Filtrer les éléments par date : dimanche, 14 avril 2019

Les travaux concernent 151km de route reliant les régions SAVA et DIANA. Cette portion de la route RN5A sera entièrement bitumée et les travaux dureront 24 mois.

Le projet prévoit la construction de cinq nouveaux ponts au niveau de la RN5A, tandis que dix autres ponts déjà existants seront entièrement rénovés.

Cette route desservira également huit communes à savoir : Marivorahona, Ambakirano, Betsiaka, Maromokotra, Daraina, Madirobe, Ampondra et Vohémar. Au total, 1 700 000 habitants bénéficieront directement de ce projet.

La réhabilitation de la RN5A est le fruit d’un partenariat « gagnant-gagnant » entre la Chine et le Gouvernement malagasy.

L’entreprise chinoise « China Road and Bridge Corporation » (CRBC) prendra en main la réalisation des travaux.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Mazava ny resaka ankehitriny fa fitaovan’ny SECREN Antsiranana ilay “citerne” fefika tao Ilaka-Est, Distrikan’i Vatomandry ny 9 aprily 2019, ka nampiahiahy ny mponina.

Mbola nisy nahatadidy ny mpiasa efa misotro ronono sy mbola amperin'asa raha nahita ny vaovao tamin’ny fahitalavi-panjakana. Raha ny fanazavan’izy ireo dia « chameau pour sauvetage » famonjena sambo dobo an-dranomasina ny asan'io, ka « miangavy izy ireo mba tsy ho simbaina fa ho tonga any ny tompon'andraikitra haka azy ».

Publié dans Vaovao

Ny alarobia 10 aprily 2019 tokony tamin'ny 6ora 30min hariva teo dia nisy olona nitondra entana nampiahiahy niaraka tamin'ny cyclo-pousse. Mpitandro filaminana avy nisakafo hariva no nahatsikaritra izany ka nampandre ny mpiara-miasa taminy avy hatrany fa anjarany ny nanara-maso ny toerana nalehan'ireto.

Olona telo no voasambotra tamin'izany. Ny iray moa mbola tafatsoaka fa ny alin'io ihany dia efa voasambotra satria nisy nahafantatra.

Marihina fa cyclo-pousse izay nindramina tamin'olona hitondrasana marary eny amin'ny hopitaly izao nitondrana rongony izao.

Taorian'ny famotorana natao ireo ny alakamisy 11 aprily 2019 dia efa natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voaloany teto Ambanja izy ireo ; ny rongony kosa dia nodorana, hoy ny Commissaire de Police Ambanja Joseph Saramba.

Noho izany dia nohamafisina ny fisavana ireo cyclo-pousse izay mitondra entana mivezivezy ato amin'ny faritra Sambirano ity.

 

Publié dans Tselatra

Amin’ny andro alina misy oran'andro mikija iny no miditra manapaka ny hazo any anaty ala ny mpangalatra. Tsofa no ampiasain'izy ireo fa tsy famaky hikapana ny hazo mba tsy hanaitra ny olona.

Maro ireo mitady ity vokatra fanondrana ity amin'izao fotoana.

Tsy fantatra hatreto ny manao ny fangalarana na dia mateti-pitranga aza ny hoe ireo mpandraharaha no manirak'olona hanao ilay asa ratsy. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra