Filtrer les éléments par date : vendredi, 05 avril 2019

Hifantoka tanteraka amin'ny hetsika izay karakarainy ny tarika MAHALEO, hoy Bekoto mpikambana ao anatin'ny tarika, fa tsy hiditra lalina amin'ny resaka tsaho izay nanadala ny saim-bahoaka tamin'iny herinandro iny, izay mahakasika ny filazana ny fahatesan'i Fafah, izay vaovao tsy marina, fa dia andraikitry ny ministera misahana izany no manao ny fanadihadiana.

Hanao fampisehoana goavana ny tarika MAHALEO ny alahady faha 5 mey ho avy izao, izay atao ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Fampisehoana izay karakarain'ny Canal 7event izy ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Olona efatra no trahatehaky ny mpanao famotorana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena raha nanao taratasy hosoka mitondra ny sonia sy fitomboka avy amin'ny ministeran'ny varotra.

Marihina moa fa vy no saika avoakan'ireto mpanao asa ratsy ireto raha tany Toamasina no tratra ilay atidoha nikotroka ka nanondro ireo telo ambiny.

Nametraka fitoriana ny avy eo amin'ny ministeran'ny varotra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Miisa 52 ireo vehivavy Malagasy niasa tao Koweït, niantso vonjy fa nijaly tany an-tananin'olona, no tonga an-tanindrazana. Ampahany faharoa ireo fa mbola misy andiany farany 26 tokony ho avy rahampitso sabotsy izao.

Tokony ho 76 izy ireo no ho tonga, fa noho ny olana sy sakana isan-karazany dia mbola miandry ny fahatongavan'ireo ampahany hafa miaraka amin'ireo delegasionina nirahan'ny Filoha Andry Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nosokajian'ny avy ao amin'ny Kaompanian'ny Zandarimaria fa amin'ny Faritra 22 eto Madagasikara dia i SAVA no tena matetika ahitana lozam-pifamoivoizina betsaka.

Saika tsy fitandremana avokoa ny anton'izany ary miampy ny tsy fananana fahazoan-dalana hamily, ary raha fiara dia taingim-be.

Nidina ifotony ny Lehiben'ny Kaompanian'ny Zandarimaria Sambava, izay mifehy hatrany Andapa, ny Kapiteny Raharimandina Maguy sy ny ekipany nanentana ny olona amin'ireo vohitra hita amin'ny lalana Sambava-Andapa mahakasika ny lalànan'ny fifamoivoizana.
Ary nanentana azy ireo ihany koa mba handà ny kolikoly izay mety ataon'ny Zandary.

Tanàna efatra no vita omaly dia tao Antahorana-Ambohimalaza-Antsahalalina ary Ambodiampana Lokoho.

 

 

Publié dans Vaovao