Filtrer les éléments par date : jeudi, 14 mars 2019

Varatra iray nahery vaika no nipoaka teto Sambava ny alatsinainy tokony tamin’ny valo ora alina nandritra ny orana mikija. Tapaka niaraka tamin'izany ny herinaratry ny JIRAMA manerana an’i Sambava.

Ny ampitson'io ihany ny Jirama dia nanambara fa efa eo ampanarenana ny “transfo” simban’ny varatra io hamerenana ny jiro eto an-drenivohitry ny faritra SAVA.

 

Publié dans Tselatra

Kandida natolotry ny antoko ny 340, ary mahaleotena na tsy miankina ny 515 tamin’ireo. Raha ny tatitra vonjimaika nataon’i Rakotonarivo Thierry, filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.

Antoko sy vondrona antoko miisa 58 amin’ireo 210 mijoro ara-dalàna no nanolotra kandida. Tamin’ny Distrika miisa 106 amin'ny 119 no nandrotsahan’ny vovonana « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » kandida, raha toa ka 79 ny amin'ny anaran’ny Tiako i Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Taorian’ny fitsidihana ara-panjakana sy niatrehany ny fetim-pirenena tatsy amin’ny Nosy Maorisy i Andry Rajoelina dia hiazo an’i Nairobi hamonjy ny « One Planet Summit », izay fihaonambe manerantany, andiany fahatelo, hikaroham-bahaolana mikasika ny fiovaovan’ny toetr’andro izy ity, ary sambany kosa i Kenya no mampiantrano izany.

Ampirisihina betsaka amin’izany ireo tetikasa maitso na « Projet vert » hiarovana ny tontolo iainana, ka misy ny fandresen-dahatra maro hanetsehana ireo mpamatsy vola ho amin’izany.

 

Publié dans Tselatra

Nivoitra io omaly alarobia maraina, raha nitsidika ny masoivohon’ny JIRAMA etsy Soanierana Antananarivo ny minisitry ny rano, ny angovo ary ny akoran’afo, Andriamanga Vonjy ka nihaona tamin’ny mpiasa tao.

Noresahin’ny Minisitra ny mikasika ny fitokonan’ny sendikan’ny mpiasa, ka nilazany fa efa nisy fihaonana in-droa miantoana saingy tsy tonga nanatrika izany hatrany ny ampahany amin’ireo sendika misy eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Mijanona ho mpanelanelana ny disadisa misy hatrany anefa ny minisitera, hoy ny Minisitra.

Publié dans Vaovao
Page 2 sur 2