Filtrer les éléments par date : lundi, 18 février 2019

Nanao fampitam-baovao tao pejiny Facebook ny Jirama fa nandray fepetra niaraka ny Ministeran’ny Angovo, ny rano, ary ny akoranafo sy ny mpitantana ny orinasa Jirama, nanomboka ny sabotsy 16 febroary teo, fa hampitomboina avo roa heny ny solika ampiasaina amin’ireo foibem-pamokarana herinaratra mampiasa solika eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) ho famahana ny olan’ny fahatapahan’ny herinaratra noho ny delestazy.

Natao izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao, mba hanonerana ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra vokatry ny tsy fahampian-drano amin’ireo foibe mpamokatra herinaratra ao Andekaleka, Mandraka, Antelomita, Sahanivotry, Tsiazompaniry ary Manandona, ka nitarika ny delestazy tato ho ato.

 

Publié dans Tselatra

Any Inde i Eric Rakotoarimanana, na « Eric FouHehy » mitsabo tena. Tsy mbola nisy ny fandidiana natao taminy noho ny toem-pahasalamany. 20% amin’ny atiny sisa no miasa ary tsy maintsy atao miaraka ny fandidiana ny aty sy ny voa. Mila fandidiana maika izy noho izany.

Nivoitra ireo androany tolakandro nandritra ny tatitra mahakasika ny toem-pahasalamanan’i Eric FouHehy nataon’ireo mpiara-miasa aminy akaiky tetsy amin’ny Efitrano Gisèle Rabesahala – Tranombokim-pirenena Anosy.

Publié dans Sociale

Tapitra ny zoma 15 febroary teo ny fe-potoana farany ho an'ireo mpifidy nisoratra anarana teny anivon’ny Fokontany nanerana ny Nosy. Teo amin’ny 0,83% ny tahan'ny fitomboana raha ny tatitra vonjimaika azo.

Ambany dia ambany io taha io miohatra tamin’ireo fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana hatramin’izay.

 

Publié dans Tselatra

Rabenaivo Emile Rochel, Nomenjanahary Manacé, Randriaherinarivo Josepha, Tokiniaina Tantelimpiononana, Angen dit Alise, Rakotondravelo Etienne, Rakotoarivelo Jean Victor ary Hiarivonjiniaina.

Ireo ny anaran’ireo gadra valo lahy karohina taorian’ny fitsoahan’izy ireo ny « Maison Centrale » na fonjan’i Tsiroanomandidy ny tolakandron’ny sabotsy 16 febroary 2019 nanararaotra ny fivoahan’ireo mpampivavaka.

Voampanga hiasa an-terivozona ny efatra amin’ireo ary saika fanafihan-dahalo sy vonoan’olona ny heloka vitan’izy ireo.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 18 février 2019 10:35

18 février

Journée mondiale d'action en faveur du droit de grève.

 

Publié dans Fil info