Filtrer les éléments par date : lundi, 11 février 2019

Hisy fivoriana hiarahan'ny CENI amin'ireo Filoham-pokontany eto Antananarivo Renivohitra mikasika ny Fanavaozana isan-taona ny Lisi-pifidianana rahampitso talata 12 febroary 2019 amin'ny 10 ora maraina ety amin'ny foiben'ny CENI Alarobia. Asaina ireo Filoham-pokontany hanatrika izany.

 

Publié dans Tselatra

Hikatona vonjimaika amin’ny 15 febroary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, tafiditra amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE), nanomboka tamin’ny 1 desambra 2018.

Araka ny tati-baovaon’ny CENI dia ambany dia ambany ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao, herinandro tsy higadonan’ny fe-potoana farany ahazoana misoratra anarana eny amin’ny fokontany. 0.23% no taham-piakaran’ny voasoratra anarana vonjimaika manerana ny nosy, raha toa ka 1.25% ny an’Antananarivo Renivohitra.

Manoloana izany dia manentana ny olompirenena hatrany ny CENI hanatona ny Fokontany mialoha ny 15 febroary 2019, hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.

 

Publié dans Vaovao
lundi, 11 février 2019 10:18

11 février

Journée mondiale des malades.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2