Filtrer les éléments par date : lundi, 25 mars 2019

Tamin'ny 6ora sy sasany hariva teo no niandoha ny afo, izay tsy mbola fantatra mazava ny nipoirany, ka nahakila ny lakozia sy ny toerana fanatobiana entana. Avotra kosa ireo ankizy tezaina ao.

Nalaky voafehy ny afo rehefa nifarimbonan'ny mponina nanaovana tanamaro.

 

Publié dans Tselatra

C'est une petite grenouille de la famille Microhylidae. On le trouve notamment dans les régions chaudes comme Maroantsetra. Elle trouve son habitat dans les forêts, étangs, les marrais et garrigues en zone côtière.

Cette variété de grenouille tomate n'a pas de poison.

La déforestation est une des menaces directes de l'espèce, classée comme endémique.

(Voir Suite Galerie Photo)

Publié dans Sociale

Mitohy hatrany ny hetsika efa fanaon'i Irmah Naharimamy, mitety sy mijery ireo sahirana, mampivondrona ireo tanora, mamporisika ny hanaovana fanatajahan-tena hialana amin'ny fakapanahy amin'ny toaka, sy ny rongony, sady ho fitaizam-batana sy saina.

Nanolotra amboara ho an'ireo tanora izy omaly alahady teo amin'ny kianjan'i Ratsimilaho, nanokatra ihany koa ny sampana atletisma, ary io maraina io dia nanolotra vary, biscuit, savony ho an'ireo voafonja ao Ambalatavoangy.
Nojereny manokana amin'izany ireo vehivavy izay maro tokoa no mijaly, ary misy aza no mitazona ireo zanany miaraka aminy ao.

Irmah Naharimamy moa dia isan'ireo hifaninana amin'ny fifidianana Solombavambahoaka atao ny 27 mey ho avy izao, eto Toamasina I.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Hampiantso mpanao gazety ao Ivandry, foiben-toeran'ny Solotena maharitry ny Papa François eto Madagasikara, Villa Roma, ny Nonce sy ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny alarobia 27 martsa ho avy izao, amin'ny 2ora tolakandro.

Vinaniana momba ny programa fahatongavan'i Papa eto Madagasikara, raha ny fanaraham-baovao misy ny ho mety lahadinika amin'izany.

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina manomboka androany Alatsinainy 25 martsa ka hatramin'ny 05 Aprily 2019, manerana ireo Distrika 67 eto Madagasikara ny "Hetsika fanaovam-baksiny miaro amin'ny kitrotro, andiany fahatelo".

 

Publié dans Tselatra

Lasa 4 019,44 Ariary ny Euro iray ary 3 543,54 Ariary iray Dolara amerikana raha tany ambanin’ny 4000 Ariary ny Euro iray dimy andro lasa izay.

 

Publié dans Tselatra

« Facilité élargie de crédit (FEC) », vola fanome ny tany mahantra indrindra ity nankatoavin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na FMI an’i Madagasikara ity, vola mitentina 43,8 tapitrisa dolara na 155 miliara Ariary eo ho eo.

Itony karazana famatsiam-bola itony moa dia vola notrosaina ary averina. Vola amatsiana ny fitanilan'ny fitantanam-bola, izay betsaka ny mivoaka noho ny miditra, betsaka ireo trosa tsy voahefa, ka anentsenana ny banga.

 

Publié dans Tselatra

Araka ny didy (Arrêt n°21-HCC/AR) navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny 22 martsa 2019, araka ny fitoriana nataon’i Andrianatsifonantsara Haja, dia niova ny lisitry ny kandida solombavambahoaka narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara ato Antananarivo Avaradrano, ka Randriambolaina Gerry no mitarika ny lisitra, Andrianatsifonantsara Haja no manaraka azy. Mpisolotoerana kosa Rakotondrasoa Georges sy Rasoamanandraibe Nomena.

Raha ny lisitra neken’ny CENI kosa dia Randriambolaina Gerry no mitarika ny lisitra, Ratsimba Julien Tovomampiandriarivelo no manaraka azy. Mpisolotoerana kosa Andrianjafy Christian Olivier sy Fanomboha Raveloson.

Publié dans Politique
lundi, 25 mars 2019 09:33

25 mars

Journée mondiale contre la publicité.

 

Publié dans Fil info