Filtrer les éléments par date : mardi, 19 février 2019

Androany talata 19 febroary 2019, tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina no nitranga ny loza.

Trano hazo 18, ary trano biriky 3 no may, misy ankohonana 32 ahitana olona miisa 157.

Raha ny re dia afo avy amin’ireo trano hazo no nipoirany, ka nahatonga ny loza izao .

Nidina ifotony nijery izany avy hatrany ny teo anivon’ny Boriboritany faha-4, Kaominina Antananarivo Renivohitra, raha vao nandre izany ka nampahery sahady ireo traboina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Androany tamin'ny 11ora no nisy nanafika ity Cash Point teo Bazary Kely ity, nefa dia 50m miala ny tobin’ny Polisy no misy ilay izy. Telo lahy no nanafika ka ny roa, izay samy nitondra basy, niditra ary nanao tifi-danitra, ny iray nitondra PA koa tety ivelany.

Vao nahazo ny vola izy ireo, izay tena haingana, dia lasa ary tsy hita na nokarohan'ny Polisy tonga haingana nijery ny zava-nisy aza.

Tsy sambany izao fa ny taona lasa 2018, volana novambra, andro Fetin'ny maty, dia maty voatifitry ny jiolahy telo nitondra moto sy nitondra PA avy koa ny tompon'ity Cash Point teo Bazary Kely ity tamin'izany, izay mpiasan'ny Kaominina.

 

Publié dans Tselatra

Nilatsaka androany ny didy navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ; herintaona an-tranomaizina sy onitra 5 tapitrisa Ariary no sazin’ity mpanolontsaina manokan’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sady mpanamory fiaramanidina ity.

Fanodinkodinana fananam-panjakana no vesatra anejehana azy.

Manana 10 andro i Hugues Ratsiferana hampakarana Fitsarana ambony raha tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka.

 

Publié dans Tselatra

19 janoary 2019 – 19 febroary 2019, feno iray volana androany ny datinandro nanaovan’i Andry Rajoelina fihanianana teo Mahamasina, nandraisany ny fahefahana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy, rehefa voafidy tamin’ny salanisam-bato 55,66%-n’ny vato manankery tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018, raha nifaninana tamin’i Marc Ravalomanana.

Publié dans Politique

Telo mianadahy izy ireo no avotra teo ampelan-tanan'ireo mpaka an-keriny.

Nisy miaramila, toy ny avy amin'ny vondrona GSIS eo anivon'ny Zandary, avy aty Antananarivo, nalefa nanampy tosika tamin'ny fanaovana hazalambo ireo mpaka an-keriny amin'ity Distrikan'i Tsaratanàna, ka isany nahazoana izao vokatra izao.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 19 février 2019 10:20

19 février

Journée internationale de la baleine.

 

Publié dans Fil info

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny mpisolovava azy omaly, nangataka ny mba hijerena manokana ny olona arovany.

Herinandro anio talata no namindrana an’i Claudine Razaimamonjy avy any amin’ny fonjan’i Manjakandriana nankao Antanimora.

 

 

Publié dans Tselatra

Tamin’ny tolakandron’ny alarobia 13 febroary 2019 no nisamborana an’ity tanora mpandraharaha, sady mpanolontsaina manokan’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ity, teo Antsahabe-Antananarivo.

Notazomina tao amin’ny BC Anosy izy, ary nalefa avy hatrany any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny ampitson’io.

Nilaza i Eric Rafidison, mpisolovava an’i Mbola Rajaonah, ny harivan’ny nisamborana azy fa tsy mazava ny antony nisamborana ary tsy nisy taratasy fampisamborana ity olona arovany ity.

 

 

Publié dans Tselatra