Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 novembre 2019

Le président de la République Andry Rajoelina a présidé ce 07 novembre la réunion des membres du Conseil Supérieur de la Magistrature (CSM) au Palais d'Ambohitsorohitra. Une occasion pour lui de rappeler les attentes de la population vis-à-vis de la Justice. « La lutte contre la corruption et l'amélioration des conditions carcérales. C'est dans ces domaines précis que le changement doit être opéré », a soutenu le Chef de l'Etat. En effet, face aux nombreuses doléances reçues concernant les imperfections et dysfonctionnements constatés, Andry Rajoelina propose une véritable réforme de la Justice.

Publié dans Sociale

Enfermés à tours de clé de l’extérieur à l’Espace La Villa Verte Ambatomirahavavy région Itasy, pendant vingt et un jours, du 7 au 27 octobre 2019, un des concepteurs de sujets de la deuxième session exceptionnelle au baccalauréat de 2019 n’a pas supporté la pression exercée par les responsables du ministère chargé de cet examen officiel pendant ce conclave. Il s’est montré incontrôlable, et complètement déchaîné. Le prof serait interné dans un hôpital psychiatrique.

 

Publié dans Fil info

Nandriaka ny rà teto Antsohihy androany. Lehilahy iray nanao heloka bevava, namono olona, no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tao Antsakabary, Distrikan’i Befandriana Avaratra. Nentina ampidirina am-ponja teto Antsohihy izy io, androany, no narahan’ny fianakavian’ny maty sy ny vatan-dehilahy anatin’ny dina Besaboha.

Tsy nihambahamba ireto farany naka tamin-kery ilay voampanga, alohan’ny nidirana tao amin’ny fonja. Nokapain’izy ireo tamin’ny antsibe ka potika ny tanany, voafirafira ny tarehiny rehetra ka maty tsy tra-drano teo ambavahadin'ny fonja.

 

Publié dans Tselatra

Hatramin'ity androany ity dia olona 3 no namoy ny ainy noho ny kaikitry ny alika romotra tao anatin'ny Kaominina Mariarano.

Nidina any an-toerana ny ekipan'ny sampandraharaham-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, nanao hetsika famonoana alika faobe, saingy vao Fonkontany vitsy monja aloha no nahavitana ny hetsika.

Sakana ny fomban-drazana, fady amin'ny Fonkontany sasany ao anaty Kaominina ny mamono sy mandevina alika.

Niparitaka ihany koa ny feo fa tsy alika no nanaikitra ireo olona namoy ny ainy ireo fa biby hafa mihitsy, izay tsy voafaritra mazava.
Mbola maro ireo tokantrano miompy ireo karazana ragidro, ny ragidro izay biby mety romotra sady mamindra haromontana ihany koa.

Publié dans Vaovao

Nivoaka io maraina io ny valim-panadinana bakalôrea andiany manokana ho an’ny faritanin’Antsiranana. 18% ny taham-pahafahana. 9,75/20 ny salanisa farany ambany nafahana.

 

Publié dans Tselatra

Hatao ao amin’ny CEDI, ampitan’ny Gymnase Soavita, ny fivoriana hamaritana ny naoty farany ambany hafahana fanadinana bakalôrea tamin’ny andiany manokana notanterahina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 lasa teo.

Miantso ireo lehiben’ny foibem-panadinana, ny talem-paritry ny fampianarana, ireo sefo Cisco ary ireo voakasik’ity fanadinana ity, ny fiadidian’ny oniversiten’i Toamasina hiatrika izany ny zoma amin’ny 3ora tolakandro.

 

Publié dans Tselatra

Nampandre ireo mpampiasa lalana ny Governora sy ny Faritra Analamanga androany fa ny lalana eo Besarety dia ho tapaka manomboka ny Zoma 08 novambra amin'ny 06ora maraina ka hatramin'ny sabotsy 14 desambra 2019 amin'ny 07ora hariva noho ny fanamboarana ny tetezana "La Rotonde".

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina ny zoma 8 novambra 2019 ny fanitrihana ny nofomangatsiakan’i Andriamilisoananahary Jacques Florian, na Jacques Nanahary, any amin’ny fasan-drazany any Mahitsy, Distrikan’Ambohidratrimo. Hifamotoana eny Soavimasoandro, misy ny trano fonenan’i Jacques Nanahary, ny mpanakanto araka ny fanantenana nataon’ny OMDA (Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona) hanao veloma farany azy.

Nindaosin’ny fahafatesana ny marainan’ny alarobia 6 novambra 2019 teo amin’ny 78 taona i Jacques Nanahary.

Dimy lahy tamin’ireo folo mianadahy iray tampo, izy ireo no tao amin’ny tarika Ny Nanahary fa ny efatra dia i Mamy, Efraïma, Pierre Railala ary Jacques izay samy efa nodimandry avokoa, no tena nanohy niaraka tamin-dry Rakotondranoro Marcel, ity farany izay efa nodimandry ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture

Henin-kaja tanteraka ny nandraisan'Antsirabe farany ny nofo mangatsiakan'i Dadah tao amin'ny tarika Mahaleo androany.

Hipoka ny kianjan'ny kolontsaina, nanoloana ny Tranom-pokonolona. Tokony ho tamin'ny 2ora no nanomboka tonga ny vahoaka sy ny mpanakanto, ary nanomboka ny fanentanana ara-javakanto niventesana ny hiran'i Dadah.

Tokony tamin'ny 4 ora latsaka no nigadona ny razany, ary nisy ny lahateny fohy nentin'ny solontenan'ny sampandraharahan'ny kolontsaina, ary i Bekoto (Mahaleo) no nitondra fisaorana ho an'ny mponin'Antsirabe ka nanambarany fa teto izy ireo no niainga ary dia eto ihany koa no hody.

Rehefa lasa ny razana halevina any Betafo dia mbola nitohy kosa ny hirahira sy kalokalo nataon'ireo mpanakanton'Antsirabe ho fahatsiarovana an'i Dadah.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Mitohy ny fitetezana Fokontany ataon’ny kandida Ben’ny tanàna Rina Randriamasinoro. Amin’ity andro fahatelon’ny fampielezan-kevitra ity dia tato amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina izy sy ireo kandida mpanolontsaina Tiako i Madagasikara miaraka aminy, mampahafantatra ny fandaharan’asany sy manentana ny olona hifidy azy.

Liana amin’ny fandaharan’asany ny olona, ireto farany izay mahita fa mifanandrify amin’ny andrasan’ny olona ireo asa fampandrosoana ny tanàna aroson’i Rina Randriamasinoro, izay kandida ho Ben'ny tanàna Antananarivo renivohitra, mitondra ny laharana hafa 2 amin'ny bileta tokana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Politique
Page 1 sur 2