Filtrer les éléments par date : dimanche, 19 mai 2019

Nanome fandraisana anjara fanomezana hanaovana iftar ho an'ny mpino silamo teto Mahajanga ao anatin'izao volana Ramadany izao ny faritra Boeny, izay notarihan'ny lehiben'ny Faritra.

Teto amin'ny Mosquée du Vendredi no nanolorana izany omaly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tsy nanaiky ny hanolotra ny miaramilany izay voarohirohy ho nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-basy, ka nitifirana nahafaty ilay mpikirakira lavanila, nitranga tao Tsararivotra Fokontany Ambodisatrana 2, ny alin'ny 28 aprily 2019 lasa iny.

Henjana ny raharaha amin'izao satria tsy sahy hitsofoka any amin'ny Toby miaramila 711, kaompania Amborinala ny avy amin'ny Zandarmaria izay niandraikitra ny famotorana, na dia efa nahazo alalana avy amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha aza.

Publié dans Vaovao

Atsy Maorisy hatry ny zoma tolakandro ilay mpanakanto sady mpamoronkira Pierrot Matatana. Ao amin’ny Clinique Fortis Darne ao an-tananan’i Floréal izy manohy ny fitsaboan-tena.

Tratry ny tsy fahasalamana tampoka i Pierrot Matatana tamin’ny fiandohan’ny volana aprily 2019. Niditra hopitaly tao amin’ny Befelatanana Antananarivo, sampana “Cardiologie” tamin’izay. Efa mihatsara ny fahasalamany na izany aza mbola mila fanaraha-maso sy fanohizana ny fitsaboana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Indépendamment de la Jirama, elle annonce que dû au retard d'approvisionnement du carburant, l'électricité sera coupée à partir de midi ce dimanche dans la ville d'Ambilobe, faritany Antsiranana.

 
Publié dans Fil info

Misy fahatarana ny famatsiana solika ny tobim-pamokarana herinaratry ny JIRAMA eto Ambilobe. Tsy miankina amin'ny JIRAMA ny antony raha ny fanazavana.

Vokatr'izay dia hisy fahatapahana ny famatsiana jiro anio alahady manomboka any amin'ny mitatao vovonana any.

 
Publié dans Tselatra