Filtrer les éléments par date : mercredi, 04 décembre 2019
mercredi, 04 décembre 2019 22:03

« By Pass »: Ho ferana ireo fanotofana tany

Nisy Filankevitry ny Minisitra androany, namaritra ny famerana ireo fanotofana tany atao manemitra ny làlana « By Pass », izay « tsy maintsy handraisana fepetra entitra tsy ho ela ».

 

Publié dans Tselatra

Niaraka nifampidinika ilay lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2020, tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely androany alarobia 04 desambra ireo Loholon’i Madagasikara, izay notarihin’ny Filohany Rivo Rakotovao, sy ny vondron’ny mpandraharaha ao amin’ny SIM na (Sendikan’ny Indostria Malagasy) izay notarihin’ny filohany Hassim Amiraly.

Naneho ireo olana mianjady sy ny hetahetan’izy ireo ny vondron’ny mpandraharaha, ary indrindra ny fiatraikan’ity lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ity raha laniana. Nambaran’izy ireo fa mamono ny Indostria malagasy, izay tena efa mitsipozipozy nandritra ny taona maro manoloana ny fanafarana entana avy any ivelany izay mandoa haba ambany dia ambany tokoa, ary koa mamono ny mpandraharaha anatiny raha tsy hilaza ny manjo ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatrin’ny savony.

Publié dans Economie

Tsy fiofanana sy fifandraisana ara-barotra araky ny niheverany azy ny seminera (Séminaire de haut niveau sur les Responsables des Gouvernements locaux) nanasan’ny governemanta Sinoa, fa seminera miompana betsaka amin’ny fampahafantarana ny Chine, indrindra ny fahombiazany ary ny tanjany ara-toekarena.

Efa amam-bolana no nanomanan-dry zareo Sinoa ity Seminera ity ary saika mpampianatra amin’ny oniversite no manao famelabelarana nefa ry Ragova fiaraha-miasa sy fisintonana Sinoa mpandraharaha ho avy hampiasa vola amin’ny Faritra sahanin’izy ireo avy no niomanana.

Publié dans Politique

Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany ny didim-panjakana fanendrena an-dRanadalison Angelo ho Sekretera Jeneralin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara.

 

Publié dans Tselatra

Tsipahin'ny orinasa SOBA, mpanao savony, aty Antsirabe ny filazan'ny SIM (Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara) fa vokatra efa voahodina no hafaran'izy ireo avy any ivelany, ilay antsoina hoe: « bondillion », hanamboarana savony. Nasehon'ny orinasa SOBA ny mpanao gazety ny fanamboarana savony tao aminy.

Toherin'izy ireo ny fangatahan'ny SIM ny hampakarana ho 20% ny habantseranana amin'ny fampidirana ny akora fototra fanaovan-tsavony satria hampiakatra ny vidin-tsavony izany, ka ny vahoaka maro an'isa no hizaka izany.

Publié dans Economie
mercredi, 04 décembre 2019 17:46

Fako: Velon-taraina ireo mponina ambodin’Isotry

Velon-taraina ireo mponina ambodin’isotry sy ny manodidina noho ireo fako mivangongo eo amin’ny manodidina, na dia efa noraofin’ireo tompon’andraikitra aza ny ampahany amin’ireo fako ireo dia tsy nahafa-po ny mponina izany, satria mbola maro ihany ny fako mitobaka eo.

Mangataka araka izany izy ireo ny mba hanalana ireo fako ireo satria dia miteraka aretina maro ny fijanonany eo, ny mpivarotra hani-masaka izay eo akaiky eo ny toerana fivarotany hany ka maro ireo olona, indrindra ny ankizy no tratran’ny aretin-kibo.

Mandoa hetra ara-dalàna izahay, hoy ireo mponina, ka nahoana no avela anaty loto toy izao hatrany, ny ranon'orana ihany koa efa ho avy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Herinandro taorian’ny latsa-bato tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna natao ny 27 novambra 2019, dia nanao fanambarana tao amin’ny pejiny Facebook i Feno Harison milaza fa « Ny fampitahana ny lisi-pifidianana no ahitana ny fahamarinana ».

Kandida tsy miankina tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra i Feno Harison. Niisa dimy ireo kandida teto an-drenivohitra.

 

Publié dans Politique

Nanomboka ny alakamisy 28 novambra 2019 ny fotoana fametrahana fitoriana mikasika ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fampielezankevitra momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsain’ny tanàna, sy ny tamin’ny andron’ny latsa-bato ny alarobia 27 novambra 2019.

Manerana an'i Madagasikara, 32 ireo fitoriana sy fitarainana voarain'ny CENI (24 mikasika ny fifidianana Ben'ny tanàna, 8 mikasika ny fifidianana Mpanolotsaina). Miisa 14 kosa ireo fitoriana voarain'ny Fitsarana Misahana ny ady amin'ny fanjakana manerana ny nosy hatreto, ka ny 10 amin'ireo dia teto Antananarivo.

Raisin'ny CENI hatramin’ny fotoana amoahany ny voka-pifidianana vonjimaika izay rehetra fitarainana sy fitoriana mbola ho avy, ary hatolony ny Fitsarana mahefa hitsara izany.

Publié dans Politique

Tato anatin’ny herintaona izao dia mijaly vao mahazo karama ny Mpiasa mpandraharaha ato amin’ny Oniversiten’Antsiranana, ary mbola mitohy hatramin’izao.

Ny olona nandeha nisotro ronono tamin'ny 2016 aza, hoy ny fitarainan’ny mpiasa, dia tsy mbola mandray vola fisotroan-dronono hatramin'izao. Rehefa nanontaniana ny tompon’andraikitra ara-bola dia nilaza fa « tsy mbola tapaka ny karaman'ireo » nefa tsy voarain'ny tompony.

Mitokona ny mpiasa, mitaky ny tambin-kasasarany sy ny sosialiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manazava ao amin’ny pejy facebook ny mpitantana ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) fa « tsy nisy fiovana aloha hatreto ny fitaovana teo ampelatanany » amin’ny fandraofana fako eto Antananarivo Renivohitra.

Isika izao, isan'izany ny litchi sy ny garaba miaraka aminy, izay tsy voafehintsika mihitsy ny mikajy izany, vokany mitobaka avo telo heny etsy sy eroa ny fako eto Antananarivo.

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 2