Filtrer les éléments par date : lundi, 29 avril 2019
lundi, 29 avril 2019 21:03

Mozambique: Kenneth a fait 38 morts

Le cyclone Kenneth, avec un vent de 300km/h, emportant une très fortes pluies, a fait 38 morts depuis son entrée dans le nord de Mozambique jeudi 25 avril à ce jour.

L'Institut mozambicain de gestion des situations d'urgence (INGC) enregistre ce lundi 29 avril à 39 blessés et 35 000 habitations endommagées.

La ville de Pemba, capitale de la province du Cabo Delgado, est sous l'eau actuellement.

L’ONU a annoncé le déblocage de 13 millions de dollars de son fonds d’urgence.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Hier dimanche 28 avril 2019 vers 13h, à la fin de la prière, des assaillants, venus à moto ont tiré sur la foule. Le Pasteur a succombé avec 4 autres personnes.

L'Eglise se trouve dans une ville paisible de Silgadji à 60km de Djibo, chef lieu de la province de Soum dans le nord du Burkina Faso.

 

Publié dans Fil info

Vita androany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Iouri Garisse Razafindrakoto, Tale jeneralin’ny hetra teo aloha sy Atoa Germain, Tale jeneraly vaovao.

Nanambara ny Tale jeneraly vaovao fa vonona ny hanohy ny fanovana natomboky ny Tale jeneraly nodimbiasany toerana izy amin’ny fampitomboana ny hetra miditra amin’ny kitapombolam-panjakana.

Nilaza i Germain fa ny mangarahara no hitantanany, ao anatin’ny fanajana ny fahaiza-mitantana. 


(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Poa-basy ny misasaka alin’ny 28 aprily 2019 no nanaitra ny manodidina ka tsy nisy sahy nivoaka fa niantso nampandre ny mpitandro filaminana.

Tao Tsararivotra Fokontany Ambodisatrana 2 - Sambava no nisehoan'ity fanafihana ity ka nahafatesana tovolahy iray voatifitra teo ambava-fo sy nahaverezana vola.

Tao anaty ranomaso no nijoro vavolomeblona noho ny tranga nanjo azy ny renim-pianakaviana, vady navelan'ny maty hoe : ''vao nanozongozona ny vararavan-trano ireo jiolahy dia efa nanaitra ahy tamin'ny toromaso ka avy hatrany namoha ny vadiko aho fa misy olona mitady hamaky trano izany.

Vao nifoha izy ka hanatona dia efa nisokatra ny varavarana ary avy hatrany nisy nanosika azy mafy mba hiverina ka nianjera. Tsy nisy alaharo fa hoe aiza ny volanareo ? Dia natoloko ho azy ireo ny kitapoko izay nisy vola teo amin'ny 1,4 tapitrisa Ariary.

Publié dans Vaovao

Nisy rambondanitra (tornade), omaly, nitety tanàna vitsivitsy toa an’Ambohidelahy sy Antanimena, Andohasabe ary Tsarasokitra. Potika hatrany amin’ny 80%-n’ny voly vary. Ny tao Andohasabe ny ampahefatry ny voly voasary sisa tavela.

 

Publié dans Tselatra

Raha mandeha ny fiarakodia, dia ny kodiarana (pneu) no fitaovana mitondra izany.

Ny motera dia natao fotsiny anodina ny kodiarana, ary ny kodiarana ihany koa no milanja ny vesatry ny fiarakodia rehetra sy ny olona ary ny entana ao anatiny.

Ny kodiarana irery ihany no miantoka ny fipetrahan'ny fiara eo amin'ny làlana.

Kojakoja manan-danja izany ny kodiarana.

Amin'ny ankapobeny, dia mitovy amin'ny felatanana 2 ny velaran'ny gomme n'ny kodiarana 4 mipetraka amin'ny tany, fa rehefa mihodina ny kodiarana dia mifandimby mipetaka amin'ny tany fotsiny ny manodidina ny kodiarana mandram-piveriny amin'ny velarana nipetraka voalohany.

Ka raha te handroso izany ny fiara, dia toy ny felatanana roa no mivohy mamikitra amin'ny tany androsoana.
Raha te hijanona izany ny fiara, dia ny felatanana roa no mamikitra mikiky ny tany mba hijanonana.

Publié dans Editorial

Nivoaka amim-pomba ofisialy ny andihany faha-4 amin'ireo Conseillers Pédagogiques eo amin'ny fanabeazana fototra eto Toamasina I.

Nanome voninahitra izany ny Kandida ho solombavambahoaka eto Toamasina I, Irmah Naharimamy, izay Reny mpiahy ny andihany Vahatra.

Nanentana ireto andihany vao nivoaka ireto izy fa ny fampianarana no isan'ny vahatry ny fampandrosoana ny ankizy sy ny tanora ka aoka hijoro hanao izany adidy masina izany. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Totorebika sy hafaliana no nandraisan'ny mponina sy ireo mpanohana azy an'ity mpandraharaha nirotsaka ho kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III ity.

Mbola tanora tokoa i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, nefa niasa mangina hatrany izy na teo anivon'ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), na teo anivon'ny Boriborintany faha III.
Niomana aho hoy hatrany izy, ary anisan'ny ezaka atao ny hanolotra volavolan-dalàna mikasika ny sosialim-bahoaka, satria dia tram-pahasahiranana ny Malagasy maro.

Iray lisitra moa i Feno Ralambomanana sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira eto amin'ny Boriborintany faha III.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Politique

Mitohy hatrany ny fijerena ifotony ataon’i Lanto RAKOTOMANGA miaraka amin'ireo mpiara-dia aminy eto amin'ny Boriborintany faha II, koa tato Morarano no nanatontosana izany ny herin'andro lasa teo.

Nitafa sy nijery ny fahasahiranana misy ato Morarano ireto farany. Maro tokoa ireo olana izay misy ety anivon’ny fiarahamonina ety.

Raha ny momba ny zaza dia betsaka ireo tsy mandeha any an-tsekoly noho ny fahasahiranana eo amin’ny tokantranon’izy ireo, nanambara ity kandida ho solombavambahoana ity fa Zo ary koa fototry ny fampandrosoana ny fahalalana, koa hampiana ireo zaza handeha any an-tsekoly.

Publié dans Sociale

Mampiavaka an'ity solombavambahoaka teo aloha ity ny fidinana ifotony, tsy akiandry ela, avy dia miasa.

Tamin'ny herin'andro teo tokoa dia nitsidika ny faritra manodidina an'Ambolokandrina i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida solombavambahoaka narotsaky ny Tiako i Madagasikara aty amin’ny Boriborintany faha-II. Anisan'ny fitarainan'ny mponina ny làlana ratsy mihazo ny tanàna ety Ravitoto Ambolokandrina.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2