Filtrer les éléments par date : samedi, 18 mai 2019

A un moment de sa vie, chacun pourrait avoir fait "des conneries", certaines sont moins importantes, d‘autres seraient inacceptables, pour ne pas dire bannies par la société et sûrement condamnées par la loi.

Mais a-t-on un droit pour une seconde chance ? Celle-ci, la majorité des politiciens malagasy ont eu la leur à travers la « feuille de route » de la Réconciliation nationale, évidemment elle ne fait pas gratuitement !

Derrière la réconciliation existe une …compensation ! Car dans le milieu politique africain comme malagasy, tout se monnaye, donc une réconciliation qu’elle qu’en soit la cause (rixes, pillages, guerre civiles, génocides, …) se conclue par une réparation sous d’autres cieux ou dans d’autres Etats, cela se dénomme « dommages et intérêts ».

Mais le hic dans notre patrie bien aimée les caisses de compensation sont vides !!!

Vides parce que l'Etat rechigne de mettre la main dans sa poche ou plus exactement son trésor … public afin de sortir un denier, il attend les partenaires financiers : l'ONU, UE, SADC, … pour payer à sa place !

Publié dans Editorial

Nisokatra ofisialy androany 18 mey 2019 ny « Fihariana » izay fandaharanasa nasionaly ho an’ny fandraharahana.

Misokatra ho an’ny tanora sy ny vehivavy manerana an’i Madagasikara, izay maniry hanangana na hanitatra ny orinasany ka hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ity fandaharanasa « Fihariana » ity.

Manana petra-bola 200 miliara Ariary ny fandaharanasa ankehitriny, izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antokoa toy ny SONAPAR sy ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana (BAD). Ny BNI sy BOA no banky hiara-hiasa amin’ny fanjakana amin’ny fampindram-bola ireo tetikasa voafantina ka 1 tapitrisa hatramin’ny 200 tapitrisa Ariary no famatsiana ho azon’ireo tetikasa ireo.

Publié dans Economie

Tany mirefy 22ha, mitovy velarana amin’ny kianja baolina kitra miisa 16, an’ny fianakaviana Noah Chelugui no nalain’i Daniel Arap Moi, ary nosoratany taminy tamin’ny 1983, izy mbola filohan’i Kenya. Nony taty aoriana dia namidiny tamin’ny orinasa Jaswant Rai.

Nitondra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana, ka nametraka fitoriana i Noah Chelugui tompon’ny tany ny taona 2014. Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny taon-dasa ny mpitory, saingy tsy nanaiky lembenana fa nanohy ny ady ny vadiny sy ny zanany lahy.

Nivoaka ny 17 mey 2019 teo ny didim-pitsarana, manameloka ny filoha kenyana teo aloha Daniel Arap Moi handoa onitra 10 tapitrisa dolara amin’ny fianakaviana tompon’ny tany. 10 tapitrisa dolara no heverina fa vidin’ilay tany ankehitriny rehefa natao ny tombam-bidy.

94 taona i Daniel Arap Moi ankehitriny. Filohan’i Kenya teo anelanelan’ny taona 1978 ka hatramin’ny 2002 izy, ary olona mbola manana ny toerany amin’ny lafiny politika any Kenya.

 

Publié dans Vaovao

Nandray anjara tamin’ny Tagnamaro ny teto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka androany. Polisy miisa 633 no niara-nanadio sy nanentana amin’ny fahadiovana tamin’ity andiany faha-3 ity.

Fanadiovana faobe, fanentanana ho amin’ny fitandroana ny fahadiovana, ary tolo-tanana tamin’ny alalan’ny fanomezana kifafa miisa 100 avy amin’ny Police Urbaine d’Antananarivo ho an’ny Fokotonany Andohatapenaka no natao androany.

Publié dans Tselatra

3,1MW ankehitriny ny herinaratra vokarin'ireo milina mpamokatra herinaratra miisa dimy eto Morondava, raha 2,3MW no ilaina amin'ny fotoana mahabetsaka ny fanjifana na "pointe".

