Filtrer les éléments par date : vendredi, 08 février 2019

Madagascar est élu, par le truchement de Jean Louis Andriamifidy, Directeur Général du Bureau Indépendant Anti-Corruption (Bianco), membre du comité consultatif de l’Union africaine sur la corruption (African Union Advisory Board on Corruption).

Il a eu la confiance des 44 sur 55 pays membres.

Après les négociations diplomatiques menées sur place, le candidat kenyan s’est retiré de la course. Madagascar a eu le soutien de plusieurs pays africains ainsi que celui de l’Afrique australe.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Taorian’iny oram-baratra omaly 7 febroary 2019 dia maro ireo toerana izay dibo-drano teto an-dRenivohitra, noho ny fahatsentsenan’ireo lakandrano maro samihafa sy ny fahanteran’ireo fotodrafitr’asa.

Fako ataon’ny mponina no manentsina ireo lakandrano maro, ka tsy ahafahan’ny rano mikoriana tsara araka ny tokony ho izy. Nanao izay ho afany ireo mpiasan’ny Kaominina tamin’ny fanalàna ireo fako aman-taoniny maro ireo.

Publié dans Tselatra

Mpanao handball nalaza, ary efa tao anatin’ny ekipam-pirenena Malagasy i Henintsaina Dofa. Nampalaza azy ihany koa ny fanipazana lefona (javelot) izay efa nahazoany tompondakan’i Madagasikara.

Tao amin’ny kilioba Tsarahofana Toamasina no nanombohany ny taona 1992. Ny taona 1996 tao amin’ny EHB Radama (Ecole de Handball). Ny taona 1996 dia voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny kilioba nisy azy tao Toamasina. Ny taona 1998 dia voaantso nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy ary tao ny tenany hatramin’ny taona 2002.

Ny taona 2001-2002 nantsoin’ny klioban’ny St Michel Antananarivo. Ny taona 2003, nafaran’ny klioba Zanak’Avaratra tany Antsiranana. Ny taona 1992 hatramin’ny taona 1996 dia izy hatrany no tompondakan’i Madagasikara tamin’ny fanipazana “javelot” sokajy “cadet” sy “junior”.

Publié dans Sociale

Le véhicule administratif immatriculé 5710 TBG ayant commis un dépassement abusif avec signaux de détresse sur l’axe Ambatoroka, dans le IIe Arrondissement Antananarivo, dans la matinée du mercredi 06 février 2019, appartient au Ministère des Postes, des Télécommunications et du Développement Numérique.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Voamarina fa ny vata mangatsiakan'i Emiliano Sala no hita tao anatin’ilay korontam-by sisan’ilay fiaramanidina kely, raikitra tao ambany ranomasin'i La Manche.

Mpilalao tao amin’ny FC Nantes (Frantsa) i «Emi» na «Jaja» araka ny fiantson’ireo namany azy ary nifindra ao amin’ny klioban’i Cardiff (Pays de Galles). Hiazo an’i Cardiff indrindra izy ny harivan’ny 21 janoary 2019, no tra-doza ny fiaramanidina nitondra azy.

Publié dans Sport

7 febroary 2019 ny fe-potoana farany nomen’ny fanjakana ireo mponina monina, 70m manodidina ireo vato mandondona ahiana hianjera amin’iny faritra avo, ao amin’ny Boriboritany faha-4 iny, mba ho fitsinjovana azy ireo.

Fianakaviana miisa 339 eo no voakasika mivantana amin’io. Maro amin’izy ireo no mikiry ny hijanona eny, na eo aza ny fandraràna ataon’ny fanjakana, ka hiditra an-tsehatra ny miaramila hanàla ireo izay tsy manaiky ny hifindra eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka sy Village Iharinarivo Ambohidratrimo, ankoatra ny toby vonjimaika eo amin’ny INFP Mahamasina.

Mihevitra ny hiroso amin’ny fanapoahana ireo vato sasany ahiana hihotsaka eny Ambanin’Ampamarinana ny fanjakana amin'ity faran'ny herinandro ity.

 

Publié dans Tselatra

Ho avy ato anatin’ny roa volana ireo helikôptera ireo, araka ny fanazavan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo tao amin’ny haino aman-jerimpanjakana. Hampitaovana ny mpitandro ny filaminana hanamafisana indrindra ny ady amin’ny halatr’omby ireto helikôptera ireto.

Folo no nambaran’i Andry Rajoelina nandritra ny fampielezankevitra fa hovidian’ny fanjakana, fony izy mbola kandida. Heverina fa ho fisantarana izany ireto ho avy ireto.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 08 février 2019 10:31

8 février

Journée mondiale de prière et de réflexion sur la traite des êtres humains.

 

Publié dans Fil info

Nitrangana fanafihana miharo fankana an-keriny teto Tsaratanàna ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 febroary, tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Olona telo no nalain’ireo jiolahy an-keriny tamin’izany, ka mpiasan’ny fampianarana Chef ZAP ny iray, vehivavy ny iray ary mpandraharaha ny fahatelo.

Tsy misy jiro eto an-drenivohitry ny Distrikan’i Tsaratanàna noho ny fahataran’ny solika ho an’ny Jirama, hany ka manararaotra ny jiolahy.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 08 février 2019 10:24

Ambatolampy (RN7): Sokatra miisa valo sarona

Nandritra ny fisavana nataon’ny Zandary teo amin’ny sakana fandrindrana ny fifamoivoizana no nahitana ireto sokatra valo ireto, omaly. Nalefa ao Antananarivo ny fanohizana ny fanadihadiana mikasika ireo voarohirohy tamin’izany sy ireo sokatra.

 

Publié dans Tselatra