Filtrer les éléments par date : vendredi, 13 décembre 2019
vendredi, 13 décembre 2019 19:39

Ambatondrazaka: Tapaka ny lalana eo amin'ny Kafe

Tapaka ny lalana eo amin'ny Kafe, lalana izay nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina hamboarina ny 14 oktobra lasa teo. Mampiaka-peo ireo vahoaka fa tokony tsy mampanantena ny fitondram-panjakana rehefa tsy ho vita.

Mahatsiaro sahirana tanteraka ireo vahoaka ao amin'ny tapany avaratry ny Distrikan’Ambatondrazaka satria dia tsy maintsy miova fiara eo amin'ny Kafe raha te ho tonga any Ambatondrazaka.

Manomboka amin'ny 1 000 Ariary ny sara fampintana ny olona iray, ka hatramin'ny 15 000 Ariary, arakarakin'ny zavatra entin'ilay olona no mampiakatra io sarany io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 13 décembre 2019 19:26

Black Nadia: Tera-dahy

Nampahafantatra tao amin’ny pejiny facebook ilay vehivavy mpanakanto Malagasy, Black Nadia, fa teraka soa amantsara. Amin'ny hafaliana no nizarany ny vaovao. « Bradley » no anaran’ny zanany. Salama tsara izy mianaka.

 

Publié dans Art et Culture

Nisy naka an-keriny teny Soavimbahoaka, ny marainan’ity zoma 13 desambra ity, i Navaze Veldjee. Nanamafy izany ny CFOIM (Collectif Français d'Origine Indienne de Madagascar).

Mpandraharaha, 47 taona, i Navage Veldjee. Izy no tompon’ny orinasa Veloptic. Karana mizaka ny zom-pirenena frantsay.

Fanindroany izao, tao anatin’ny roa taona, ity Karana ity, no nisy naka an-keriny. Efa lasibatry ny mpaka an-keriny ity ny harivan’ny 24 mey 2018, teny Ampasampito, raha iny hamonjy fodiana iny izy sy ny vadiny. Ny fiarany ihany no nitondran’ireo mpaka an-keriny azy mivady. Navotsotr’ireo teny an-dalana ilay ramatoa, fa i Navaze Veldjee no notanan’izy ireo tany. 15 andro taty aoriana vao navotsotr’ireo mpaka an-keriny, teny Ampasampito, i Navaze Veldjee.

Publié dans Tselatra
vendredi, 13 décembre 2019 19:21

Alerte kidnapping Soavimbahoaka

Alerte kidnapping Soavimbahoaka.
Navaze Veldjee

Publié dans Fil info

Lany nasiam-panitsiana teto anivon’ny Antenimierandoholona ny alakamisy 11 desambra 2019 nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny Volavolan-dalàna laharana faha 05/2019 tamin’ny 30 oktobra 2019 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2019.

Nisy ny fanitsiana nataon’ny Antenimierandoholona toy ny:

- Fampidinana ho dimy isan’arivo ny tahan’ny vola fandrotsaka (acompte) amin’ny IR na IS mikasika ny raharaha fanondranana entana rehetra.

- Fanafoanana ny andininy mikasika ilay TVA roapolo isanjato (20%) takiana amin’ny katsaka sy ny sakafom-biby ary ny faikan’entana hafa satria miteraka olana goavana amin’ireo mpiantsehatra amin’ny tontolo ambanivohitra ary averina folo isan-jato (10%) toy ny teo aloha.

Publié dans Economie