Filtrer les éléments par date : vendredi, 22 mars 2019
vendredi, 22 mars 2019 22:43

Rastany: « Mitohy ny lalantsika »

Ara-dalàna ary nohamafisin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI ny maha kandida solombavambahoaka ao Antananarivo II an’i Randrianarisoa Stanislas na « Rastany » izay anarana ahafantaran’ny maro azy.

Mitarika ny lisitra Tiako i Madagasikara ato Antananarivo II na i Rastany. Diso fantatra ety amin’ny Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra izy, tamin’ny fandraisana andraikitra sy fitondrana anjara biriky tamin’ny fanasoavana ny mpiarabelona raha tsy hilaza afa-tsy ny tolotanana amin’ny fanamboaran-dalana izany sy ny famelomana ireny tsipika amin’ny arabe fanatsarana ny fifamoivoizana tato amin’ny Boriborintany faharoa ireny, izy rahateo mpandraharaha.

Publié dans Politique

Ny sampana Sekoly Alahady ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao Ambohimanarina, Antananarivo faha-6 no hanatanteraka ity Tafika Masina ankalamanjana ity miaraka amin’i Zook Davids, ny sabotsy 23 martsa ao amin’ny kianja kariera Ambodihady. Hialohavana filaharana manodidina ny tanàna miala eo amin’ny Fiangonana izany.

Manodidina ny 1.000 no isan'ny mpianatra Sekoly Alahady ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao ary 60 eo ny mpampianatra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Teto amin'ny efitrano malalaky ny Faritra SAVA no nanantotosana izany androany tamin'ny 10ora maraina teo.

Ka toy izao ny laharana ho hita any anaty bileta tokana ny an'i Sambava, izay araka ny fisarihana natao mangarahara ary tsy nitanila ka neken'ny rehetra.

Publié dans Politique

Nanao fanambarana ao amin’ny pejiny Facebook ny SECES Sampana Antananarivo, androany, milaza fa « Hitsahatra tanteraka ny fampianarana sy ny fikarohana eto amin’ny Oniversite an'Antananarivo: Médecine, Sciences, Lettres, Polytechniques, ENS, Agro, DEGS,... ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Disadisan’ny mpiray lisitra, miady ho lohany hitarika ny « Isika rehetra miaraka @ Andry Rajoelina » no niteraka ny fanemorana ny antsapaka ho rahampitso sabotsy 23 martsa, maraina, handaharana ireo lisitra kandida solombavambahoaka miisa 19 hifaninana ato amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka.

Toerana solombavambahoaka miisa roa (02) no hifaninanana ato Ambatondrazaka. Tamin’ny andro nanaterana ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana no efa niady samy ho lohalisitra ny kandidan’ny « Isika rehetra miaraka @ Andry Rajoelina ».

Publié dans Tselatra
vendredi, 22 mars 2019 20:38

Narson Rafidimanana: Asa avy hatrany

Mitohy ny fidinana ifotony ataon’i Narson Rafidimanana mitety ireo Kaominina ato amin’ny Distrikan’Antanifotsy, faritra Vakinankaratra. Mitafa, manazava ny andraikitry ny solombavambahoaka, mitondra vahaolana avy hatrany manoloana ny fitarainana sy ny hetahetan’ny mponina, amin’ny maha olom-pirenena tomponandraikitra azy, izy rahateo zanaky ny Distrika.

Kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka ato amin’ny Distrikan’Antanifotsy i Narson Rafidimanana. Tsy miankina « Ray Dia » no irotsahany. Miisa sivy ny kandida hifaninana amina toerana tokana ato Antanifotsy.

Publié dans Politique

Natao androany zoma 22 martsa ny antsapaka ny laharana anaty ny lisitry ny bileta tokana ho an'ny kandida solombavambahoaka eto Toamasina I, ka toy izao ny filaharany araka ny ankitsapaka nataon'ny kandida na ny solontenany avy nandritra izany tao amin'ny lapan'ny Faritra Atsinanana.

Laharana voaloha ny Tiako i Madagasikara (TIM) tarihin’i Rakotonirina Jean Claude Roger,
faha-2 ny « Indépendant Rakotoninahy Josephat »,
faha-3 ny « Indépendant Benessy Harison Sébastien »,
ny faha-4 ny « Indépendant Botozaza Pierrot »,
ny faha ny faha-5 ny « Indépendant Tody Arnaud »,
ny faha-6 ny « Gasy Mifankatia (GASY MI) »,
ny faha-7 ny « Indépendant Ratsimbazafy Mamonjy »,
ny faha-8 ny « Isika Rehetra Miaraka @ Andry Rajoelina » misy an'i Irma Naharimamy,
ny faha-9 ny « Malagasy Tonga Saina (MTS) » misy an’i Roland Ratsiraka,
ny faha-10 ny « Gasikara Antsika Rehetra (GAR) » tarihin’i Mahavimbina Alain,
faha-11 ny « Indépendant Ndahimananjara née Randrianarison Benedicte Johanita »,
ary ny faha-12 ny Antokon'ny Kongresin'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara (AKFM-Fanavaozana) tarihin’i Rakotomalala Henri na Riri-Be.

 

Publié dans Politique

Heverina ho efa dimy andro tany no namonoana azy, satria efa simba ny faty tamin’ny fotoana nahitan’ny mpitandro ny filaminana azy tao amin’ny Fokontany Andakana, Kaominina Betrandraka, Distrikan'i Tsaratanana.

Nohamarinin’ny havany fa tena Rakotozafy Haingotiana Denis Fugain Bozon io hita faty io. Efa ao an-drenivohitry ny Distrika Tsaratanana ny faty io maraina io.

Publié dans Vaovao

Nitafa manokana tamin'ireo vahoaka teto amin'ny Tranompokonolona Antalaha ny praiminisitra Ntsay Christian omaly, taorian’ny rotaka nahamay ny biraon’ny Jirama teo « Ville Basse » sy nahafatesana olona roa ary naharatrana roa hafa.

Nalalaka ny fandraisam-pitenenana, ka tamin’izany no nilazan'ireo solonten’ny mponina fa na eo aza ny fanoloran'ny fitondram-panjakana milina mpihary herinaratra na firy isam-bolana eto Antalaha dia mangataka ny fanesorana ny Talen’ny Jirama sy ireo mpiara-miasa aminy tsy ho eto mihitsy fa avy ao ihany no fototry ny olana. Takianay ihany koa, hoy ny mpandray fitenenana mba tsy hisy fanamborana olona noho ity raharaha ity, ary mitaky ny fialan’ny lehiben’ny Distrika ihany koa izy ireo raha nikiakiaka nameno ny trano.

Publié dans Vaovao

Vita omaly alakamisy 21 martsa ny famindrampahefana teo amin'i kaomisera Moratamby Roger, Commissaire Central teo aloha sy kaomisera Ntsay Louis Ignace, Commissaire Central vaovao. 

Zokilahin'ny Praiminisitra Ntsay Christian ity farany.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2