Filtrer les éléments par date : lundi, 04 février 2019

Androany avokoa no nahitana ireto tranga ireto. Vehivavy iray no hita faty natsingevan’ny rano teo Marais Masay, Antananarivo V. Mbola nahitana vola, finday tany aminy.

Vehivavy zokiolona iray ihany koa hita faty teny Fitroafana, Fokontany iray ao amin’ny Kaominina Talatamaty, Distrika Ambohidratrimo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
lundi, 04 février 2019 12:00

Morondava: Midanika ny hafanana

Mafana be ny andro eto an-drenivohitry ny Faritra Menabe. Efa ho efatra andro izao no toy izao ny toetr’andro eto.

Misedra fahasahiranana noho izany ireo be antitra sy marefo ara-pahasalamana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tra-tehaky ny Polisy teto Tsimahavaobe Morondava ny alahady 03 febroary 2019 i Tody, rehefa ela nikarohana azy. Malaza ratsy amin’ny vaky trano sy vono olona ato amin’ny Faritra Menabe sy Melaky i Tody.

Halatra fitaovana informatika no manavanana azy, ary tsy mandre izay ambonin’ny tany ny olona ao amin’ny tokantrano tafihiny.

Lehilahy sahabo ho telopolo taona avy eny Ankilivalo, Distrikan’i Mahabo i Tody. Efa nigadra noho ny asa ratsy nataony. Namaly ny Polisy izy io omaly io noho ny fitaovana nananany, dia basy vita gasy iray mifahana bala, miampy « pince » sy lakile maromaro. Nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro ny filaminana.

Publié dans Tselatra

Ho fampiharana ny andininy faha-99 amin’ny Lalampanorenana, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta dia manolotra ny fandaharanasany manoloana ny Parlemanta ho fampiharana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ao anatin’ny telopolo andro taorian’ny nanendrena azy. Afaka mandroso sosonkevitra amin’izany ny Parlemantera.

Tanterahina amin’izao tapakandro maraina izao ny eny Tsimbazaza, ary ny tapakandro hariva ny ao amin’ny Antenimieran-doholona.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 04 février 2019 11:16

4 février

Journée Mondiale contre le cancer.

 

Publié dans Fil info

Oha-pitenena malaza izay hoe mandry eo ambonin'ny vato, tsy misy atahorana, tsara fototra.

Hitatsika anefa ny tsy fahamarinana tanteraka izay raha ny zava-mitranga tatoato teny ambanin'Ampamarinana, toa ilay vato natokisana indray no nianjera namono olona maro.

Inona tokoa moa ny vato?

Misy karazany maro ny vato, fa azo sokajiana telo lehibe izy:
- Vato azo avy amin'ny fipoahan'ny volkano avy ao ambanin'ny tany (Roche magmatique)
- Vato azo avy amin'ny tsindry mavesatra vokatry ny fifanosehan'ny tany (Roche métamorphique)
- Vato azo avy amin'ny fahalovan'ireo singa mineraly maro (Roche sédimentaire)

Ny mahasarika ny saintsika eto dia ireo karazam-bato roa voalohany.
Efa tsy misy volkano raha ny eto Antananarivo renivohitra no resahina, fa aza adino fa miaina ny tany, mihetsika izy, mifanosika eo ambony tsiranoka mangotraka ao ambany tany ao, izay no mahatonga ny tendrombohitra, mifanosika ny tany dia miakatra izy, rehefa tsy zakany, dia mety mitresaka izy, faille.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2