Filtrer les éléments par date : lundi, 11 février 2019

Namoizana ain'olona ny fitrandrahana eladrano tao amin'ny Kaominina Andilana Nord, Distrika Amparafaravola.

Androany tamin'ny roa ora tolakandro no niseho ny loza. Mpitrandraka efa-dahy no tototry ny tany, ka roa tamin'ireo namoy ny ainy.

Mpiavy avy any amin'ny Kaomina Morarano Chrome, Distrika Andilamena ireto tra-doza ireto.

Efa ho roa taona teo izay ity toeram-pitrandrahana ity. Sambany io loza io

Mbola tavela any anaty lavaka manana halalina 5m any ny razana hatramin'ny hariva teo.

 

Publié dans Tselatra

Lanonana tsotra fa nanana ny lanjany no nentin'ny Vondrontobim-pileovan'ny Zandarimaria Vakinankaratra nahatsiarovana ny faha-44 taona namonoan'ny sasany ny Jeneraly Ratsimandrava Richard, androany alatsinainy 11 febroary 2019.

Ny Komandin'ny Vondrotobim-pileovana, ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick no nitarika ny lanonana tamin'izany, notronin'ireo Zandary nanodidina.

Fantatra nandritra ny fanazavany fa tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana fotsiny ny fankalazana fa famohazana ihany koa ny hambo-pon'ireo Zandary am-perinasa, satria dia niara-notsarovana tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo Zandary maty teo am-panaovana ny asany, izay nisy 5 no niharan'izay fahalavoana am-perinasa izay tato Vakinankaratra.

Publié dans Vaovao

Nilaza ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jeneraly Ravalomanana Richard, fa fanambin'izy ireo ny hampihena, eny ny tsy hisian'ny fakana an-keriny an-tanandehibe ato anatin'ny telo volana.

Hisy ny andrana ho fifehezana izany ato ho ato, araka ny fanazavany hatrany.

 

Publié dans Tselatra

Olona jamba no mitondra ireny tehina fotsy ireny. Efa ianarany ny lalana falehany, ka misy repère izy, amin'izay lalana alehany izay. Rehefa maro anefa ny olona, ary indraindray dia miala ilay repère ahitany ilay lalany, dia sahirana izy.

Ny mampalahelo dia vitsy isika no manampy azy ireny, misy aza ny fiara, na mba hijanona andefa azy hiampita aza dia tsy atao.

Ny taxibe moa dia efa tsy resahina, raha esorinao an-tenan-dalana izy, dia very repère izy, tsy fantany ilay toerana analanao azy. Mbola tsy tafiditra izy dia efa ny andao ihany no mahamaika ny resevera.
Rehefa raikitra moa ny mêlée hiditra taxi-be, dia tsy misy te halala izay olona manana kilema izany intsony, dia tratra hariva lava eo izy.

Tokony iantohan'ny fanjakana tanteraka ny fitaovana ampiasain'izy ireny, ny fitsaboana azy, ny fiofanana.

Publié dans Sociale

Ny alahady hifoha ny alatsinainy 11 febroary, tokony tamin'ny misasakalina, dia nisy trano niaingan'ny afo tao amin'ny Quartier Morafeno atsimo, eto Farafangana. Nalaky niitatra tamin'ireo trano manodidina ny afo.

Publié dans A la Une

Kaominina isany lasibatry ny valanaretina kitrotro i Ankilizato, Distrika Mahabo, Faritra Menabe. Tonga teto an-toerana nanolotra fanafody hitsaboana maimaimpoana ny mponina ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr Juliot Rakotonirina omaly alahady 10 febroary, ary nijery marary tao amin'ny hopitaly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Ny atoandron’ny zoma 8 febroary teo no saron’ny Polisy ny Boriborintany I ao Tanambao I ity tambazotra ity, miaraka amin’ireo fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo, niampy ody gasy ho fiarovan-tenan’ireto andian-jiolahy ireto.

Efatra no tratra ka vehivavy ny telo, izay vao tera-bao iray volana ny iray. Karohina fatratra ny naman’izy ireo ary efa nisy ny fanapariahana ny sarin’izy ireo.

Hatolotra ny Fampanoavana ny alatsinainy 11 febroary izy efatra mianadahy tratra ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
lundi, 11 février 2019 13:54

Faire travailler les Malagasy

Dans sa politique générale de l’Etat (PGE) à la rubrique « paix et sécurité » considérée comme une priorité absolue, l’administration Rajoelina et Ntsay affirment des intentions qui ont toujours été dites par les gouvernements précédents : « garantir une paix durable dans le pays » et depuis deux décennies « l’effectivité de l’Etat de droit ».

Comme d’habitude on a énoncé les différents moyens à mettre en œuvre :
- Dotation en matériels adéquats des forces de sécurité urbaine comme rurale, avec la mise en place des centres de formation adéquats pour former nos forces d’intervention spéciale (FIS) dans les zones rurales, comme dans les zones urbaines, avec un redéploiement des militaires dans les zones rouges;

Publié dans Editorial

Nisy ny fihaonana teo amin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina sy ny Filohan'ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD), Akinwu Adesina, omaly, nandritra ny fihaonana an-tampony faha-32 ny Vondrona Afrikanina tanterahina ao Addis-Abeba renivohitr’i Etiopia.

Nangataka ny hamoahana haingana ny fanampiana ara-bola hanamafisana ny fampiharana ny tetik'asa sy vina fampandrosoana izay tafiditra ao anatin'ny politika vaovao ny Fanjakana ny filoha malagasy. Sehatra laharam-pahamehana amin’izany ny fanjariana ara-tsakafo, sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina.

Publié dans Economie

Tra-tehaky ny avy teo amin'ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy (MAHTP) nanao fanotofana tany tsy nahazoana taratasy fahazahoan-dalana tetsy amin’ny sampanana Tsarasaotra-Antananarivo faha-5 ny marainan'ny sabotsy 09 febroary teo ireo fiara ireo. Nogiazana avy hatrany ireo fiara telo ireo, nisy iray fahaefatra afaka nitsoaka.

Nokasaina hanorenana fotodrafitr’asa ity tany nototofana ity izao tratran’ny teo anivon’ny MAHTP izao.

Anio alatsinainy no havoaka ny sazy mikasika ity raharaha ity. Nandefasana “interdiction de remblais” na tsy fahafahana manototra tany avy hatrany kosa ny teny an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2