Filtrer les éléments par date : vendredi, 29 mars 2019

La cérémonie de lancement de la célébration du 20ème anniversaire du Groupement des Entreprises Franches et Partenaires (GEFP) s’est tenue hier jeudi 28 mars à l’hôtel Ibis Ankorondrano - Antananarivo.

« Porter le savoir-faire malagasy au cœur du marché mondial », telle est la devise du groupement. Le GEFP regroupe plusieurs entreprises franches et entreprises partenaires qui opèrent dans plusieurs domaines d’activités, mais principalement dans le textile, le traitement informatique, l’agro-industrie, et tant d’autres ; et œuvre pour le développement économique et la création d’emploi à Madagascar.

Dans cette optique, l’industrialisation et la création d’emploi décent font parties des priorités du gouvernement, ainsi ce groupement constitue un des piliers du développement socio-économique de la Nation malagasy. De ce fait, l’Etat s’engage à améliorer l’environnement des affaires pour promouvoir l’investissement.

Publié dans Economie

Nanao fanambarana ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy manazava ny fandravana « Fanorenana tsy manara-dalàna » teo Behoririka, amin’ny tany antsoina hoe : “TERMINUS DE L’AVENUE CENTRALE DE BEHORIRIKA” TN° 7.834-A, manoloana ny EPP Behoririka, Boriborintany fahatelo, Kaominina Antananarivo Renivohitra, notanterahiny ny alakamisy 28 martsa 2019.

Mampahatsiahy io fanambarana io fa efa nisy didy (Lah 3854 /2019) navoakan’ny Ministera mandidy ny fanajanonana asa sy fandravana ireo fanorenana tsy nahazoana alàlana mifanitsaka amin’ny làlana ho an’ny daholo be eo amin’io toerana io, ary nisy koa ny didy navoakan’ny Fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra lah. : 266 – CUA/CAB.19, mandidy fandravana ireo fanorenanana rehetra tsy nahazoana alàlana eo amin’io toerana io hatrany, izay mifanitsaka amin’ny làlana ho an’ny daholobe, izay voalaza fa an’Atoa Ramamonjy Josoa Josué.

Publié dans Vaovao

Namoaka ny heviny (Avis n°05-HCC/AV) ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), ny 28 martsa 2019, manoloana ny taratasin'ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny 26 martsa 2019, mangataka ny hevitry ny HCC ny mampety na tsia ny fampiasana ny sary famantarana « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina » amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy.

Nilaza ny HCC fa tsy mifanipaka amin’ny voalazan’ny andininy faha-49 amin’ny Lalampanorenana ny anarana « Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina » ary tsy antony tsy hankatoavana ny firotsahan-kofidian’ireo kandida solombavambahoaka atolotry ny vondrona antoko politika mampiasa io anarana io.

 

Publié dans Politique

Hivahiny mandritra ny herinandro eto Madagasikara ity tarika ity. Ny Masoivoho Amerikana no mikarakara ny diany eto, manamafy ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy Etazonia.

Hifanakalo traikefa amin’ireo mpanakanto Malagasy mpivoy ny gadona A Capella sy human beatbox ny tarika mandritra ny diany eto ary hihaona sy hitafa amin’ireo mpianatra mozika amina sekoly manokana misahana izany, ary koa hitsidika Ankany mitaiza tanora eto an-drenivohitra.

Hanatanteraka fampisehoana maimaimpoana etsy amin'ny Arena Ivandry izy ireo ny alin'ny Alakamisy 4 Aprily. Raisina etsy amin’ny Ivokolo CMDLAC Analakely ny Alatsinainy sy Talata tolakandro ny tapakila fidirana amin'izany.

 

Publié dans Art et Culture
vendredi, 29 mars 2019 08:25

Behoririka: Nieren-doza ity olona jamba

Nandritra ny fandrodanana ilay toeram-pivarotana tetsy Behoririka, dia tsy nisy fiarovana manokana ny faritra nanaovana izany.

Niroso ity olona iray jamba, efa teo afovoan'ny faritra trongisina izy no nihoraka ny rehetra, ny bildozera efa nitohaka teo aminy, ny mpamily ery ambony, tsy mahatazana ny ety ambany.

Nifamonjena ny namoaka azy teo amin'ilay faritra, ka dia avotra soa aman-tsara.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2