Filtrer les éléments par date : mardi, 05 mars 2019

Ny lalam-pifidianana 2018-008, ao amin'ny andininy faha 83, dia manery ireo kandida ho filoham-pirenena ny ametrahan'ny mpitam-bola ny tatitra ara-bola eo anivon'ny vaomiera fanarahamaso ny famatsiam-bola ny fiainana ara-politika, telo volana raha ela indrindra aorian'ny famoahana ny vokatra ofisialy.

Publié dans A la Une

Notanterahina teny amin'ny DLC Anosy ny herinandron'ny rano, izay notarihin'ny minisitry ny rano androany.

Maharitra hatramin'ny alakamisy izao ity hetsika ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Guy Rivo Randrianarisoa indray no Sekretera Jeneraly vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Andraikitra efa nosahaniny teo aloha. Izy no misolo toerana an’i Heriniaina Razafimahefa.

Fanarenana sy fanavaozana ny fitantanana ny tanàna atao izao no mahatonga izao fanendrena vaovao izao, ary hisy ihany koa ny famindran-toerana, hoy ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana nandritra izany raha nampahafantatra izany ny mpiara-miasa aminy akaiky, androany maraina, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely taorian’ny famindra-pahefana teo amin’ny sekretera jeneralin’ny Kaominina teo aloha, Heriniaina Razafimahefa, sy ny sekretera jeneraly vaovao Guy Rivo Randrianarisoa.

Publié dans Politique

Ora vitsy ihany no nipetraka ny hafalian'ity Tale Jeneralin'ny Nissan-Renault teo aloha ity raha neken'ny fitsarana japoné ny hivoahany vonjy maika ny fonja, amin'ny alalan'ny fandoavana antoka ara-bola 7.9 tapitrisa Euro.

Nanao fampakarana izany didy famoahana vonjy maika izany manko ny fampanoavana japoné, ka dia niantona avy hatrany izany ilay didy famotsorana arahina antoka ara-bola.

Efa tamin'ny 19 novambra 2018 ity tale frantsay ity no notanana ao amin'ny fonjabe Kosuge any Japon noho ny resaka kolikoly, hosoka sy fandosirana fandoavan-ketra.

 

Publié dans Sociale

Rehefa nivoaka antsokosoko ny Venezuela ity lehiben'ny mpanohitra, nanandran-tena ho filoha vonjy maikan'i Venezuela ity, izay nitety ny faritry Amerika atsimo, nandresy lahatra azy ireo hanohana azy, dia nody an-tanindrazana omaly alatsinainy 04 marsa.

Olona marobe no tonga nitsena azy niaraka tamin'ireo masoivoho vahiny manohana azy.
Ireo miaramilan'ny fitondran'i Nicolas Maduro moa dia nihemotra tsy nisambotra ity mpanao politika 35 taona ity.

Mbola manan-kery kosa ny didy fisamborana azy, ary ahiana ho atao sitona am-pandriana lavitry ny maso.

Ny Filoha Andry Rajoelina, tamin'ny fanambarany nivoaka ny alahady 03 marsa moa dia manohana ny filoha nanandran-tena ho Filoha vonjy maikan'ny Venezuela.

 

 

Publié dans Tselatra

Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Ankaramena i Arline Attalah.

Rahavavin’i Béatrice Attalah, filohan’ny CENI-T tamin’ny tetezamita nikarakara ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny 2013, minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, ary filohan’ny « Comité de normalisation » amin’ny baolina kitra ankehitriny.

Lisitra tsimiankina no irotsahan’i Arline Attalah.

 

Publié dans Tselatra

Kandida roa no nifaninana ho filohan’ny Oniversiten'i Fianarantsoa tamin’ny fifidianana notontosaina ny alatsinainy 4 martsa. Nomen’ny mpifidy fitokisana hanohy ny fitantanana ny Oniversiten'i Fianarantsoa ny filoha teo aloha Pr Rafamantanantsoa Fontaine.

Centre Universitaire Régional (CUR) no niandohan’ity Oniversiten'i Fianarantsoa ity tamin’ny 1977-1978 ary taty amin’ny taona 1988 no lasa Oniversite amin’ny endriny ankehitriny.

Publié dans Tselatra

Abdoul Fatah no kandida nifaninana taminy tamin’io toeran’ny filohan’ny Oniversiten'Antsiranana, fifidianana notontosaina omaly alatsinainy 4 martsa 2019.

 

 

Publié dans Tselatra