Filtrer les éléments par date : jeudi, 28 février 2019

Baiko nomen’ny Filohan’ny Repoblika io, nandritra ny Filankevitry ny minisitra omaly. Ho fanadiovana ny asam-panjankana dia tsy hisy intsony ny fandraisana ireo ECD (Emploi de Courte Durée) vaovao araka ny politikam-pitsitsiana izay napetraky ny fitondrana.

Ireo rehetra izay tsy manao ny asany ara-dàlana ka mandray karama fotsiny ihany na mameno biraom-panjakana nefa tsy miasa dia handraisana fepetra hentitra.

Publié dans Vaovao

Raha ny fanazavan’ny mpitarika sendika eo anivon’ity orinasam-panjakana ity dia tsy mamaly ny fitakian’ny mpiasa ny Tale jeneraly, tsy misy vahaolana famerenana ireo mpiasa nesorina tsy ara-drariny teo anivon’ny JIRAMA, ka izay no anisany hanosika azy ireo hiroso amin’izao fitokonana faobe izao ary tsy handray baikon’ny Tale jeneraly intsony.

Mitebiteby ny mpanjifa eo anatrehan’izany sao hitarika delestazy indray io fitokonana io.

 

Publié dans Tselatra

Izay no vokatry ny fanadihadiana taorian’ny fitarainana nataon’ny olona avy any Morafenobe sy Bemarivo tonga teny amin’ny birao miandraikitra ny tsy mety ataon’ny Zandary.

 

Publié dans Tselatra

Karohina fatratra izy ireo ankehitriny, ary homena 2 tapitrisa Ariary izay manome loharanom-baovao ahafahana misambotra azy ireo.

Misy Zandary iray manamboninahitra ihany koa, nosamborina koa ary atao fanadihadiana etsy amin’ny Zandary Fiadanana voarohirohy ho niray tsikombakomba amin’ireo mpanao « kidnapping » amin’iny distrika iny.

 

Publié dans Tselatra

Nofoanana nandritra filankevitry ny minisitra omaly ny didimpanjakana manendry ny filohan’ny filankevimpitantanan’ny orinasa JIRAMA, araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Angovo sy ny rano ary ny Akoranafo sy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola.

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 28 février 2019 14:22

28 février

Journée mondiale sans Facebook.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2