Filtrer les éléments par date : lundi, 11 mars 2019

Election présidentielle reportée. Le premier ministre a démissionné.

Liesse populaire dans la rue d'Algérie.  

Publié dans Fil info

Tranga tamin’ny lalam-pirenena faha-7 androany maraina. Tsy nisy ny aina nafoy, na izany aza ny tongasoa ihany no arahabaina.

 

 

Publié dans Tselatra

Nanao fampitaom-baovao manokana ny ministeran’ny raharaham-bahiny malagasy mandiso ny vaovao navoakan’ny gazety nivoaka androany 11 martsa milaza fa mizaka zom-pirenena roa ny lehiben’ny diplaomasia malagasy, Naina Andriantsitohaina. Manamafy sy mampahafantatra io fampitaom-baovaon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny io fa « zom-pirenena tokana dia Malagasy » i Naina Andriantsitohaina.

 

 

Publié dans Politique

Mitaky ny karaman'izy ireo tsy voaloa izy ireo, ka teo anoloan'ny Cnaps no niseho ny fitakiana, androany maraina. Nilaza teo anivon’ny Cnaps fa tsy tompon'andraikitra amin’io izy ireo fa latsakemboka tsy narotsaky ny SECREN no antony.

 

Publié dans Tselatra

Nanomboka tamin’ny alakamisy 7 martsa no efa nisy ny hetsi-pitakiana nataon’ny mpiasa io « 13e mois » io, ary nitohy tamin’ity andron’ny alatsinainy 11 martsa ity.

Nandray an’io ny mpiasa roa taona nisesy izay, ary miditra amin’ny fahatelo taonany no izao tsy very hafoy, hita nefa tsy azo izao, ka mahatonga azy ireo nanao hetsika.

Nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max ny solontenan’ny mpiasa androany.

 

Publié dans Vaovao

Nisantatra ny fanaterana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana solombavambahoaka ao amin’ny fari-pifidianana Tolagnaro i Razafindramaro Tanjaniaina Julio, lehiben’ny Faritra Anôsy teo aloha, kandida tsy miankina narahin’i Arline Attalah, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Ranomafana, kandida tsy miankina, ary i Chabani Nourdine, minisitry ny varotra teo aloha izay mbola kandida tsy miankina ihany koa.

 

Publié dans Tselatra

Androany tamin’ny mitatao vovonana, raha ny loharanom-baovao eo anivon’ny CENI, dia Distrika miisa 52 manerana ny Nosy no tsy mbola nisy kandida tonga nametraka taratasy firotsahan-kofidiana teny anivon’ny OVEC.

Misy kandida milaza fa efa vonona ny antotan-taratasiny saingy foana noho ny andro ratsy ny sidina mandeha any amin’ny fari-piadidiana tiany hirotsahana, ka maka torohevitra ny amin’ny tokony hataony satria ambivitra ny fotoana.

Rahampitso talata 12 martsa amin’ny 5ora hariva no fe-potoana farany voalazan’ny lalàna andraisan’ny OVEC ny taratasy firotsahan-kofidian’ireo mpifaninana ho eny Tsimbazaza.

 

Publié dans Tselatra

Ben’ny Tanànan’ny Kaominina ambanivohitra Ambalamanasy II, Distrikan'Andapa, i Rabenary Jean, nahavita taom-piasana roa tao. Handray fiaingana amin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza izy.

Androany Alatsinainy 11 martsa no tonga nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kodidiany teny amin’ny OVEC Andapa izy sy ny mpiaradia aminy.

Kandida mahaleotena na tsy miankina i Rabenary Jean amin’izao firotsahany izao, hiatrehany ny safidim-bahoaka amin’ny 27 mey 2019. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Telo ny kandida hifaninana ho filoha, dia Pr Mamy Ravelomanana, avy amin’ny fakioltean’ny toekarena, fitantanana ary ny sosiolojia, Pr Richard Ranarivony, avy ao amin’ny fakioltean’ny siansa mahaolona sy ny teny aman-tsoratra, ary Pr Luc Hervé Samison, avy amin’ny fakioltean’ny fitsaboana.

2 245 ny isan’ny mpifidy andrasana handatsa-bato, ka mpampianatra mpikaroka ny 887, ary mpiasa ny 1 358. Nanomboka tamin’ny 8ora maraina ny latsa-bato ary hifarana amin’ny 3ora tolakandro. Anio amin’ny fiafaran’ny tolakandro any ihany dia ho fantatra ny voka-pifidianana.

Izay filoha voafidy eo no handimby toerana an’i Pr Panja Ramanoelina, izay tsy nirotsaka intsony fa efa nahavita taom-piasana roa.

Publié dans Tselatra

Ny eo tsy votsotra, ny hafa nisy naka an-keriny. Lasibatry ny mpaka an-keriny ny lehiben’ny DREN Betsiboka teo aloha, izay kandidan’ny vovonana « Isiraka rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » aty Tsaratanana, amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 27 mey 2019.

Teny an-dalana nanao taingin-droa tamin’ny moto, 20km tsy hahatongavana aty Tsaratanàna, no nisy naka an-keriny izy ny alin’ny alahady hifoha ity alatsinainy 11 martsa ity, ary lasan’ireo olon-dratsy hatramin’ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana tany aminy.

Zazakely 6 taona no mbola eo ampelan-tanan’ny mpaka an-keriny efa herinandro izao, nataon’izy ireo takalonaina. Ny iray maty notifirin’ireo mpaka ankeriny, ny roa tafatsoaka ary io zazakely io no mbola tavela any amin’izao.

Manao fitsongoana dia, hanavotana azy ny mpitandro ny filaminana amin’izao.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2