Filtrer les éléments par date : jeudi, 18 avril 2019
jeudi, 18 avril 2019 19:30

Ampela mijoro: Nifarana ny atrik'asa

Nofarana androany ilay atrik'asa notanterahan'ny Ampela mijoro, vehivavy misy fahasembana, momba ny fampanana asa, izay natao tetsy Analakely.

Nisy ny dihy sy talenta maro nataon'izy ireo namaranana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

I Ampialahy Laurent no misolo toerana an-dRakotoary Jean Chrysostôme, Tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (Office National pour l’Environnement) teo aloha.

 

 

Publié dans Tselatra

Randriamanjarisoa Robert voatendry ho « Préfet » ao Maevatanana, Ramanankirahina Falihery ny « Préfet » ao Miarinarivo, ary Narison Roch Léopoldno voatendry ho « Préfet » ao Antsohihy.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 18 avril 2019 15:00

Fadin-tseranana

Voatendry ho Tale jeneraly i Lainkana Zafivanona Ernest.

 

Publié dans Tselatra

Voaporofo ankehitriny fa natao hanosehana sy hampandaniana ny kandidam-panjakana ny vary mora raha teto Vakinankaratra.

Niharihary izany teto Antsirabe, satria nandray an-tanana ny fitaterana izany ireo kandidam-panjakana ary mampiseho ny maha izy azy mandritra ny fizaram-bary.

Raha ny tao Andranomanelatra moa dia nabaribary ny fikambanana nizara ny vary mora, ary ny ekipan'ny kandida no nizara sy nivarotra izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Voatery nanao fifidianana tsy ara-potoana ireo mponina tao amin'ny Fokontany Antsahorana rehefa nitaraina fa tsy sitrak'izy ireo intsony ny mbola hitondran’ny lehibeny Fokontany, ka nangataka fanavaozana izany.

Nahazo isam-bato betsaka indridra tamin'ny 13 rartsa 2019 Atoa Robaina Jean Louis, ary nahazo fankatoavana ny 01 aprily avy tamin'ny District, izay nosiniavin'i Prefen’i Sambava Bemananjara Boniface, ary nanomboka nandray asa ny 04 aprily 2019 rehefa natolotra tamin'ny fomba ofisialy teo anatrehan’ny vahoaka.

Publié dans Vaovao

Tovolahy kely iray izay voamarina fa avy nijery horonantsary mamoafady no nanafina zazavavy kely manodidina telo taona nanomboka tamin'ny 6ora 30 hariva ny talata teo tao amin'ny Fokontany Antognopahitra, Kaominina Bemanevika, ka afaka adiny roa vao hita ny zaza nahitana ratra.

Niditra hopitaly ilay zaza niharan’ny herisetra ary ahiana ho niharan’ny fanolanana fa mbola mandalo fitsaboana nampiakarina aty Sambava fa tsy voatazona tany ambanivohitra.

Mirongatra ny fanolanan-jaza taty SAVA tao anatin'ny volana roa izay. Teo ilay mpamianatra amin'ny sekoly tsy miankina nanolana zazavavy mpianany vao 12 taona, ilay ankizivavy 9 taona naolan’ny anadahin-dreniny tao amin'ny Kaominina Bemanevika, teo ihany koa ilay tovolahy manana kilema nanolana zaza efa-taona tao amin'ny Fokontany Antsirabe, Kaominina ambonivohitra Sambava.

Fa dia inona loatra no mahatonga izao fanolanana mirongatra aty SAVA izao ?

 

Publié dans Vaovao

Mbola olombelona manam-panahy ihany ve no mahavita an’izao ? Notafihan’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny tokantrano iray alin’ny talata teo. Tsy nijanona tamin’ny fandrobana vola sy fananana ireto dimy lahy nanatontosa ny fanafihana, fa niitatra tamin’ny fanolanana tambabe ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy 22 taona. Notanterahin’ireo jiolahy teo imason’ny raim-pianakaviana izay marary eo am-pandriana.

Ny alin’io fanafihana io ihany dia nisy jiolahy voasambotry ny Fokonolona ary nitohy omaly izany niaraka tamin’ny Zandary Ambatomirahavavy. Voasambotra avokoa izy dimy lahy, izay misy avy any Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano ny sasany.

 

Publié dans Tselatra

Nitsoaka nanavotr’aina sisa azon’ny mpiasa natao nanoloana ny firodorodon’ny andian’olona nanafika sy nandroba ary nandoro ny toeram-piasany tao Ranobe omaly misandratr’andro. Nanapoaka basy ny mpitandro ny filaminana mba hanaparitahana ny olona fa tsy nampihemotra ireto farany izany. Maro ny zavatra simba.

Mitrandraka fasimainty amin’iny faritra iny ny « Base Toliara » na « Toliara Sands » nahafantarana azy teo aloha. Tamin’ny 2012, fotoanan’ny tetezamita, no nahazoany ny fahazoan-dalana ho amin’izany.

 

Publié dans Tselatra

Gaboraraka tanteraka ny miseho amin’izao manoloana ity « Précampagne » amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy ity. Samy manao izay saim-patany ireo kandida manararaotra ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, hany ka ao ny efa manaparitaka ny afisiny misy soratra fidio amin’ny tambazotra sosialy facebook, ao ny mametaka afisy maneho ny endrikendriky ny bileta tokana efa nasiana marika ny faritra asiana ny safidy.

Manginy fotsiny ireo kandida misisika milahatra amin’ny filoha sy minisitra manao asan’ny mpanatanteraka.

Tsy voafehin’ny CENI ny tsy fanarahan-dalàna miseho, manao litania fampahatsiahivana lalàna ihany fa tsy misy mpihaino.

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 2