Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 novembre 2019

Nidina teny Ambodirano Ampefiloha, Boriborintany faha-4 Antananarivo Renivohitra nizara fitaovam-pianarana, nahitana kitapo, kahie sy penina ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP ao an-toerana ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina androany 06 novambra 2019. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana kosa dia nahazo rakibolana sy «tablette» ankoatra ireo fitaovam-pianarana ireo.

Nasian’i Andry Rajoelina tsindrim-peo manokana ity rakibolana vaovao ity, izay hozaraina amin’ireo mpianatra rehetra hanala fanadinana manerana an’i Madagasikara.

Nampanantena ny filohan’ny Repoblika fa honerany ny vola saram-pisoratana anarana naloan’ny ray aman-dreny tao amin’ity sekoly ity. Noraisina ho mpiasam-panjakana ihany koa ireo mpampianatra miisa valo tao amin’ity EPP Ambodirano Ampefiloha ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Nankatoavina ny fananganana ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM), hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina sy ireo entana iankinan’ny aim-bahoaka toy ny solika sy ireo entana miankina tanteraka amin’ny fanafarana entana avy any ivelany.

Mahatsapa ny fanjakana fa mitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fiankinandoha be loatra amin’ireo orinasa izay manararaotra eo amin’ny fitsinjarana sy fanafarana entana avy any ivelany ka mampidangana ny vidim-piainana, izay mila tsy ho takatry ny ankamaroan’ny Malagasy, ka tsy mitarika ho amin’ny fandrosoana, ka nitarika amin’izao fanapahan-kevitra hananganana ny orinasa SPM ity.

 

Publié dans Tselatra

Noraisina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany ny fanapahan-kevitra nampiantona avy hatrany ny asa rehetra sy ny fanehoan-kevitra ary ny fampiroboroboana ny tetikasan’ny Base Toliara manomboka izao. Mitohy kosa ny dinika atao amin’ireo tompon’andraikitra ao anatin’io orinasa io, hoy ny fampitam-baovao.

Noho ny olana ateraky ny herisetra niseho sy ny tsy fifankazahoana eo amin’ny mponina sy ny orinasa any amin’ny toerana iasan’izy ireo, tsy mazava ny tombotsoan’ny Fanjakana malagasy rehefa tena nohalalinina ny ambaindain’ny fifanarahana voasonia tany aloha, tsy mazava ny fifanarahana voafaritra tany aloha ka tsy hita intsony izay tena tombom-barotra ho an’ny mponina sy ny fanjakana ary ny faritra ao anatin’izany.

 

Publié dans Tselatra

Vonona ny hifanampy amintsika ny Banky Iraisam-pirenena ary hiroso tsy ho ela ny fifampidinihana eo amin’ireo famatsiam-bola isan-tokony iarahana amin’ity vondrona mpamatsy vola ity.

Mahatratra 80 lavitrisa dolara ny vola ampiasain’ny Banky Iraisam-pirenena ka hisy ny anjara goavana ho an’i Madagasikara amin’izany, satria neken’izy ireo ny drafi-pivoaran’i Madagasikara izay nozarain’ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola tany Washington farany teo nandritra ny fivoriambe natao tany.

 

Publié dans Economie

Rindrin-tany nianjera tampoka no nanindry azy mianaka, raibe sy zafilahiny. Maty tsy tra-drano izy mianaka. Naharitra adim-pamantaranandro ny fikarohana azy ireo tao. Nisy mpiasa iray fahatelo, avotra saingy naratra ka nentina any amin’ny hopitaly hotsaboina.

Niasa teo amin’ilay toerana izy ireo no tra-doza androany maraina. Nifanome tanana ny Fokonolona sy ny mpamonjy voina tamin’ny fanesorana ny ranontany nanototra azy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny banky BNI i Rabarijohn Henri talohan’izao fanendrena azy ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara izao. Noraisina nandritra ny filankevitry ny minisitra androany alarobia 6 novambra 2019 ny didim-panjakana fanendrena azy.

Rabarijohn Henri no mandimby toerana an-dRasolofondraibe Alain Hervé, teo amin’io toeran’ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara io nanomboka tamin’ny 2015.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Economie

Jean Fredy sy Dede Fenerive no nisantarana ny fanorenana ny tsangambato ho an’ireo mpanakanto zanaky ny Faritra Analanjirofo nitondra avo ny kolontsaina. Tao amin’ny Tarika MIAREMA ireto mpanakanto ireo. Namoaka hira tao amin’ny Kaiamba nalaza tamin'ny taona 70-80.

Vita ny sabotsy 2 novambra 2019 taty Fenoarivo-Atsinanana ny lahojoro sy fametrahana vato fototra mikasika izany, tarihin’ny Talem-paritry ny serasera sy kolontsaina. Haharitra roa volana ny asa.

Niara-niasa tamin’ny talem-paritra Ndiamahazo Mickaelys tamin’ny fanorenana izao tsangambato roa aty Fenoarivo-Atsinanana izao ny solombavambahoaka Mohamad Amady sy Soanera Gabrielle mpandraharaha zanaky ny faritra Analanjirofo monina ao Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture
mercredi, 06 novembre 2019 19:10

KRAOMA: Miandry ny fanateram-bonikazo sisa?

Ny mpiasa tsy voaloa karama amam-bolana, ny « internet » tapaka efa ho iray volana. Ritra ny vola ? Mandalo fahasahiranana mafy ity orinasam-panjakana KRAOMA (Kraomita Malagasy) ity, toa miandry ny fanateram-bonikazo sisa ? Mamelona fianakaviana maro, sy ireo Kaominina manodidina an’i Brieville misy ny toeram-pindrahana anefa ny KRAOMA.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Niledaka ny afo, ny andro rahateo nafana. Fako nodorana no voalaza fa tsy voafehy ka niitatra ary nahazo fiara kely iray nijanona amoron-dalana teo ivelan’ny faritry ny lisea Galliéni Andohalo Antananarivo, androany atondro.

Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra vao nahazo fampandrenesana ny loza. Ny tapany aloha, faritra misy ny motera sisa no avotra tamin’ilay fiara kely marika Huyndai, karazany Getz.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

6 novambra 1958 - 6 novambra 2019, feno 61 taona androany i Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial. Manampahaizana manokana momba ny kaontim-bola izy.

Filoham-pirenena voafidim-bahoaka voalohany tato anatin’ny Repoblika faha-4 izy, nitondra an’i Madagasikara teo anelanelan’ny 25 janoary 2014 ka hatramin’ny 7 septambra 2018. Taorian’ny fihodinana faharoana natao ny 20 desambra 2013 no nahavoafidy azy tamin’ny salanisam-bato 53,49%, araka ny voka-pifidianana navoakan’ny CES (Cour électorale spéciale) tamin’ny 17 janoary 2014, raha nifaninana tamin’ny Dr Jean Louis Robinson.

4 taona sy 7 volana ary 13 andro no naharetan’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina, raha toa ka 5 taona no voalazan’ny andininy faha-45 amin’ny Lalampanorenana.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2