Mihevitra ny Jirama fa voavaha tanteraka ny olan'ny fahatapahan-jiro na delestazy eto en-drenivohitry ny Faritra Menabe, taorian’ny nametrahana sy nihodinan’ny milina mpamokatra herinaratra fahadimy vokatry ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombon'antoka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Mandroseza sy Volisarika indray ny notsidihan'i Lanto Rakotomanga sy ny mpiaradia aminy. Nitafa sy niresaka tamin'ireo mponina tety an-toerana, nampahafantatra ny programa hampihariny ary nijery ny fahorian'ny vahoaka.

Hataotsika manarapenitra ny tsenan'i Mandroseza hoy i Lanto Rakotomanga, kandida eto amin'ny Boriborintany faha II, mitondra ny laharana 01.

Teo koa ireo mpanasa lamba izay mitaraina amin'ny tsy fandehanan'ny rano, ho jerena akaiky izany ary hamboarina farany izay haingana hoy hatrany izy.

Publié dans Politique

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon'ity Zanak'Analalava, kandida ho solombavambahoaka mitondra ny laharana faha 6 ity.

Vory ny olo teto Ambolobozo, Distrikan'Analalava nandray an'i Princia Soafilira.
Nanazava ity kandida ity fa tsy maintsy mitambatra atsika jiaby ampandroso ny faritra misy antsika.

 

Publié dans Politique

Mitohy ny asa soa sy ny fampihelezan-kevitra ataon'ny kandida ho solombavambahoaka Masy Goulamaly, mitondra ny laharaha faha 06 eto Tsihombe.

Tsy misy miala eto, hoy ireo vahoaka izay tsidihina, 27 mey izao ny fotoana hanehoanay ny fankasitrahanay anao hoy hatrany ireo.
Mijery ireo beantitra tena marefo i Masy Goulamaly, ka nanome bodofotsy amin'izao andro mangatsiaka izao.

Efa betsaka ireo toerana izay nahavita rindrina lakilasy sy fiangonana, ka eo amin'ny tafo fanitso 200 isa eo no zaraina hoy ity kandida mitondra ny laharana faha 6 eto Tsihombe ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Loha-lisitra sy solontenan’ny kandida depiote miisa 553 amin’ireo mpilatsaka ho fidiana miisa 810 (68%) no nanao sonia « TOKY NOMENA », dina novolavolain’ny komity ivondronan'ny rafitra 12 misehatra amin’ny fifidianana (CENI, BIANCO, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, FANDIO, Transparecy International, ONG Tolotsoa, Justice et paix).

Dina ifampifehezan’ireo kandida ho Solombavambahoaka, ahitana ireo fitsipi-pitondran-tena irian’ny olompirenena mba hananan’ireo kandida mandritra ny fampielezankevitra sy mandritra ny fifidianana, ary aorian’ny fifidianana..
Fifidianana depiote: Manofana ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato ny CENI

Publié dans Vaovao

Loha-lisitra sy solontenan’ny kandida depiote miisa 553 amin’ireo mpilatsaka ho fidiana miisa 810 (68%) no nanao sonia « TOKY NOMENA », dina novolavolain’ny komity ivondronan'ny rafitra 12 misehatra amin’ny fifidianana (CENI, BIANCO, CNIDH, CSI, SAMIFIN, HCDED, CFM, ROHY, FANDIO, Transparecy International, ONG Tolotsoa, Justice et paix).

Dina ifampifehezan’ireo kandida ho Solombavambahoaka, ahitana ireo fitsipi-pitondran-tena irian’ny olompirenena mba hananan’ireo kandida mandritra ny fampielezankevitra sy mandritra ny fifidianana, ary aorian’ny fifidianana..

Nisy kandida avy amin’ny lisitra faharoa miisa 19 ihany koa nanao sonia.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2