Filtrer les éléments par date : vendredi, 12 avril 2019
vendredi, 12 avril 2019 22:04

Befotaka (Sofia) : Leo jadona ny olona

Misy andian'olona mitaraina manoloana ny jadona izay mianjady amin'izy ireo, ka nilanja sorabaventy sy nampiasa fanamafisam-peo.

Fantatra tamin'izany ny fanaovana antsonjay sy famindran-toerana tsy ara-drariny ireo mpiasam-panjakana. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nisy androany ny hetsika tolotanana notanterahina teto amin'ny Kaominina ambonivohitra Manakara, nanangonam-bola ho fanampiana amin'ny fitsaboana an'i Pierrot Matatana, izay tratry ny tsy fahasalamana ka tsaboina ao amin'ny hopitaly Befelatanana Antananarivo.

Hatramin'ny mpitari-posy nandray anjara ho fanohanana an'ity mpanakanto zanak'i Vatovavy Fitovinany ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Halefa eto Toamasina ireo telo lahy gadra nitsoaka tany Maroantsetra ka voasambotra.

Eo am-pakana azy ireo ny mpandraharaha ny fonja eto Toamasina ankehitriny.

Manomboka izao dia ny fanodinkodininam-bolam-panjakana, ny fanolanana, ny halatra taolam-paty, ny fanafihana mitam-piadiana, ny fakana an-keriny, ankoatra ireo trafika harem-pirenena, dia tazomina am-ponja vonjimaika (MD) avy hatrany, hoy ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques teto Toamasina androany.

Tsy nasiany resaka kosa ny amin'ireo mpitsara efatra nahatona tamin'ny asany.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 12 avril 2019 19:24

Toamasina: Jiolahy maty voatifitra

Maty voatifitry ny Polisin'ny FIP androany zoma atoandro i Talata Zafy Patrick, izay isan'ny jiolahy mpanafika kioska eto Toamasina

Tratra androany zoma tamin'ny 04 ora tolakandro koa ny namany iray, mbola karohina kosa ny iray hafa.

Tratra ny basy PA fampiasan'i Talata Zafy sy ny moto scooter fitondrany.

 

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 12 avril 2019 12:45

Fitaterana: Fatiantoka iray lavaka

Betsaka ny miroboka amin'ity asa ity, ary araky ny filaza hatrany dia "matoa manohy dia mahita tombony, raha fatiantoka efa nijanona.

Matoa koa betsaka ny miditra dia afera mety izy zany".

Amantaonany no nanaovako io asa fitaterana io, ary nanana fiara maro niasa tokoa aho, efa ela kosa no nijanona tamin'io.

Nanara-maso akaiky ity asa ity aho nandeha aty Mahajanga.
Izao no hitako:

Saran-dalana: 30 000 ariary Tana - Mahajanga
Nanao solika vao niainga 260 000 ar (60 litres teo)
Tonga teo Maevatanana, nanampy solika 40 000 ar (11 litres teo)
Solika izany 300 000 ar.

Publié dans Editorial

Mandalo sedra ara-pahasalamana mafy ity mpanakanto ity, ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Befelatanana efa herinandro izao.

Tonga namangy azy teny amin'ny hopitaly ny BR (Banjino ny Repoblika) tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneralin'ny antoko, ka nanolotra vola 1 tapitrisa Ariary ho fanampiana azy amin'ny fitsaboana izay ho ataony.

Anisan'ireo mpanakanto izay efa niara-niasa tamin'ny BR i Pierrot Matatagna ary anisan’ireo mpihira maro avy amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany izay nomena sehatra ivelarana tamin'ny alalan'ireo hetsika Be Ready Event.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambanja omaly 11 aprily 2019 ireo dahalo 6 mianadahy, nandray anjara tamin'ny fanafihana mitam-basy ka nandroba ilay teratany Sinoa tao Antanambao-V Ambanja ny alin’ny 19 febroary 2019.

Taorian’ny fanafihana nataon'izy ireo dia nahazo loharanom-baovao ny Polisim-pirenena tao Ambanja fa nisy nitsoaka any Vangaindrano, ary ny 28 martsa 2019 dia tra-tehaka tao anaty fiara manokana ilay Zandary raha hiditra tao Vangaindrano izy ireo.

Naverina tao Ambanja nanaovana ny famotorana ka dia niaiky izy ireo fa atidoha nikotrika iny fanafihana iny. Zandary amperin'asa no lohany, ary ny rahalahiny sy ny zaobaviny, dia nisy miaramila nahavita ''Service légal'', ary nisy mpimasy ihany koa.

Publié dans Vaovao

Raha ny antontanisa (2017-2018) dia misy 478 ny «Préscolaire», nisy mpianatra 73 344 izay nosahanin’ny mpampianatra miisa 209.

2089 ny sekoly «Primaire» nahitana mpianatra 372 562 nosahanin’ny mpampianatra 9 808.

359 kosa ny Kolejy nahitana mpianatra miisa 149 806 teo ambany fiadidian'ny mpampianatra niisa 6 665, ary 138 ny Lycée nisy mpianatra 69 588 nosahanin’ny mpampianatra miisa 3 373.

22 kosa ny isan’ny sekoly ambony Katolika.

 

Publié dans Sociale

Ho fantatra anio zoma 12 aprily alina, aorian’ny antsapaka tanterahina any an-drenivohitr’i Egypta ireo ekipam-pirenena hiray vondrona amin’i Barea Madagasikara.

Ekipa 24 no hifaninana izay ho tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra amin’ity andiany faha-32 ity, ka handimby toerana an’i Cameroun tompondaka farany tamin’ny 2017.

Hitsinjara anaty vondrona miisa enina izy ireo, izay hisy ekipa efatra avy.

Derain’ny maro ny ezaka natao, nahafahan’i Madagasikara tonga amin’izao fandraisana anjara voalohany amin’ny CAN 2019 izao.

"Petits poucets" no isokajian’ny sasany an’i Madagascar, Mauritanie, Burundi, Bénin ary Tanzanie tafita amin’izao dingana famaranana izao.

Tsy tafita hiatrika ity CAN 2019 ity kosa i Gabon an-dry Pierre-Emerick Aubameyang, Togo dan-dry Emmanuel Adebayor ary Burkina Faso.

 

Publié dans Sport

Tovovavy iray, 21 taona, avy any Ambohimangakely - Antananarivo Avaradrano no hita faty novonoina teny Ambohimanga Rova Antananarivo Avaradrano andro vitsy lasa izay.

Nanao ny fikarohana ny Zandary avy ao amin'ny Brigade Ambohimanga Rova izay niara-niasa akaiky tamin'ireo fianakaviana.

Taorian'ny fitsirihana natao tamin'ny finday nampiasain'ilay tovovavy dia hita ny trano fonenan'ilay lehilahy sakaizany ary fantatra araka izany koa ny mombamomba azy rehetra.
Tsy tratra tao an-tranony moa ilay tovolahy ny 11 aprily 2019 ka nojerena teny amin'ny orinasa iray eny Ambohidratrimo ka noraisina fotsiny tao ary notanana natao andrimaso hofotorana.

Hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ny raharaha.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2