Filtrer les éléments par date : mardi, 26 février 2019

Nisokatra androany 26 febroary tamin'ny 9ora maraina eny amin'ny OVEC (Organe de Vérification et d'Enregistrement de Candidature) manerana ny Nosy ny fandraisana ny antotan-taratasin'ireo hirotsaka hofidiana depiote, ary hikanona amin'ny 12 martsa amin'ny 5ora hariva.

Nisantatra ny fametrahana dosie tao amin'ny OVEC Toamasina I androany atoandro, hirotsaka hofidiana ho depioten'i Toamasina I i Alain Mahavimbina.

Amin'ny anaran'ny GAR (Gasikaraka Antsika Rehetra), antoko tarihiny izy.

Publié dans Vaovao

Hisedra ny fitsaram-bahoaka amin'ny fifidianana solombavam-bahoaka hotanterahana amin'ny alatsinainy 27 mey 2019 i Miandrizoky Francklin, Ben'ny tanànan'i Bekopaka.

Ao amin'ny Distrikan'Antsalova no hirotsahany.

 

 

Publié dans Tselatra

Tovolahy, vao 20 taona, mpianatra any Antananarivo, antsoina hoe Tsilavina no lasan'ny ranomasina teo amin'ny torampasik'i Nosy Kely-Morondava tamin'ny alahady teo, tokony ho tamin'ny 4ora tolak'andro, ary tsy hita mihitsy raha tsy androany maraina be.

Andiana mpihaza (mpanjono) nandeha vao maraina no nahita azy teo amin'ny vavaranon'i Kimony, ary ireo no nampiakatra azy tety an-tanety, ary niantso ny prezidan'ny Fokontany, ka ity farany indray no nampahalala ireo fianakavian'i Tsilavina aty Morondava.

Publié dans Tselatra

L'Etat demande la restitution de ces documents sous quinzaine pour ceux qui n'ont plus le droit de les détenir.

 

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Avy Manjakandrina ry Ericka. Tsy salama, misy rano ny lohany ary manao krizy matetika ka torana mihitsy indraindray. Mila fandidiana maika i Ericka. Fianakaviana sahirana anefa izy ireo. Tsy miasa ny reniny, ny dadany indray nandao azy mianaka vao nihombo ny aretin’i Ericka kely.

Miantso vonjy amin’ny malala-tanana ny reniny, hiatrehana ny fandidiana tsy maintsy atao hanavotana ny ain’i Ericka.

Laharana ahafahana mifandray aminy :
034 47 706 27 na 032 46 914 11

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale
mardi, 26 février 2019 14:13

Provisoire ou permanente ?

Depuis quelques jours, la Une des journaux nous font l’étalage des résultats des forces de l’ordre dans leur combat contre l’insécurité mais aussi la corruption. Arrestation de kidnappeurs, des personnes soupçonnées de corruption à haut niveau, sans oublier les trafiquants de bois de rose. Les opérations menées par le gouvernement Christian Ntsay ressemble à une vraie guerre contre la corruption et sa jumelle l’insécurité.

La force d’intervention spéciale (FIS) promise par le Président de la République lors de sa campagne électorale est effective. Le ministre de la Défense, le Gal de Division Léon Jean Richard Rakotonirina, en a fait la déclaration à la presse durant la cérémonie de remise de drapeau aux nouveaux officiers généraux de l’armée et de la Gendarmerie nationale.

Publié dans Politique

Nodimandry ny 23 febroary 2019 tao Paris renivohitr’i Frantsa teo amin’ny faha-80 taonany i Ruffine Tsiranana. Hiala ao Frantsa ny alarobia 27 febroary ny razana ka higadona eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alakamisy 28 febroary amin'ny 3 ora maraina.

Hivantana eny amin’ny trano fonenany ao amin'ny « Villa Soamandina » Tsiadana ny razana ary handrasana ao.

Ny alahady 3 martsa maraina be ny nofo mangatsiakany no hiala ao amin'ny « Villa Soamandina » ka ho entina any Anahidrano Antsohihy. Hisy ny fotoam-pivavahana hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ao amin'ny tranon’ny filohan’ny Repoblika Voalohany sady rainy rahateo, alohan'ny hanafenana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Anahidrano ny alatsinainy 4 martsa tolakandro.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 26 février 2019 13:47

Farafangana: Migrevy ny mpitarika posiposy

Mangataka ny hampidinana ny vola aloany ao amin'ny Kaominina izy ireo, ka nanao barazy tamin’ny lalana teto an-tanàna.

10 000 Ariary isan-taona no asain’ny Kaominina aloan’ny posy. Misy ireo tsy te handoa io vola io.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 26 février 2019 13:46

26 février

Journée Mondiale d'action contre l'ordonnance sur les brevets en Inde.

 

Publié dans Fil info

Karama 200 000ariary isam-bolana

Miasa 8 ora isan'andro x 5 = 40 ora isan-kerin'andro
Miasa 160 ora isam-bolana
Karama= 200 000 ar / 160 ora= 1250 ariary ny vidin'ny iray ora.

Transport ratsy, lalana mandeha miasa ratsy, embouteillage 2ora mandroso - 2ora mody= 4 ora ariana tsy miasa.

Very vola 1250 ariary x 4 ora= 5000 ariary isan'andro
Very 5000 ariary x 20 andro fiasana= 100 000 ariary isam-bolana.

Raha ny Antananarivo renivohitra fotsiny izany no jerena, raha 500 000 no isan'ny miasa (1/3 mponina) dia fatiantoka eo amin'ny toe-karena :

100 000 ariary x 500 000= 50 miliara ariary isam-bolana, na 600 miliara ariary isan-taona, na ny 10 % tetibolam-panjakana, vao Antananarivo renivohitra fotsiny, nefa ny tahan'ny fitombon'ny harikarena tsy misy 1 % akory, ka fandrosoana inona no ho hita eo ?

Publié dans Editorial