Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 mars 2019

Notanterahina teto Sambava renivohitry ny Faritra SAVA ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ho an'ny Faritra SAVA, izay nosantarina tamin'ny diabe (carnaval) namakivavy ny tanàna niazo ny kianja Monisipaly.

''Zo sy andraikitry ny vehivavy amin'ny fampandrosoana", io no nahindrahindra nandritra ny fandraisam-pitenena. Raha ny aty SAVA manokana dia efa misy ny ezaka kely vita toy ny fanaovana trano fidiovana manara-penitra ny Vohémar. Tao Antalaha sy Andapa indray dia fanorenana lakozia ho an'ny hopitaly. Eto Sambava kosa dia hametrahana jiro manazava eny amin'ny fidirana amin'ny hopitalibe Besopaka.

Somary mbola tara kosa ny fandraisana andraikitry ny vehivavy eo amin'ny sehatra politika, hoy ny Lehiben'ny Faritra vonjimaika Sabotsy Samuel satria Ben'ny Tanàna roa ihany no mba vehivavy amin'ireo Kaominina miisa 86 ato SAVA.

Publié dans Sociale

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny FVA (Fikambanan’ny Vehivavy ny Antenimieram-pirenena) ny zoma 8 marsa. Nomarihina tamin’ny fambolen-kazo fihinam-boa sy voninkazo izany teo amin’ny zaridaina maitso ny lapan’ny Antenimieram-pirenena, izany tamin’ity taona ity. 100 fototra no voavoly.

Nanotrona ny hetsika ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimieram-pirenena, Ratsimba Andrianaivo Mamy, izay niloso tena ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena.

Publié dans Vaovao

Nikohizana tamin'ny asa fandrobàna fananan'olona, vono olona sy fitarihina andiana jiolahy, sns, Randrialala Olivier na Liva, araka ny ahafantaran’ny olona azy.

Efa nigadra, saingy nafahan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka tamin’ny 12 aprily 2017 noho ny fisalasalana.

Mbola voarohirohy tamina halatr'omby miisa 80 tao Ambohimena sy fanafihana mitam-basy tao Ambodiatafana ary vono olona nahatsiravina niisa efatra tetsy Feramanga Atsimo ny taona 2018 i Liva, ka natao hazalambo ny fitadiavana azy.

Nanaovan’ny Zandary velam-pandrika ary tratra, saingy mbola nikiry hitsoaka ihany, raha niampita rano teto amin'ny Kafe, dia izao niafara tamin'ny fahafatesany izao tamin’ity andron’ny 8 marsa 2019 ity.

 

Publié dans Tselatra

Ireo andro tsy iasana nefa andraisan-karama amin’ity taona 2019 ity.

 

Publié dans Sociale

Nesorina tsy ho Talen’ny Centre National de Production de Matériels Didactiques (CNAPMAD), Rajaonarivelo Brysola ary nosoloina an’i Andrianjafimparany Ampy Anders.

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manendry ity Tale vaovao ity.

 

Publié dans Tselatra

Ministreran’ny Fampianarana, sy fampianarana ara-teknika ary fanofanana arak’asa : Voatendry ho Sekretera Jeneraly Razafinjato Marie Aurélie Augustine

Mpandrindra ny vondrona politika TGV/MAPAR Fianarantsoa Razafinjato Marie Aurélie Augustine. Efa solombavambahoaka tao amin’ny Distrikan’i Vohibato ary efa Sekretera Jeneralin’ny Primatiora lefitra misahana fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany tamin’ny tetezamita.

 

Publié dans Tselatra

Ministreran’ny Fampianarana, sy fampianarana ara-teknika ary fanofanana arak’asa: Voatendry ho Talen’ny « Curricula sy ny Assurance Qualité » Radavisa Anna Soaseheno.

Efa Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ivato Aéroport teo aloha Radavisa Anna Soaseheno. Misehatra eo amin’ny sosialy izy, anisany ny eo anivon’ny fikambanana « Olom-Pirenena Tompon’Andraikitra » na OPTA.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nofoanana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manendry ny Talen’ny Televiziona Malagasy eo anivon’ny ORTM. Nesorina i Razafimahefa Herinirina Lalao, tsy mbola voatendry kosa ny solony.

Talen’ny TVM nanomboka ny 18 janoary 2012 ka hatramin’ny 19 jona 2014 i Razafimahefa Herinirina Lalao. Naverina tamin’io toerana io indray tamin’ny novambra 2016 ka hatramin’io 7 martsa 2019 io.

 

Publié dans Tselatra

Nofoanana nandritra ny Filankevitry ny minisitra omaly ny didim-panjakana manendry ny Tale Jeneralin’ny OMNIS. Nesorina izany RAKOTOBE RADARSON Voahangy Nirina, izay vehivavy voalohany notendrena tamin’io toerana io hatramin’ny 1975 namoronana ny OMNIS.

Tsy mbola voatendry kosa ny ho solony.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 08 mars 2019 07:40

8 mars

Journée internationale des femmes.

 

Publié dans Fil info