Filtrer les éléments par date : mardi, 30 avril 2019

Nisy androany ny fiaraha-midinika sy fifanakalozan-kevitra nifanaovan'ny vondron’ny mpampiasa avy ao amin’ny sehatra tsy miankina (GEM, FIVPAMA, GEFP, SIM) sy ireo sendikan’ny mpiasa tao amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra niaraka tamin'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina.

Publié dans A la Une

Nifamotoana tao amin'ny efitrano malalaky ny Faritra SAVA ireo mpikirakira lavanila izay manana trosa amin'ireo mpandraharaha lavanila miisa 34 ary trosa hatrany amin'ny 180 miliara Ariary.

Miangavy ny fitondram-panjakana ireto mpikirakira lavanila ireto : ''mba tsy omena fahazoan-dalana hiala eto Madagasikara ireo mpandraharaha rehetra izay anananay trosa lavanila, aoka ihany koa mba tsy hahazo hanohy ny fotodrafitr'asa lehibe izay hatsangan'izy ireo raha tsy voaloa ny trosanay.

Publié dans Economie
mardi, 30 avril 2019 20:16

Solika: Tsy mihetsika ny vidiny

Araka ny loharanom-baovao samihafa dia tsy mbola hisy fiovana ny vidin-tsolika eny amin'ireo toby mpaninjara solika.

Miandry fihaonan'ny filohan'ny Repoblika sy ireo mpandraharaha mpanafatra solika, araka ny voalaza tamin'ny alahady 28 aprily tao amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina.

Vidin-tsolika ankehitriny, efa nihatra hatramin'ny 4 desambra 2018:

Lasantsy : 4200 Ar
Gazoala : 3550 Ar
Solitany : 2630 Ar

 

 

Publié dans Tselatra

Nandray fepetra ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena noho ny fitokonana lavareny nataon’ny mpiasan’ny Kaominina Antrsirabe. Nisy ny fanerena ny hamoahana ny fiarabe mpitatitra fako ary efa nisy ny « Service minimum » ataon’ny mpiasa amin’izao fotoana noho ny fifampiresahana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana, ary dia nitohy ny fanaraha-maso ireo mpiasa miasa ao amin’ny Kaominina amin’izao fotoana.

Tanjona ny hitazomana ny fahadiovana raha ny nambaran’ny lehiban’ny Zandary satria efa diso miparitaka loatra ny fako eran’Antsirabe, ary ankoatra izay dia efa nihoatra ny 2 000 mahery ny taratasy filazam-pahafatesana sy fahaterahana tsy voarakitra anaty boky ka nahatonga ny fanerena ireo mpiasa mba hiasa izany.

Hatreto dia milamina aloha ny mpiasa saingy mbola mitohy ny fitokonana na izany aza, satria mbola mitaky ny vola karamany ireo mpiasa.

Publié dans Vaovao

Ny lamasinina manana hafangainam-pandeha hatrany amin'ny 300Km/h eo no antsoina hoe TGV.

Antananarivo - Mahajanga izany dia vitaina eo amin'ny 2ora eo.
Ny fananana an'ireny dia zavatra goavana ho an'ny toe-karena satria manamora sy manafaingana ny fivezivezen'ny olona sy ny entana.

Ny rame iray mahazaka 500 olona dia eo amin'ny 30 millions d'euro eo (120 miliara ariary), ka raha mila 5 izany ny ligne iray dia 150 millions d'euro.

Ankoatran'ny fanamboarana ny lalamby sy ireo tetezana ary tonelina handalovany.

Ny TGV any Maroc, voalohany taty Afrika, dia mirefy 200Km, 12 rames duplex, 2 milliards euro ny vidiny (8 000 miliara ariary - raha 6 000 miliara ariary ny tetibolantsika manontolo).

Izany hoe 10 millions euro isaky ny Km, raha 20 millions euro ny vidiny any Frantsa.

Ny Frantsay no namatsy ny 51% ny vola izay averina.

Publié dans Editorial

Nanao fanambarana ny Randrambao sendikaly (CTM-SSM) milaza fa mafanafana ny tontolon-tsendikaly noho ireo sendikalista atao antsonjay toy ny ampidirina am-ponja, roahina, afindra toerana sy atao tsinontsinona. Ao koa ireo mpiasa iharan’ny fanararaotan’ny mpampiasa. Nanao fanamarihana ihany koa ny Randrambao sendikaly fa tapitra ny telovolana voalohany iasan’ny fitondrana ankehitriny nefa indrisy « voahilika tsy laharam-pahamehana ny fanatsarana ny karaman’ny mpiasa izay tena antom-pahavelomantsika ».

Tanterahina mandritra ny roa andro, ny alatsinainy sy talata 30 aprily ao amin’ny Hotel Colbert ny adihevitra andatabatra boribory, iarahany amin’ny mpiaramiombon’antoka sy ny mpanao politika, iadian-kevitra mikasika ny karama farany ambany ho an’ny mpiasa rehetra tsy ankanavaka sy ny fampitoviana ny mari-karama ho an’ny mpiasam-panjakana ; ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpiasa-tena (Code de prévoyance sociale) ary andinihana ireo mpiasa EFA, ECD, ELD, EMO ary ny mpiasa amin’ny Kaominina sy ny Distrika.

Publié dans Vaovao

Tonga omaly alatsinainy maraina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo fonosana lehibe miisa 252 misy ireo antontan-taratasin-datsabato hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka, izay natonta tatsy Afrika Atsimo.

Ny famokarana sy ny fitaterana ireto antontan-taratasin-datsabato ireto dia notohanan'ny kitapom-bola SACEM (Soutien au Cycle Électoral de Madagascar).

Hapetraka amina toerana fitahirizana azo antoka ireto fitaovana ireto mandra-pahatongan'ny fotoana izay efa napetraky ny CENI foibe hanapariahana ireo fitaovana isaky ny biraom-pifidianana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
mardi, 30 avril 2019 08:44

Antaninarenina: Foara ho an'ny boky

Notontosaina omaly alatsinainy29 aprily, tetsy amin'ny zaridaina Antaninarenina, ny foara ho an'ny boky andiany fa 15.

Tonga nanotrona sy nanokatra izany tamin'ny fomba ofisialy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.

Manodidina ny roampolo eo ho eo ny trano eva mampiranty sy mivarotra izany boky izany, izay ahitana karazana boky maro toy ny baiboly, fampianarana amin'ny ankapobeny.

Hifarana ny sabotsy 4 mey izao ity Foara ho an'ny boky ity.

 

Publié dans Art et Culture
mardi, 30 avril 2019 08:42

30 avril: Jazz

30 avril: Journée Internationale du Jazz.

 

Publié dans Fil info
mardi, 30 avril 2019 08:39

30 avril: Mobilités et Accessibilité

30 avril: Journée Mondiale des Mobilités et de l'Accessibilité.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2