Filtrer les éléments par date : samedi, 27 avril 2019

Tonga tety Ambohipo ny mpiasan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina, notariahan'i Minisitra Lalatiana Andriatongarivo io maraina ny sabotsy 27 aprily io, nanatontoso ny asa tagnamaro izay atao isaky ny faran'ny volana.

Vao manomboka moa ity ezaka fanentanana hiarahan'ny rehetra mandray anjara ity, ary misy ihany koa ny soso-kevitra andraisan'ny mpianatra na ny mpampianatra, na ny Ray amandrenin'ny mpianatra anjara mavitrika amin'ny ezaka toy izao, mba tsy ho zatra toloram-potsiny, ka izy misitraka ny tombotsoa mivantana toy izao hanaja ny asa izay nandraisany anjara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Nanolotra aro-tanana (gants) miisa 20 sy aro-loha (casque) miisa 20, ho an’ireo mpanao ady totohondry ny Jeneraly Richard Rakotonirina, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ho entina miatrika ny lalaon’ny Nosy andiany fahafolo, izay hatao atsy Maorisy afaka volana vitsy.

Nantitranterin’ny minisitra fa ady no hatrehina ka mila mitondra medaly volamena mody satria « izany no fomba fiasa rehefa miaraka aminy : mandresy hatrany ».

Nanentana ireo solontena Malagasy ihany koa ity Ray mpiahy manokana ny taranja ady totohondry ity ny mba hananan’izy ireo fitondrantena mendrika ka hitondra avo ny voninahim-pirenena.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Nindaosin’ny fahafatesana tampoka tao an-tranony omaly alina noho ny fijanonan’ny fo i Horacio Sala, rain’i Emiliano Sala, ilay mpilalao baolina kitra teratany arzantina maty tamin’ny lozam-piaramanidina ny 21 janoary 2019 teo.

58 taona ny dadan’i Emiliano Sala izao nodimandry izao. Raha ny filazan’ny Ben’ny tanànan’i Progreso, any amin’ny 500 km miala an’i Buenos Aires renivohitr'i Arzantina, dia tsy nahatohitra ny alahelo tamin’ny nahafatesan-janany i Horacio Sala, izay niteraka aretim-po ho azy.

Mpilalao tao amin’ny FC Nantes Frantsa i Emiliano Sala. Hiazo an’i Cardiff misy ny klioba vaovao hifindrany izy no nidoboka tany an-dranomasina ny fiaramanidina nitondra ity tovolahy ity. Mbola afaka nandefa hafatra tamin'ny rainy izy talohan'ny nanjavonan'ny fiaramanidina tamin'ny radara.

Tapabolana taty aorian’ny nitrangan’ny loza vao hita ny faty, tany amin’ny 70 m ambany ranomasina tany amin’ny nosy Guernesey.

 

Publié dans Sport

Lanonana telo sosona no nampiantranoan’ny Distrikan'i Ambanja, Faritra DIANA omaly, dia ny fankalazana ny Andro manerantany iadiana amin'ny Tazomoka sy ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Herinandron' ny Fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ary ny Herinandro Afrikana ho an’ny vaksiny.

“Manomboka amiko ny fandraisana andraikitra hanafoanana ny Tazomoka”, io no lohahevitra ny fankalazana ny Andro manerantany iadiana amin’ny Tazomoka tamin’ity taona ity raha “Ankohonana salama sy vita vaksiny, antoky ny fampandrosoana ny firenena” kosa ny lohahevitra ny fankalazana ny herinandron'ny fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza ary ny Herinandro Afrikana ho an’ny Vaksiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Fanadiovana ny Bazaribe no safidy androany sabotsy 27 aprily, hanamarihana ny « Tagnamaro ».

Vao tamin’ny 6 ora maraina dia efa raikitra ny fanadiovana sy fanalana ireo fakobe. Mitarika izany ny avy amin’ny Distrika, Kaominina ambonivohitr'i Vangaindrano, Delegen'ny serasera sy ny kolontsaina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Aorian’ny fanadiovana ny toeram-piasana dia hanamboatra ny làlana miditra ao amin'ny Lycée Technique Ampasampito anio ny fianakaviamben'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy, anatin’ny hetsika Tagnamaro.

Ny EPP Ambohipo - Antananarivo kosa no hisitraka ny fanadiovana hataon’ny Ministeran’ny serasera sy kolontsaina.

(EPP Ambohipo - Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale