Filtrer les éléments par date : jeudi, 16 mai 2019

Natao tetsy Ankorondrano andrefana ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an'ny reny sy ny zaza ary ireo be antitra.

Izao dia tafiditra ao anaty asa sosialy ataon'i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Anisan'ny vina entin'izy ireo ny ametrahana lalàna hitsonjovana ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an'ny reny sy ny zaza ary ireo be antitra, izay tokony ahazo fitsabonana maimaim-poana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nosafidiana ny tsenan'omby eto Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava, nisantarana ofisialy ny fametrahana «puce électronique» amin’ny omby, androany alakamisy 16 mey 2019.

Natao hamatarana manokana ny omby sy ny fihaviany ity fitaovana ity ary hanarahana ny dian’omby raha sanatria misy mangalatra.

Faritra telo, dia i Bongolava, Melaky ary Menabe no hanombohana ny hetsika noho izy ireo voasokajy ho faritra mena amin’ny asan-dahalo, indrindra amin’ny halatr’omby.

«Puce électronique» 10.000 isa eo no hozaraina amin’ireo faritra ireo amin’izao fanombohana ity tetikasam-panjakana ity izao.

Publié dans Vaovao

Fanomezana natolotry ny Amerikana Avaratra ho an’ny Tafika an’habakabaka tamin’ny volana Aogositra 1988 ity fiaramanidina DC3 ity. Nitondra ireo olo-manankaja sady nanampy betsaka tamin’ny fahatomombanan’ny andraikitra napetraka teo amin’ny mpitandro ny filaminana hampandriana fahalemana ny asany tamin'izany.

Ao amin'ny « Base Aérienne Tactique » (BATAC) Arivonimamo ilay fiaramanidina DC3 amin’izao, ary notokanana ho "Vakoka" tamin’ny 10 mey 2019 lasa teo.

Ny 21 janoary 1989 kosa ny voalohany, ary tamin'ny 29 jona 1996 ny sidina farany nataon'ity DC3 ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan’ireo ambasadaoron’ny firenena vahiny, tonga manatitra ny taratasy fanendrena azy ireo hiasa eto Madagasikara amin’ny filohan’ny Repoblika dia mihazohazo hatramin’izao ny fanendrena ambasadaoro malagasy any ivelany any.

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 13 febroary 2019 ny didim-panjakana manendry ireo ambasadaoro malagasy miisa sivy sy Consul Général roa tany ivelany tany. Tsy mbola misy fanendrena natao telo volana aty aoriana.

Nampodiana ny ambasadaoro tany Etazonia Amerika, izay notendrena hiasa tany nomboka tamin’ny 27 febroary 2018. Nampodiana toy izany koa ny ambasadaoro tany Canada izay notendrena hiasa tany nomboka tamin’ny 17 janoary 2006 ; ny tany Sénégal izay niasa tany nanomboka tamin’ny 19 martsa 2007 ; ny ambasadaoro tao Ethiopia sy solotena maharitra teo anivon’ny Vondrona Afrikanina izay niasa tany nanomboka tamin’ny 05 jolay 2017.

Publié dans Vaovao

Nolaniana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny volavolana didy hitsivolana mifehy ny fandaniambolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taona 2019, araky ny volavolan-kevitra naroson’ny Ministera misahana ny toe-karena sy ny fitantanambola.

Atolotra eny anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ity volavolan-dàlana ity, hijereny ny fifanandrifiany amin’ny lalàna fototra mifehy ny tany sy ny firenena ary havoaka hanankery ho azo ampiasaina avy hatrany aorian’izany.

Heverina ho 5,2% ny fitombon’ny harinkarena faobe ho an’ity taona 2019 ity, ary tsy hihoatra ny 6,7% ny tahan’ny fiakaram-bidy amin’ny ankapobeny.

 

Publié dans Tselatra

Tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny fetin'ny reny, dia makarakara hetsika Festival des jardins ny alliance française Andavamamba.

Misy araka izany ny varotra fampirantiana ireo karazana voninkazo sy ny mety ho manodidina ny zaridaina, misy ihany koa ny fampianarana maimaimpoana ny fomba fikolokoloina zaridaina.

Manome fotoana ny AFT Andavamamba ny 23, 24 ary ny 25 mey ho avy izao hitsidika izany. Marihina moa fa 1 000ariary ny vidim-pidirana. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Nampanantena i Tianarivelo Razafimahefa, Minisitry ny Atitany, raha nivahiny tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra tamin’ny 28 martsa 2019, fa hiverina ny fizarana « Carte grise » sy ny « Permis Biométrique ».

Publié dans A la Une

Nanome toromarika ny Filoham-prenena Andry Rajoelina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly fa tsy ekena intsony ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakana, ary tsy maintsy henjehina araka ny lalàna velona ireo rehetra nanodikodim-bolam-panjakana.

Hiparitaka manerana ny faritra sy ireo seham-panjakana isan-tokony ny avy ao amin’ny Inspection Générale de l’Etat hijery akaiky ny fandaniana teo aloha sy ny fampiasana ny volam-panjakana amin’ity teti-bola vao avy nodinihana ity.

 

Publié dans Tselatra

Hatao ny Sabotsy 18 mey izao io fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana io, hiarahana amin’ireo mpitsabo matihanina avy ao amin’ny « Direction de la Santé et Hygiène » eo anivon’ny tanànan’Antananarivo, ary hisitraka izany ireo tena marefo, araka ny nambaran’ny Delegen’ny boriboritany faha-4, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel.

Atao tsy ho ela koa, hoy ity farany, ny didimpoitra faobe maimaimpoana, izay iraisan’ny Boriboritany enina mandrafitra ny tanànan’Antananarivo.

 

Publié dans Tselatra

Nifarana ny alarobia alina ny fifaninanana baolina kitra diviziona faharoa amin’ny « Prince Mohammed League » any Arabia Saodita, izay hilalaovan’i Andriamahitsinoro Charles Carolus na « Carolus ».

22 baolina matin’i Carolus nandritra ny taom-pilalaovana, ary naha voahosotra azy ho mpamono baolina tsara indrindra.
Tafakatra hifaninana amin’ny Diviziona voalohany ny klioban’ny Ohud Médine ilalaovany amin’ny taom-pilalaovana ho avy.

29 taona izao i Carolus. Lohalaharana ny toerana eny ambony kianja. Isan’ireo 23 lahy notsongain’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy (Barea) hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019 hatao any Egypta i Carolus.

 

Publié dans Sport
Page 1 sur 2