Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 février 2019

Nanaitra ny mponina manodidina ny fonja ny fisian’ny poa-basy avy ao anatiny ny tolakandro teo. Maro ireo nihevitra fa nisy gadra nandositra indray tao amin'ny fonja.

Rehefa nohamarinina dia voatery nanapoaka basy ny mpandraharahan’ny fonja satria tsy mety manaraka fitsipika ireo Sinoa miisa 15 naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy nanomboka omaly, tao anatin’ilay sambo Flying tratra nitondra andramena tamin’ny volana desambra 2018 iny.

Tara ny mpanati-bary atoandron’izy ireo androany ka sady nikomy no manankorontana tato Ambalatavoahangy ireto Sinoa ireto, ny fiarafan'ny tolakandro teo, ka voatery nanapoaka basy ny mpandraharahan’ny fonja ho fandaminana izany.

Mangataka ny hamindrana ireo Sinoa ireo any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny mpandraharahan’ny fonja fa mampisy olana amin'ireo voafonja sasany ny fisian'ireo ao Ambalatavoahangy.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 07 février 2019 23:06

Ankazobe

Efa ho herinandro mahery no tsy mandeha ny jiro.

 

Publié dans Tselatra

Nitarika izany ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 07 février 2019 09:56

Morondava: May ny Jirama

Tapaka nanomboka tamin'ny 2ora maraina teo ny jiro eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe vokatry ny firehetan'ny foibe famokarana herinaratry ny Jirama.

Soa fa nalaky tonga ny pompier nifehezana ny afo. Tsy mbola voafaritra ny tena fototry ny loza.

 

Publié dans Tselatra