Filtrer les éléments par date : lundi, 18 mars 2019

« Vary tena tsara kalitao ireo hatolotry ny fitondram-panjakana ireo na dia amidy amin’ny vidiny tena mora aza », hoy i Andry Rajoelina, teo amin’ny seranantsambon’i Toamasina nijery ny fahatongavan’ny vary mora 16 500 taonina avy any Pakistan.

Hanomboka amin’ity herinandro ity avy hatrany ny fitsinjarana azy ireo amin’ny Fokontany rehetra manerana ny lafivalon’ny Nosy, ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo, araka ny fanamafisany hatrany.

Mitontona ato ankatoky ny fifidianana solombavambahoaka ity « vary mora » ity ka manahy ny maro sao ho lasa fitaovana politika hampandresena ireo kandida narotsaky ny amin’ny vovonana miara-dia amin’ny fitondrana.

Publié dans Tselatra

Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina fa hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ka Mpanao maritrano malagasy sy orinasa vahiny no hiara-hiasa hanatanteraka ny tetikasa.

Hamboarina ho kianja mitafo manarapenitra ihany koa ny kianja monisipaly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Mampanantena ny Zandary fa hanome vola 20 tapitrisa Ariary ho an’izay manome vaovao hahafahana misambotra an’ity atidohan’ny mpaka ankeriny aty amin’ny Distrikan’i Tsaratanana ity.

Tafatsoaka hatrany i Del Kely isaky ny hosamborina, ireo namany no efa voasambotra ny ankamaroany.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 18 mars 2019 09:47

18 mars

Journée mondiale du recyclage.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2