga nifidy?

Isan'ny voasoratra: 621

Tonga nifidy: 59
Vato fotsy sy vato maty: 2
Vato manankery: 57

Tahan'ny fandraisana anjara 09.50%

Vato azon'ny kandida A: 28 (28/57x100= 49.12%)
Vato azon'ny kandida B: 13 (22.81%)
Vato azon'ny kandida D: 16 (28.07%)

Lany Solombavam-bahoaka ny kandida A; apoaka champagne.

Rehefa tena atao anefa ny kajy ny fitiavam-bahoaka azy hitondra ny teniny dia

Kandida A: 28/621 x 100 = 4.51% n'ny vahoaka no mankatoa azy.

Publié dans Editorial

Notontosaina ny alatsinainy 27 mey ny fifidianana solombavam-bahoaka eto Madagasikara.

Nilamina tamin'ny ankapobeny raha ny fizotran'ny fifidianana, ary dia hita fa ambany dia ambany ny taham-pavitrihina tamin'ity indray mitoraka ity.

Nanao ny fanarahamaso ireo vondrona iraisam-pirenena izay niaraka tamin'ny filohan'ny CENI nitety ireo birao fandatsaham-bato teny Atsimondrano.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2