Filtrer les éléments par date : lundi, 04 février 2019

Noho ny fianjeran’ny vatobe izay nitranga teny Ampamarinana omaly, izay nahafatesana olona 4 sy naharatrana olona miisa11 dia nandray ny andraikiny ny ao anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).

Nanao rodobe nijery ifotony teny an-toerana ny zava-nitranga ny delegasiona, notarihan’ny Delege ny boriboritany faha efatra, ny sampana GRC (Gestion des risques et catastrophes) ao anivon’ny CUA, ny mpamonjy voina ary ny DAJ (Direction des affaires juridiques et contencieux), niampy ny Fokontany teny an-toerana no nanatanteraka izany.

Publié dans Sociale

Olona efatra iray tarika tamin'i Tody, ilay jiolahy raindahiny lavon'ny Polisy omaly, no voasambotra androany.

Jiolahy mpiara-manatanteraka fanafihana tamin'i Tody ny iray, mpimasin'izy ireo ny iray ary ny mpandray entana halatra.

Lasibatr'izy ireo ny Faritra Menabe sy Melaky. Mbola misy naman'izy ireo karohina.

 

Publié dans Tselatra

Les Gendarmes n'ont pas attendu longtemps, après la libération de Housna Ramjanaly, operateur à Ankijabe, District Ambatoboeny, attaqué par 40 bandits dans leur maison, la nuit du jeudi 31 janvier, lequel son mari a été gravement blessé à la tête par un coup de hache, des éléments armés ont poursuivi toute la nuit d'hier ces bandits et kidnappeurs.

Les Gendarmes ont pu capturer 5 bandits, dont le cuisinier du groupe des malfaiteurs.

Les prisonniers ont été ramenés à Marovoay hier, avant d'être transférés ce jour au Brigade de la Gendarmerie Ambatoboeny.

Publié dans Fil info

Nivoaka avy any anaty ala ireo Zandary nanenjika ireo dahalo naka an-keriny an'i Housna, ka nitondra dahalo 5 tratra babo tamin'ireo 40 lahy nanafika tokatranon'ny mpandraharaha tao Ankijabe, Distrika Ambatoboeny ny alin'ny alakamisy 31 janoary teo.

Publié dans A la Une

Nanao fanambarana ny fitondrana Britanika fa hita ao amin'ny faridranomasin'ny nosy kely Guernesey ny fiaramanidina nitondra ity mpilalao baolina kitran'ny Nantes ity, izay amonjy ny kilioba vaovao naka azy.

Misy vatana mangatsiaka iray no tazana ao anaty fiaramanidina, ao ambany ranomasina, fa mbola tsy fantatra na ny an'i Sala na an'ilay mpanamory ny fiaramanidina.

Raha tsiahivina moa dia ny alin'ny alatsinaina 21 janoary hifoha ny talata, dia tsy hitan'ny radar intsony ny fiaramanidina nitondra an'ity mpilalao baolina kitra malaza Argentin, Emiliano Sala, ao amin'ny FC Nantes ity.

Niala tao Nantes France izy hiazo an'i Cardiff no izao tra-doza nidoboka an-dranomasina Guernesey-Aurigny, tao amin'ny nosy anglo-normandes, teo amin'ny 8ora alina, izay tokony higadona tao Pays de Galles tamin'ny 9 ora alina.

Publié dans Sport

Namoaka naoty ny Talen’ny kabineratra, ny 30 janoary 2019, mibaiko ny famerenana ireo « véhicules administratifs » rehetra. Miteraka resabe eo anivon’ny ministera io taratasy io, satria hatreto tsy mbola misy didim-panjakana manala amin’ny toerany ireo Tale isan-tokony eo anivon’ny ministera roa nakambana ho iray, dia ny serasera sy ny kolontsaina, ary tsy mbola nisy ihany koa didim-panjakana manendry tale vaovao, izay mampiasa ireny fiaram-panjakana ireny.

