Filtrer les éléments par date : jeudi, 25 avril 2019

Tao Ambatomiady, Distrika Antanifotsy i Andry Rajoelina mivady ny alahady niara-nankalaza ny Paka tamin’ny mpino Katolika tao an-toerana sady nanolotra lakolosy be ho an’ny fiangonana.

Telo andro taorian’ny diany tao an-toerana dia nesorina ny lehiben’ny Distrika, notendrena avy hatrany nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny solony dia Rakotoarisoa Ny Ony Mirana Dina Henintsoa.

 

Publié dans Tselatra

la Haute Cour Constitutionnelle

émet l’Avis que :

Article premier.- La démocratie semi-directe prévue par l’article 5 de la Constitution implique la coexistence d’organes représentatifs comme le Président de la République ou les Assemblées parlementaires et des procédures d’interventions populaires directes comme le référendum.

Publié dans Tselatra

Le Comité National des Observations des élections et éducation des citoyens a envoyé une lettre à la Haute Cour Constitutionnelle ce 25 avril 2019, pour une annulation du décret de convocation des électeurs pour le référendum constitutionnel envisagé par le régime actuel, couplé aux élections législatives du 27 mai 2019.

(Voir Suite Galerie Photo)

Publié dans Fil info

Nanazava ny teti-bola ampiasain’ny Antenimierandoholona ny loholoha Abdirassoul Mourad, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ny Loholon’I Madagasikara io tolak’andro io teo amin’ny lapam-panjakana Anosy.

Nolazain’i Abdirassoul Mourad, izay Kestora misahana ny fitantanana ny ara-bola fa ny vola izay voasoratra ao anaty teti-bola 2019 dia hanatanterahana ny fampandehanan-draharaha sy handoavana ny karaman’ny Loholona miisa 63, mpiasa miisa 560 ary miaramila 107 eo anivon’ny Antenimierandoholona.

Nomarihiny fa raha 33 miliara Ariary no voasoratra tao amin’ny teti-bola 2019 dia efa nanalan’ny Ministeran’ny toekarena sy vola 10 miliara Ariary izany tamin’ny Lalàna fanitsiana ny tetibola (LFR) ka 23 miliara Ariary sisa.

 

Publié dans Tselatra

Nanambara ny Loholona Betiana Bruno, androany, fa mpiasam-panjakana daholo ireo mpiasa miisa 560 ireo ka na foanana aza ny Antenimierandoholona dia tsy maintsy aloan’ny Fanjakana ihany ny karaman’ireo mpiasa ireo. Mametra-panontaniana ihany koa ity Loholona ity fa raha foanana ve ny Antenimierandoholona dia mbola mitombina ny Repoblika faha-IV ?

Nampahatsiahy ny Loholona Rakotovazaha Olivier fa ny taona 2003 raha ho foanana ny Antenimierandoholona dia nitsipaka ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ary mijanona ho didy fakantahaka (jurisprudence) izany. Manome endrika ratsy ny Fitsarana izany raha mifanipaka amin’io ny lazain’ny HCC ato ho ato.

Publié dans Politique

Mpiasa folo mahery eo anivon’ny ORTM (Office de la Radio et Télévision Madagasy) misy ny RNM, TVM ary DIT no mahatsiaro ho niharan’ny fandroahana tsy ara-drariny nataon'ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina izay nandroaka azy ireo tamin’ny asa, taorian'ny Tagnamaro ny 30 martsa 2019, ka hametraka fitoriana eo anivon’ny Filankevi-panjakana (Conseil d’Etat) rahampitso zoma 26 aprily, mangataka ny hampiatonana sy ny hanafoanana ny fampiharana io fanapahan-kevitry ny ministera io.

 

Publié dans Tselatra

Randrianarivony Herimahazo Zo, voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Vohibato ; 

Rakotoarimanana David Emmanuel, voatendry ao Soavinandriana Itasy ;
Rakotoarisoa Ny Ony Mirana Dina Henintsoa ny ao Antanifotsy;
Ravelomary Jean Christian Fetra, voatendry ho lehiben’ny Distrikan’Antananarivo V ;
Ranjakamanana Stephen Weld ny ao Ambohidratrimo.

Voatendry ho Prefet-n’i Maintirano kosa Randriampanala Rivo.

 

Publié dans Tselatra

Tamin’ny taratasy misokatra nataon’i Filoha Marc Ravalomanana, androany, no nampahafantarany fa efa imbetsaka ny tenany no nangataka fihaonana mivantana tamin’ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena, nefa tsy mbola misy valiny izany hatramin’izao. “Ny fangatahako fihaonana voalohany tamin’izy ireo dia tamin’ny 27 janoary 2019, izany hoe : efa telo volana izao tsy nahazo valiny aho, ny ho amin’izay fihaonana izay”.

Publié dans A la Une
jeudi, 25 avril 2019 18:18

Filankevitry ny minisitra

Atoa GERMAIN, voatendry ho Tale Jeneralin’ny Hetra.

 

Publié dans Tselatra

Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny KMF/CNOE-Fanabeazana ny Olompirenena, androany 25 aprily 2019, mangataka ny hanafoanana ny didim-panjakana 2019-790 miantso ny mpifidy amin’ny fitsapankevi-bahoaka momba ny Lalampanorenana amin’ny 27 mey 2019, hanovana ny andininy sasantsany amin’ny Lalampanorenan’ny Repoblika fahaefatra.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2