Filtrer les éléments par date : lundi, 22 avril 2019

Voarohirohy amina tsenan'asam-panjakana momba ny vaksiny, nisy fanodinkodinam-bola hatramin'ny 60 miliara Ariary ny Senatera iray.

Efa nandalo famotorana izy ary miandry fanomezan-dalana avy amin'ny Fitsarana fandravana didy ny fanohizana izany famotorana azy izany sy ny fampitana ny dosie eny amin'ny Fampanoavan'ny Pôle anti-corruption (PAC).

Kolikoky amin'ny resaka fananantany, tamin'ny andraikitra notanany talohan'ny naha Senatera azy kosa, no anadihadiana ilay Senatera faharoa. Efa nisy famotorana natao azy.

 

Publié dans Tselatra

Toerana mahasarika mpizahatany maro ho aty Menabe ny "Allée des Baobabs" miazo ny alan'i Kimony.

Lalana mirefy 5km latsaka no namboarina nandritra ny telo andro izay vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny tsy miankina.

Kaominina roa no ahazo tombony amin'izao dia i Morondava sy Bemanonga.

 

 

Publié dans Tselatra

Voahosotra ho Tompondakan'i Afrika Vondrona B taona 2019 ny Makis Madagascar, sokajy latsaky ny 20 taona eo amin'ny taranja rugby, rehefa nandresy an'i Zimbabwe mpampiantrano 27-25 tamin'ny famaranana.

Publié dans A la Une
Page 2 sur 2