Manao fanamarihana ihany koa ny mpiasa eo anivon’ity ministera ity sao fifanitsaham-pahefana mamofompofona fanamparam-pahefana izao, satria hatramin’izay hoy ny mpiasa dia andraikitry ny Sekretera jeneralin’ny ministera ny momba ny fitantanan-draharaha (administration), fa tsy anjaran'ny Talen’ny kabinetra. Ny Talen’ny kabinetra hoy hatrany ny mpiasa dia tokony hisahana ny politika fotsiny ihany.

Betsaka no mimonomonona manoloana izany.

 

Publié dans Politique

Tonga nitokana azy taty an-toerana ny sabotsy 02 febroary teo ny mpikambana maro eo anivon'ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), notarihan-dRakotomanana Yves Herinirina, filohany.

Trano lehibe ahitana efitra enina ity, ho fiasanan’ireo rantsamangaikan’ny CENI dia ny Commission électorale de district (CED) sy ny Commission Electorale Régionale (CER) ary ny Centre Informatique Régional (CIR).

Mitentimbidy 200 tapitrisa Ariary ny foto-drafitrasa, izay io no voalohany vitan’ny CENI hatramin’izay nijoroany izay.

Publié dans Vaovao

Nitombo isa ny mpanompon’Andriamanitra manatevina ny fikambanana masina Oblats de Marie-Immaculée (OMI). Nitarika ny fanamasinana sy velirano nataon’izy ireo tao amin’ny EKAR Notre Dame de Lourdes eo Anjoma, omaly alahady 3 febroary ny Kardinaly Tsarahazana Désiré.

Nalaza fa nikasa ny hanotrona ity fotoana ity ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina saingy nofoanana tamin’ny ora farany indray ny diany ho aty Toamasina.

 

Publié dans Tselatra

Mijaly amin’ny asan-dahalo ny mponina ao amin’ny Kaominina Ambohimanjaka, Distrika Ambohidratrimo. Ny faran’ny herinandro teo izao dia Fokontany roa no nasesin’ny dahalo notafihana tao anatin’ny 48ora.

Tao Ambohidrazaka dia tsy nilentika akory ny masoandro ny zoma 1 febroary teo dia efa niakatra an-tanàna ny dahalo 14 lahy mitam-basy sady manao akanjo t-shirt mitovy tamin’ny propagandy fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 ireny.

Vavy antitra iray, 76 taona, maty tsy tra-drano notifirin’ny jiolahy teo amin’ny vavany. Lasan’ny dahalo ny omby miisa 22 tao an-tanàna.

Tsy mbola voalevina akory ny razana dia efa niverina nanafika tao amin’ny Fokontany Andranomasina indray ny dahalo. Omby miisa enina no lasan’izy ireo, saingy niverin-dalana ny telo, ka ny telo no lasan’izy ireo.

Miraviravy tanana ny tantsaha manoloana izao tsy fandriampahalemana mirongatra sady mihatra aman’aina izao.

 

Publié dans Tselatra

Fampanantenan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny handray an-tanana manontolo ny fianaran'i Angelo mandrapahazoany ny diplaoma Bakalorea. Natolotry ny iraka nalefany izay notarihin'ny Sekretera Jeneraly Nasionalin’ny antoko HVM Mohamed Haloa Rachidy androany maraina ny fitaovam-pianarana ho an'i Angelo. Nomena solosaina sy vatsy ara-bola ihany koa ity farany hiatrehany ity taom-pianarana ity.

Anisan'ireo niharam-boina nandritra ny loza vokatry ny fianjeran’ny vato be teny Tsimialonjafy, Antananarivo faha-IV ny harivan’ny 19 janoary 2019 i Angelo. Namoy ny ainy tamin'izany ny ray aman-dreniny sy ny anabaviny ary ny zanak’anabaviny.

"Izaho irery sisa, ary mahatsiaro tena ho irery sy banga tanteraka aho. Tsy misy azo raisina intsony ny fitaovana entiko mianatra", hoy izy.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2