Filtrer les éléments par date : mercredi, 15 mai 2019

Sambany i Madagasikara no hampiantrano ity atrikasa lehibe ity, izay tarihin’ny manam-pahaizana momba ny fampianarana ny teny anglisy avy amin’ny Departemantam-panjakana amerikana, ary misahana ny Faritra aty Afrika.

Mpampianatra teny anglisy miisa 333 avy amin’ny Faritra 22 manerana ny Nosy, araka izany no handray anjara amin’ity Fikaonandoham-pirenena momba ny Fampianarana Teny Anglisy ity, izay hotanterahina eny amin’ny Centre de Conférence Internationale - CCI Ivato ny alatsinainy 20 mey ho avy izao.

 

Publié dans Art et Culture

Androany tamin’ny 5 ora no sarona ireo rongony ireo, nandritra ny fisavana nataon’ny Zandary avy ao amin’ny Poste Avancé Ankaramena ilay fiarabe mpitondra solika taorian’ny vaovao azon’izy ireo.

Avy any Ihosy, ary nokasaina hoentina hiakatra any Antananarivo ireto rongony milanja 700Kg ireto, izay notsinjaraina tao anaty gony miisa 30 nafenina tao anaty fitoeran-tsolika.

Olona telo no tao anatin'io fiara io dia ny mpamily sy ny mpamily mpanampy ary vehivavy iray.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Fanadiovana, fandokoana ireo rindrina ivelany sy anatin’ny efitrano fianarana sy ny solaitrabe ary fanomezana sakafo ara-pahasalamana toy ny koba aina sy vary ireo ankizy mpianatra no nisantaran’ny Foibem-pitantanana ny raharaha Sôsialy sy Politika (DASP) eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika ny asa tagnamaro teo amin’ny EPP Iavoloha androany 15 may 2019.

Nisy ihany koa ny fambolena zanakazo maromaro tao anatin’ny faritry ny sekoly.

Manana efitrano fito ny EPP Iavoloha ary ahitana mpianatra 530.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Sady nahazo tsodrano no notolorana vatsin-dalana mitentina 06 tapitrisa Ariary, avy amin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ary DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière) ireo mpilalao basketin'ny Zandarimaria (GNBC) hiatrika ny lalao fihodinana voalohany amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Madagasika N1A atao any Antsiranana.

Miisa 21 ireo mandrafitra ny delegasiona, izay tarihin'i Jeneraly RAPO, niainga andoany hariva hamonjy ity fifaninanana ity.

 

 

Publié dans Sport

Tao Bemanevika Sambava no nitrangan’ity herisetra ara-nofo ity ny 18 martsa 2019. Lasibatra tamin’izany i Raelisoa Canizia, izay zazavavy kely vao 09 taona monja.

Nitondra takaitra mihitsy ilay zaza, satria rovitra ny fivaviany sy ny lava-bodiny. Ny anadahin-drenin’ilay zaza ihany no nahavanon-doza.

Efa herinandro taty aorian’ny fanolanana vao tsikaritry ny ray aman-dreniny fa hafahafa ilay zaza. Ity farany izay niaritra sy nanafina ny nanjo azy noho ny fandrahonana ho faty nataon’ilay dadatoany, nanolana azy.

Publié dans Sociale

Hisy injeniera indianina roa momba ny angovo azo avy amin’ny masoandro ho avy eto Madagasikara, hanome fanofanana mikasika ny fampiasana « panneaux solaires ».

Hisy ihany koa teknisianina indianina momba ny fambolena hanampy amin’ny famokarana vary malagasy.

Misy ny fitaovana fanaovana « radiothérapie » amin’ny fitsaboana ny aretina homamiadana hotokanana atsy ho atsy.
Mpianatra malagasy maro ihany koa no misitraka vatsim-pianarana omen’i Inde ho an’ireo maniry hanohy fianarana any an-toerana.

Nivoitra ireo androany 15 mey 2019 nandritra ny nanoloran’ny masoivoho vaovao an’Inde, Abhay Kumar, ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Androany ny masoivohon’i Pologne vaovao, Jacek Bazanski, no nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin’ny Filoham-pirenena, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha.

Fanirian’i Pologne ny hampitombo bebe kokoa ny fifandrasaina ara-barotra eo amin’ny Pologne sy Madagasikara, indrindra eo amin’ny fanondranana lavanila.

Vonona hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanomezana fitaovana hampiroboroboana ny vokatry ny fambolena ihany koa i Pologne.

 

Publié dans Tselatra

Manohy ny fitetezana ireo fokontany eto Toamasina I ny Kandida ho solombavambahoaka Irmah Naharimamy, natolotry ny antoko politika Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, laharana faha 8.

Tato amin'ny fokontany Rabenatoandro sy Tanambao5 izy sy ireo mpiaradia aminy nanazava ny vina hijoroany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Mbola ao amin'ny fonjaben’i Tsiafahy i Eddy Maminirina, ilay tanora mpandraharaha fantatry ny maro tamin’ny solon’anarana « Eddy bois de rose » izay nosamborina tamin-kery nigagam-bahoaka teo amin’ny « parking » ny toeram-pivarotana goavana La City Ivandry-Antananarivo ny tolakandron’ny 12 febroary 2019.

Folo andro lasa izay dia nentina namonjy hopitaly i Eddy Maminirina, noho ny antony ara-pahasalamana, nandalo ihany izany fa naverina avy hatrany ao Tsiafahy taorian’izay.

Publié dans Tselatra

Fitakiana ny hamoahana io datin’ny taom-piotazana lavanila io, manoloana ny fitarainan’ny tantsaha mpamboly amin’ny afitsoky ny mpangalatra, no isan’ny nampidirana am-ponja an’i Ali Sarety, filoham-boninahitry ny fikambanana « Zanak’Ambanivolo Miray » nanomboka tamin’ny zoma 10 mey 2019 teo.

Namoaka daty ny fanjakana omaly, fa dia hisokatra amin’ny alatsinainy 20 mey 2019 ny taom-piotazana lavanila amin’iny faritra Sambirano iny.

Etsy ankilany, mitaky ny hamoahana an’i Ali Sarety ny « Zanak’Ambanivolo Miray », satria amin’izy ireo dia fanendrikendrehana noho ny fijoroany hiaro ny tantsaha amin’ny afitsok’ireo « mafia » lavanila fotsiny no nampidirana am-ponja azy, ka tsy hihemotra amin’izany fitakiana izany ny mpikambana, ary hataon’izy ireo isan’ambaratonga mipaka any amin’ny filoham-pirenena izany fitakiana izany.

Maro hoy izy ireo no mahatsikaritra fa efa manitra lavanila ny tranon'ireo olona ambony eto an-tanàna nefa ny fotoam-piotazana mbola tsy misokatra.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3