Filtrer les éléments par date : samedi, 02 février 2019

Noraisina nandritra ny filankevitry ny governemanta ny zoma 1 febroary 2019 ny didim-panjakana miantso ny mpifidy amin'ny fifidianana depiote hatao ny alatsinainy 27 mey 2019 araka ny tolo-kevitry ny CENI.

5 tapitrisa Ariary ny antobola ho fandraisana anjaran'ny kandida depiote amin'ny fanontana vato-pifidianana.

 

Publié dans Tselatra

Voafaritra ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2019 io vola natokana ho an'ny CENI hikarakarana fifidianana io.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 02 février 2019 09:50

Etat de droit, es-tu là ?

Concept juridique, politique et idéologique l’Etat de droit se définit « comme étant la prééminence du droit sur le politique et que tous dirigeants et simples citoyens doivent obéir à la loi ».

Publié dans A la Une

Fanambin'izao fitondrana vaovao izao ny ady amin'ny kolikoly, ny fisian'ny mangarahara.

Hita ihany koa ny finiavana hanaja ny lalàna ary nizotra niaraka nanao fanambaram-pananana teo anivon'ny HCC, izay izy ireo no mandefa izany any amin'ny Bianco.

Toy ny firenena mandroso rehetra, dia tsara ampahafantarina ny be sy ny maro izany ahitan'ny rehetra ny fananana teo ampiandohana, sy ny fitombon'ny fananana isan-taona, satria ny fiaraha-monina no tena mahita ny fiaimpiainan'ireo mpitondra, ny tena fananany marina sy izay afenina (train de vie, patrimoine réel et patrimoine déclaré).

Tsara ihany koa ny ahafantaran'ny rehetra ny karaman'ny Filoham-pirenena, ny Praiminisitra, ny Député, ny Hcc, ny CENI, ireo minisitra sy ny Talé Jeneraly, na minisitera na orin'asam-panjakana, ireo lehiben'ny Fitsarana sy ireo mpitsara sy izay mandrafitra ny Andrim-panjakana rehetra. Ireo Lehiben'ny Faritra, Ny Ben'ny Tanàna, ny Préfet, Ireo Miaramila, Zandary, Polisy ambony, ireo Mpiandry ala sy Mpiandry Fonja.

Publié dans Editorial