CSB2 Tsihombe: Mianjady ny kere
Maro ireo zaza tsy ampy sakafo eto amin'ny CSB2, Kaominy Tsihombe, Distrikan'ny Tsihombe.
Misy zaza latsaka ny 5 taona, izay tena tratran'ny tsy fanjariantsakafo ato amin'ny Distrikan'ny Tsihombe, no milanja sy arahina maso eto ny fitombon'ireo zaza ireo.
Misy fanampiana ara-tsakafo omena azy ireo.
Manomboka amin'ny 8ora maraina izy ireo no milanja, ankizy miisa 200, ka in-2 isan-kerin'andro no manatanteraka izany, ny Talata sy Alarobia.
200 eo ny milanja Talata, 200 hafa kosa ny milanja Alarobia.
Reraka anefa ireo ankizy ireo, satria efa any amin'ny 2ora tolakandro vao vita ny fandanjana, nefa ireo ankizy sy ireo Reny tsy misakafo mihitsy.
Tagnamaro: Fanadiovana lalana no nanamarika ny teto Toamasina
Teo amin'ny lalana CRJS iny avokoa ny fanadiovana ny asabotsy 30 mars lasa teo, nisantarana ny Tagnamaro.
Efa natomboka kosa tamin'ity herinandro ity ny fanadiovana, miaraka amin'ny FID sy ny ministeran'ny mponina, asa atao isam-pokontany ka olona 150 isam-pokontany mandritra ny 10 andro no atao amin'izany.
(Jereo Sary Tohiny)
Servisy fananantany: Tsy handray baiko ireo mpiasa
Mivoatra ny fitokonan'ny ampahan'ny mpiasan'ny fananantany, milaza ny tsy handray baiko izy ireo.
(Jereo Sary Tohiny)
Pety Rakotoniaina: Voasazy herintaona an-tranomaizina sazy mihatra
Izay ny didim-pitsarana nivoaka androany, rehefa nenjehina ho nikasa hanangana Fanjakana gasy ity filoha nasionalin'ny antoko Tambatra ity.
Tamin'ny oktotra 2018 no nisamborana azy teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 raha nandeha taksiborosy hiazo an'i Fianarantsoa.
Ho an'ireo mpiaradia aminy dia politika ity fanamelohana ity, nanakanana an'i Pety Rakotoniaina tsy hirotsaka hofidiana depiote, Ary koa tsy handraisany anjara amin'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho avy.
Hampakatra ny raharaha amin'ny Fitsarana ambony ny tenany.
Toamasina: Natomboka ny asa fanamboarana fanasan-damba
Nametraka ny vato fehizoro, fanombohana ny famitana ny fanasan-damba etsy Tanambao 5 ny Kandida ho Solombavambahoaka Irmah Naharimamy.
Izao ezaka izao hoy izy, dia tafiditra amin'ny ezaka fahadiovana eto Toamasina voalohany, hisian'ny fahasalamana isan-tokantrano.
Amin'ny maha vehivavy azy, hoy hatrany izy dia sarobidy ny fahadiovan'ny ankanjo anaovana, ka izany indrindra no nanentana azy hanampy ireto vehivavy izay sahirana amin'ny velon-tena fanasan-damba, ary ho fahadiovan'ny manodidina izay hampiasa izao fotodrafitrasa izao.
(Jereo Sary Tohiny)
Toamasina: Lancement officiel de la mise en oeuvre des travaux HIMO/ACT
Le projet HIMO/ACT a été lancé officiellement ce jour dans le District de Toamasina I, au niveau des 116 fokontany.
Plusieurs personnalités ont participé à cette première journée, avec la participation active de la Candidate à l'élection législative du 27 mai 2019, l'ancienne députée, et récemment ministre de la population, madame Irmah Naharimamy.
(Voir Suite Galerie Photo)
Boriboritany Faharoa: Nanao tolo-tanana ny EPP Amabavahadimitafo sy ny sekoly Maneva i Lanto Rakotomanga
Nitohy ny fitsidihana ireo sekoly marefo eto amin'ny Boriboritany Faharoa, ka ny EPP Amabavahadimitafo sy ny sekoly Maneva no nadalovan'i Kandida ho solombavambahoaka Lanto Rakotomanga.
Fotoana iray nahafahana nijery ifotony sy nihainoana ny olana ary ny hetahetan'ireo mpampianatra izany.
Anisan'ny olana sedrain'ireo sekoly ireo ny tsy fahampian'ny fitaovana hoentina manabe ireo ankizy ka itadiavandry zareo fanampiana. Anisan'ny olana ihany koa ny tsy fahafahan'ireo Raiamandreny miantoka ny filàna aratsakafon'ireo zanany.
Tagnamaro Boeny: Hatramin’ny fambolena voninkazo fa tsy fanadiovana ihany
Teny amin’ny tora-pasiky ny Village Touristique no nisantarana ny Tagnamaro ho an’ny faritra Boeny ny sabotsy 30 martsa lasa teo, izay notarihin’ny Prefen’i Mahajanga sy ny Lehiben’ny Faritra mpisolotoerana.
Fiitsimponana ireo fako naparitaky ny olona sy ireo fako naverin’ny ranomasina teny amin’ny tora-pasika no niarahan’ireo mpandray anjara nanao Tagnamaro tamin’izany. Natsitokotoko ny fako voahangona, ka anjaran’ny avy ao amin’ny Kaomina Mahajanga kosa no nanàla ireo fako ireo hariana any amin’ny tobim-pako any Mangatokana.
Nisy koa ny fanadiovana ny toeram-piasan’ireo Zandary eto Mahajanga.
Tolom-panafahana 1947: Vavolombelonan’ny tantara i Rakotoarivelo Daniel
Iray amin’ireo bekotro maro holatra dimy sisa velona, monina eto Mahajanga i Rakotoarivelo Daniel. Tamin’ny fijoroana vavolombelona nataony ny andron’ny 29 martsa 2019, nahatsiarovana ny Tolom-panafahana 1947 no nilazany fa izy dia anisan’ireo miaramila tao amin’ny Tandrokomby Moramanga, nandray anjara tamin’ny tolona 1947 tao anaty alan’i Beparasy.
(Jereo Sary Tohiny)