Filtrer les éléments par date : samedi, 07 décembre 2019

Tontosa tao amin’ny tranompokonolona Antsirabe ny fakan-kevitra rezionaly ho an’ny fanorenana fotodrafitrasa goavana hamokarana herinaratra ao amin’ny riandranon’i Sahofika, ao amin’ny Kaominina Belanitra, Distrikan’Antanifotsy.

Hamokatra herinaratra hatrany amin’ny 200 MWatt ity foibe ity, izay ao Belanitra no hanorenana ny tohodrano, ary any amin’ny Fokontany iray any Anosiben’Ala no hanorenana ny foibe fanampariahana ny herinaratra.

Publié dans Economie

Nieren-doza ny tobin’ny Zandary ao Lokomby-Manakara androany. Nisy andian’olona saika hanao amboletra hanao fitsaram-bahoaka handoro ny tobin’ny Zandary saingy voasakana izany rehefa nanao tifi-danitra ny Zandary nanaparitahana azy ireo.

Vono olona nitranga tao Vohitrapanga, Kaominina Ambalaroka Distrikan’i Manakara, tamin’ny 25 novambra 2019 no niandohan’ny olana. Voasambotra ny nahavanon-doza ary notanana am-ponja rehefa natolotra ny Fitsarana taorian’ny famotorana azy.

Araka ny fomban-tany amin’iny faritra iny, na inona na inona didin’ny Fitsarana dia tsy maintsy manolotra omby ho an’ny fianakavian’ny maty ny ray aman-drenin’ilay nahavanon-doza.

Tonga tao Marokorika sy Soamiafana, Kaominina Bekatra, Distrikan’i Manakara nikaroka ny rain’ilay nahavanon-doza ny Fokonolona avy any Ambalaroka, saingy niveri-maina tsy nahita. Nentin-katezerana noho izany ireto andian’olona ireto rehefa tsy nahita izay notadiavina ka nopotehina sy nodoran’izy ireo ny tranon’ny ray aman-drenin’ilay tovolahy namono olona. Tranga niseho ny 4 sy 5 desambra 2019 teo.

Publié dans Vaovao

Nihaona tany Paris Frantsa, androany, ny filoha teo aloha isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.

Publié dans A la Une

Vehivavy iray, mbola tanora vao 22 taona, no maty nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao an-tranony ny Alakamisy 5 desambra manodidina ny mitataovovonana tany ho any. Tsindrona vy maranitra nanandrify ny fony no nahafaty ilay vehivavy.

Tsy fantatra hatreto izay nahavanon-doza satria ilay vehivavy sy ny zanany kely vao 3 taona no tao an-tranony ka tsy nisy nahare izay zava-nitranga. Ny fianakavian'ilay vehivavy tonga hitady azy no ankona raha nahita azy efa nivalampatra teo am-pandriana raha ny nambaran'ny lehiben'ny Fokontany Ambohipeno, Kaominina ambonivohitra Antsirabe, ary ireo no nampandre ny Fokonolona.

Nentina teny amin'ny hopitaly saingy efa tsy nisy fiala-nenina azo natao intsony.

Publié dans Vaovao

Nanao fanambarana momba ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra) Sampana Antananarivo, izay nivory ny zoma 06 desambra 2019 « manainga ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka sy ireo tera-tany vahiny rehetra mieli-patrana manerana izao tontolo izao izay miray fo amintsika mba hiray saina sy hampandefitra ny hambom-po ka hanamafy ny fitakiantsika ireo Nosy Malagasy bodoin’ireo fahavalom-pirenena; anisan’izany ny Juan de Nova, Europa, Bassas di India, Les Iles Glorieuses, Tromelin ».

Publié dans Politique
samedi, 07 décembre 2019 20:12

Ambatovaventy-Antanifotsy: Nisy nandoro ny CEG

Nodoran’olon-tsy fantatra ny CEG ao amin’ny Fokontany Ambatovaventy, ZAP Andranofito Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra. Ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 6 desambra teo, tamin’ny 1 ora maraina tany ho any no nitranga ny loza.

Levon’ny afo tsy nisy noraisina ny trano sy ny fanaka toy ny dabilio raha ny tatitra netin’Atoa Rakotoarimanana Heriniaina, Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arakasa Vakinankaratra.

Tombanana ho noho ny lonilony politika ity fahamaizana ity raha ny angom-baovao satria isan’ny nifaninana ho kandida ho Ben’ny tanàna ny mpampianatra iray ao amin’ity sekoly ity ary mitarika amin’ny vokatra vonjimaika.

Manao antso avo amin’ny fifanomezan-tanana amin’ny fikaroham-baovao ny mpitandro filaminana sy ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana. Any an-tranon’olona aloha hatreto no handraisana ireo mpianatra amin’io herinadro io.

 

Publié dans Vaovao

Hampiasa kamiao miisa 40 sy fitaovana vaventy miisa 4 ny Faritra Analamanga hanesorana ny fako misavovona eto an'Antananarivo renivohitra.

« Tsy hijanona ny asa raha tsy voadio sy voaala avokoa ireny fako ireny », araka ny nambaran’ny Governora Hery Rasoamaromaka, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Namontana, Boriborintany faha-4, Antananarivo Renivohitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tarobian-jiro mirefy 2 km, izay mitondra ny herinatra avy any Volobe mankao Toamasina no nisy nangalatra, ny zoma 06 desambra tokony ho tamin'ny 1 ora maraina.

Tsy mbola tomombana ihany koa ny milina mpamokatra herinatra an'ny ENELEC, izay tsy manome afa-tsy 4,5 MW raha tokony ho 16 MW izany.

Mbola ahiana noho izany ny hisian'ny fahatapahan-jiro mifandimby aty Toamasina satria tsy misy afa-tsy 19,5 MW ny herinatra afaka vatsiana ho an'i Toamasina vokatr’ireo olana ireo, raha toa ka 27,95 MW ny filana ambony indrindra amin'ny ora be mpampiasa.

 

Publié dans Tselatra

Nifarana omaly zoma 06 desambra ny fampitahana taratasy fitanana an-tsoratra ny latsabato ho an'ny rafitra mikirakira ny voka-pifidianana kaominaly ho an'ny Faritanin'Antananarivo.

Ny alatsinainy 9 desambra izao no hamoaka vokatra vonjimaika feno ny eto amin'ny faritanin'Antananarivo. Hatao eny amin’ny foiben’ny CENI eny Alarobia ny lanonana mikasika izany.

Samy ho amin'io herinandro ho avy io avy ihany koa ny famoahana voka-pifidianana an'ireo Faritany 5 hafa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hametraka fitoriana manolona ireo hosoka sy fandikan-dalana tamin’ny endriny samihafa nandritra iny fifidianana kaominaly natao ny 27 novambra 2019 iny, eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana na Tribonaly administratifa ny antoko Tiako i Madagasikara amin’ity andron’ny sabotsy 7 desambra ity.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2