Filtrer les éléments par date : vendredi, 01 février 2019

Nifamotoana tetsy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Anosy ireo minisitra ao amin’ny governemanta Christian Ntsay ary niara-nihazo an’Ambohidahy misy ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena nanatitra taratasy fanambaram-pananan’izy ireo avy, ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-40 sy 41 amin’ny Lalampanorenena sy ny andininy faha-2 amin’ny faha-2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ny alakamisy tamin'ny 11 ora alina no notafihin'ny jiolahy ampolony tao Ankijabe. Karana vavy kely anaka no nalain'izy ireo takalonaina, ilay rayim-pianakaviana voakapa famaky ny lohany ary tsaboina mafy any amin'ny hopitaly.

Mitaky 400 tapitrisa Ariary ireo olon-dratsy ho tambin'ny famotsorana ilay Karana vavy.

 

Publié dans Tselatra

Sady nampiasa sarin’olon-kafa ilay lehilahy no nanao kaonty miafina (compte fake) entina miserasera ato anaty Facebook, ary nampiresaka sy nisarizoro nandritra ny roa volana tamina tovovavy iray 18 taona. Nilaza ilay tovolahy fa mpiasan’ny « finance ». Latsa-pitiavana taminy ilay tovovavy miresaka taminy. Nasain’ity tovolahy nandefa sary mitanjaka aminy ilay tovovavy ka rehefa resy lahatra ity farany dia nandefa izany tany aminy.

Nangataka fihaonana mivatana tamin’ilay tovolahy hatrany ilay tovovavy fa mahita holazaina sy hialana milaza ho tsy afaka hatrany noho ny asany itsy voalohany. Nilaza indray ilay tovolahy nony taty aoriana, dia efa manambady ary tsy afaka miaraka amin’ilay tovovavy intsony ka nomeny « compte » iray hafa izay misy ny tena sariny ary nolazainy fa io « compte » hafa io no afaka miaraka amin’ilay tovovavy.

Publié dans Tselatra

Ho ana tokantrano misy olona 5, izy mivady miampy zaza 3, ny iray ihany no miasa, toy izao ny teti-bola ambany indrindra isam-bolana:

- Hofan-trano - Efitra 2 = 150 000 ariary
- Jirama na fatsakana rano sy labozia = 30 000 ariary
- Vary 2kg/j x 30 = 60 kg x 2 000= 120 000 ariary
- Sakafo 3 000 ar/j x 30 = 90 000 ariary
- Saribao 2 gony x 15 000 ar= 30 000 ariary

Totaliny: 420 000 Ariary

Ajanona eo, mbola eo ny saran-dalana ho an'izay miasa sy mianatra lavitra, ny akanjo, ny fanafody, ny kojakoja ilaina, ny crédit téléphone, ny rakitra sy adidy amin'ny fiaraha-monina, ny écolage sy ny fianaran'ny ankizy.

Publié dans Editorial