Ministeran'ny raharaham-bahiny: Mpiasa ampolony maro ho very asa
Izay no ho vokatry ny fampiharana ny naoty laharana 19/128 AE/SG/DRH/SAP tamin'ny 22 febroary 2019, manafoana ny fifanarahana arak'asa an'ireo mpiasa ECD (Emploi de Courte Durée) eo anivon'ity ministera ity.
Ambanja: Nidoboka am-ponja ireo nanafika teratany sinoa
Nidoboka am-ponja vonjy maika avokoa omaly rehefa natolotra ny Fitsarana ireo olona 6 izay voarohirohy tamin'ny fanafihana mitam-basy ilay teratany sinoa tao Ambanja ny alin'ny 19 febroary 2019 teo.
Ny ampitson'io ihany dia efa nisy voasambotra ireo olon-dratsy, izay mbola nahatratrarana lelavola 32 tapitrisa Ariary tao anaty kitapony raha iny avy naka ny anjara volany tany Ambilobe ka hody tao Ambanja niaraka tamin'ny moto.
Maroantsetra: Miezaka mba hahasarika mpizahatany
Miezaka mampiroborobo ny fizahantany ato aminy i Maroantsetra raha ny ranomasina sy ny renirano no tena vavahady hidirana aty.
Spaoro iraisan'ny ministera: Mianto-tena ny mpiasan'ny Primatiora
Nanapa-kevitra ny Praiminisitra fa tsy handany vola amin'ny resaka ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires) intsony, tsy hamoaka volam-panjakana momba izany, koa ny mpiasa no nasaina mandoa vola 12.000Ar isan'olona ho fandraisana anjara.
Betsaka ny mpiasa mimenomenona, indrindra ireo tsy mpanao spaoro.
Trangam-piarahamonina: Zazalahy kely 11 taona avy Andapa hita aty Sambava
Andriamampianina Najah, teraka ny 08 jona 2008 tao Andapa, mpianatra ao amin'ny EPP Andapa Sud, taona faha-7 hiatrika CEPE amin'ny faran'ny taona, zanak'i Haja Honoré Jhone Love sy Rakalady Christine ity zazalahy nivenjivenjy ity.
Antony nandosirany ny tokantran-dRay aman-dreniny, hoy izy nitantara, dia nandritra ny fotoana fakan-drivotra raha iny nilalao mifanenjikenjika niaraka tamin'ny hazo kely iny izy ireo, dia tampoka teo nahavoa ny namany ny hazo teny an-tanany ka tafatsofoka tamin'ny oron'ilay mpianatra namany ilay hazo kely ary naratra.
Nentin'ny tahotra i Najah ka ny hevitra hitany dia nandositra, ary izao tonga aty Sambava efa hatramin'ny alatsinainy 25 febroary 2019 tolak'andro.